Global Voices Podcast: Teknolojia hanomezan-kery bebe kokoa ny vehivavy!

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Miarahaba ny Tontolo!

Amin'ity andiany Global Voices podcast na fandraisam-peo ity isika no handre ny fomba fampiasan'ny vehivavy any Ejipta ny teknolojia hiadiana amin'ny fanorisorenana, sy izay ataon'ny tonia sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices ao amin'ny Fetiben'ny Mozilla ao Londres.

Homarihantsika ihany koa ny Andro manerantany iadiana amin'ny Sida amin'ny fanomezana fitenenana ireo mpikatroka momba ny resaka VIH/SIDA any Kenya sy Ejipta momba ny asa manokana ataon'izy ireo.

Teknolojia hanomezan-kery bebe kokoa ny vehivavy

Voalohany dia andeha hojerentsika ny fanorisorenana ny vehivavy eny amin'ny lalamben'i Ejipta. Nandray an-tanana iadiana amin'ny faneken'ny fiaraha-monina ity fanorisorenana ara-pananahana ity amin'ny alalan'ny fametrahana teknolojian'ny sarintany sy ny fitantaran'ny vehivavy izay manjò azy eny an-dalana i Engy Ghozlan zatovovavy avy ao Kairo. Ny vokatr'izany moa dia ny Harassmap. Ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices, Maria Grabowski Kjær no nifampitafatafa tamin'i Engy momba ny asam-piarovana ny vehivavy eny ankalamanjana.

Andro manerantany (iadiana amin'ny) Sida

Andro manerantany iadiana amin'ny Sida ny voalohany volana Desambra. Fotoana ieritreretana ireo olona maro miaina miaraka amin'ny VIH na ny SIDA sy ny iheverana ny azo atao hanohanana azy ireny sy ny asany. Nifampitafa tamin'olona anankiroa miasa mafy tokoa ho fanatsarana ny toe-javamisy sy ny fanentanana momba ny lohahevitra aho.

Any Ejipta i Ahmed Awadalla. Efa niasa tamin'ny Fandrindram-pianakaviana ao Kairo sy ny Fikambanam-pampandrosoana izy ary ao amin'ny Fandraisan-tanana Ejipsiana Momba ny Zon'ny Tsirairay amin'izao fotoana izao. Miresaka momba ny holatra sy ny sakantsakana ateraky ny Fitroarana any Ejipta amin'izao fotoana izao amin'ny fanohanana ireo fiaraha-monina tandindonin-doza.

Leah Okeyoh dia mpikatroka ao amin'ny fiaraha-monina, mpamaham-bolongana, mpanoratra ary solontenan'ny World Pulse. Mpiara-manorina fikambanam-behivavy anankiroa izy, Andraikitry ny Vehivavy Tambanivohitra Jacolo Manoloana ny VIH/SIDA sy ny Hetsika Miabo ho amin'ny Fiovana (PACHO). Mpandray anjara amin'ny tetikasa “Miabo Famahanam-bolongana” ao amin'ny Rising Voices ihany koa izy. Niresaka taminy momba ny rafi-pitsaboana keniana sy ny fanantenany amin'ny ampitso izahay.

Afaka miditra an-tsehatra ao amin'ny Miabo Famahanam-bolongana ihany koa ianao raha liana amin'ny fampitam-baovaon'olotsotra mifandraika amin'ny VIH/SIDA. Raha ao amin'ny Twitter ianao amin'ny andro iraisampirenena iadiana amin'ny Sida, ampiasao ny tenifototra #BlogPos mba hahitanay anao.

Momba ny Global Voices sy ny manodidina azy

Mozilla Festival Science Fair

Mozilla Festival Science Fair by Mozilla in Europe on Flickr (CC-BY-2.0)

Nandray ny fetiben'ny Mozilla “media, fahafahana ary ny web” tamin'ny Novambra i Londres. Voasolon-tenan'ny ekipa mahay ao amin'ny Siansa Madio ny Global Voices. Amin'izao ekipa mahafinaritra avy amin'ny GV tafatoby amin'ny toerana iray izay dia tsy maintsy nanontany azy ireo amin'ny antony ijoroany eny tsirairay avy aho.

Emma Brewin moa no Tonia Lefitry ny Fandaminana ny vaantseraseranay. Marta Cooper indray dia mpanoratra ao amin'ny Ekipan'ny Global Voices. Paula Goes indray no Tonian'ny fiteny marolafy izay nampiseho mpiara-miasa iray nandritra ny fotoana tamin'ny alalan'ny lahatsary nampitaina mivantana. Amira angamba no mpitafatafa tanora indrindra ato amin'ny Global Voices podcast ao anatin'ny faha-10 taonany. Izy no nifampitafatafa tamin'ny mpanoratra Irakiana Salam Adil.

Global Voices at the Mozilla Festival

Emma Brewin, Marta Cooper, Salam Adil, and Paula Goes

Eny ary, izay no azonay naisina ho amin'ity laharana Global Voices Podcast [fandraisam-peo] ity. Mankasitraka anareo rehetra tamin'ny fihainoana ary ankasitrahana ihany koa izay nandray anjara sy nifampitafatafana rehetra. Hiverina eto indray izahay amin'ny volana ambony fa azonao atao hatrany ny mandalondalo any amin'ny sehatry ny valantserasera tahaka ny Twitter na ny Facebook sy mba miarahaba!

Zo sy alalana momba ny mozika

Ao anatin'ity fandraisam-peo ity ianao dia maheno mozika maro anaty zo Creative Commons. Raha te-hahalala bebe kokoa momba ireo artista ireo ianao dia indreto rohy ho anao. Isaorana i Orb Gettarr amin'ny fiverenana ato amin'ny atmosfera ny Kandidà Lemioran'i Atlanteana, i Mark Cotton amin'ny Fahatiarovana am-panahy, ny misongadina avy amin'i Superbus. NS amin'ny Fujjad! Ny ankamaroan'ny hira moa dia hita ao amin'ny OpSound.Org, The Free Music Archive na nalaina mivantana tany amin'ny artista. Isaorana ihany koa ireo olona mahafinaritra nireaka sy ny hira izay mandravaka ny fandefasampeo mahatonga antsika ho tafaraikitra eto.

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.