Rosia : Teny Farany Mialoha Ny Fahanginana Alohan'ny Fifidianana

Nanao zavatra izay tsy vitan'ny fifanarahana tsy misy farany natao efa ho am-polontaonany ho an'ireo mpanohitra Rosiana ny aterineto : amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra miaraka ny amin'ny hoe iza no ho fidiana. Na, ny marimarina kokoa, iza no tsy tokony ho fidiana.

Toy ny hoe tamin'ny alàlan'ny adihevitra tanaty aterineto ny amin'ny hoe handeha hifidy sa tsia amin'ny fifidianana parlemantera ny 4 Desambra (jereo ireo mombamomba ny fifidianana resahan'ireo bilaogera), dia naka ny safidy natolotr'ilay bilaogera sady mafàna fo mpiady amin'ny kolikoly, Alexey Navalny, ny mpampiasa aterineto, izay vao avy nofinidin'ilay gazetiboky Foreign Policy ho faha #24 tao amin'ny lisitry ny  Global Thinkers 2011 :  mba hifidy antoko hafa ankoatra ny United Russia an'ny PM Vladimir Putin.

Ny fanontaniana manaraka dia ny hoe ho iza ary  no ho fidiana? Misy karazany maro ny valin'izany.

A cartoon comparing a ballot box to a paper shredder, highlights the common distrust towards the election. Illustration by SphinxTheGeek

Sarimiaina mampitaha vata fifidianana iray amin'ny milina famotehana taratasy, manasongadina ny tsy fisian'ny fitokisana amin'ilay fifidianana. Nataon'i SphinxTheGeek (CC BY 2.0)

Ny Zoma 2 Desambra no andro farany maha-ara-dalàna ny fampielezan-kevitra. Nizara ny heviny momba ilay fifidianana ho avy ireo bilaogera  – ary ny tetik'izy ireo ho amin'ny fifidianana.

Bilaogera fanta-daza i Drugoi :

Иными словами, в стране создана работающая на нефтяной трубе модель полицейского государства, погрязшего в коррупции и воровстве, с самой примитивной, тоталитарного характера политической системой — «одно государство — одна партия». Я наблюдаю за этим уже несколько лет и настал такой подходящий момент, когда можно хоть как-то выразить своё отношение к тому, что получилось у правящего режима.

Поэтому, я пойду на эти выборы и проголосую. Не «за», а «против», т.е. отдам голос любой другой партии, кроме «Единой России». Другого выбора мне не оставили. Остаться дома или испортить бюллетень, значит сыграть на руку жуликам и ворам и потерять возможность в дальнейшем судить о происходящем в стране. Это моё маленькое право и большой гражданский долг. Присоединяйтесь!

Amin'ny teny hafa,  namorona lasitra fanjakana polisy  ato amin'ny firenentsika ry zareo, izay miasa amin'ny alalan'ny fantson-tsolika ary miraikitra ao anaty kolikoly sy ny halatra,  miaraka amin'ny fanaovana politika efa nilaozan'ny toetrandro sy tsy refesi-mandidy – “firenena iray – antoko iray.”  An-taona maro no nandinihako izany,  ary tonga izao ny fotoana ahafahako maneho ny fiheverako momba ny zavatra novokarin'ny fanjakana mifehy.

Izany no antony handehanako hifidy amin'ity indray mitoraka ity. Tsy “fanohanana” fa “fanoherana” – hanome ny vatoko ho an'ny antoko hafa ankoatra ny United Russia aho.  Tsy manome safidy hafa ahy ankoatra izay izy ireo. Hijanona ao an-trano na hampiasa amin'ny tsy misy dikany  vatom-pifidianana dia midika hoe hilalao ny toeran'ny mpisoloky sy ny mpangalatra ary hanary ny fahafahako hifidy ny amin'ny ho avin'ny firenena. Io no mba zo keliko ary adidy lehibe amin'ny maha olom-pirenena. Manaraha ahy!

Mikhail Zadornov, Mpanao hatsikana  manohitra ny Amerikana, nanolo-kevitra ny hifidianana  ny kominista :

Но если коммунисты наберут более, чем раньше голосов в Думе, они всё-таки смогут противостоять тем, кто чувствует себя сегодня неприкосновенным. А потому вовсе потерял совесть. Россия с её практически однопартийной чиновничьей системой – это конец света в одной отдельно взятой стране.

Kanefa raha mahazo vato be mihoatra ny teo aloha ny kominista[…], dia afaka ny hifampitàna amin'ireo izay mihevitra azy ho tsy azo kasihana. Ireo tsy mahalala menatra noho izy io.  I Rosia miaraka amin'ny rafitra antoko tokana ataony – io no fara-andro anaty firenena iray voafaritra.

Kirill Rogov, mpanao gazety, dia mino fa Rosiana Marina Iray no tokony ho safidin'ny mpifidy :

главное, что надо понимать про предстоящее голосование, это то, что власти Российской Федерации находятся за границами правового поля. […] Они не заботятся правдоподобными (соответствующими закону) объяснениями своих действий. Они выдумывают от балды поводы наезда на “Голос”. Они гонят наблюдателей. Мэр Москвы смело говорит, что ему нечего стеснятся того, что мэрия и партия – одно. Пусть не стесняется, но мы помним, что это не соответствует Конституции. И что мэр находится вне закона.
Это понимание – самое важное. И оно есть ответ, нужно ли идти на выборы. Нужно. Но не как на выборы. На избирательные участки, мне кажется, нужно идти как на митинг. Чтобы показать свое фэ или хэ.

Ny zavatra iray faran'izay manan-danja tokony ho fantatry ny tsirairay mikasika ilay fifidianana ho avy dia ny hoe any ivelan'ny faritry ny fanarahan-dalàna ireo manam-pahefana ao amin'ny Federasiona Rosiana […] Tsy miraharaha izay fanazavana ho fandresena lahatra (mifanaraka amin'ny lalàna) momba ny fihetsiny any izy ireo.  Mamorona antony manokana izy ireo hamelezana ny “Golos” [fikambanana mpanara-maso ny fifidianana, hita ato ny toe-javatra misy amin'izao fotoana].  Mandroaka ireo mpanara-maso izy ireo. Ny ben'ny tanànan'i Moscow dia nilaza tamin-pahasahiana fa tsy mahamenatra azy ny hoe ny biraon'ny ben'ny tanàna sy ny antoko – dia iray ary mivondrona anaty rafitra iray.  Avelao izy tsy hahalala menatra any,  fa tsaroantsika fa tsy manaraka ny lalàm-panorenana izany. Ary mpandika lalàna. izany ilay ben'ny tanàna izany .
Izany fahafantarana izany no tena zava-dehibe. Ary izay no valiny [ho an'ilay fanontaniana hoe] na tokony isika handeha hifidy na tsia. Andeha isika. Kanefa tsy tokony ho raisintsika ho fifidianana izany. Mila mandeha any amin'ny toeram-pifidianana isika, izay no hevitro, toy ny hoe andeha hamonjy famoriam-bahoaka. Mba hanehoantsika ny haogahaogantsika sy ny tsy fankasitrahantsika

Misy koa, mazava ho azy, ireo bilaogera, izay nandrisika ireo olona hifidy ny United Russia. Robert Schlegel, iray amin'ireo Praiministra tanora indrindra avy amin'ny sampan'ny United Russia ao Duma, dia nanolotra hevitra ihany koa. Ilay horonantsary fohy fampahafantarana ho an'ilay antoko misy azy mba hanodinkodinana ilay teny faneva hoe ‘Antokon'ny mpisoloky sy mpangalatra’ izay manambara ny United Russia. Ilay lahatsary nampitondraina ny lohateny hoe “Fidio ny antokon'ny mpisoloky sy ny mpangalatra ” dia naneho fa ilay teny faneva dia tsy nampiseho ny zava-misy marina, satria ny United Russia dia nahavita be teto amin'ny firenena :

Na izany aza, taty aoriana, tsy nahazo antoka amin'ny ho fahombiazan'ny hevitra maoderina nentiny, Schlegel dia nanoratra hoe :

Хм. Какой там говорите лучший сервис для поиска новой работы? :))))

Hm. Inona no lazainao fa sampan'asa tsara indrindra itadiavana asa vaovao ? :))))

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.