Iran: Voaroba ny Ambasady Britanika

Ny 29 Novambra 2011, olona tokony ho arivo eo ho eo no nanao fihetsiketsehana teo akaikin'ny Masoivoho Britanika tao Teheran rehefa nanapaka ny fifandraisana ara-bola tamin'i Iran noho ny fandaharan'asa nokleary i Angletera. Nilamina ny fihetsiketsehana, nialoha ny nanakorontanan'ny sasany ny fanorenana.

Nampahatsiahy ny fanafihana tamin'ny 1979 nahazo ny ambasady Amerikana tao Teheran ihany ity tranga ity ho an'ny mpanara-baovao maro. Andro vitsivitsy lasa izay dia nifidy ny handroahana ny Ambasadera Britanika ny Parlemanta rehefa niharatsy ny fifandraisana.

Indreto ny lahatsary avy amin'ny fihetsiketsehana:

Ny mpamaham-bolongana Iraniana , Xcalibur, manoro hevitra ny olona tsy hanaraka ny tondrozotra ofisialy hilaza ireo mpanafika ho “mpianatra”. Nilaza ny mpamaham-bolongana [fa]:

it is not right to call these wild people, students.

Tsy marina ny filazana ireo olon-dia ireo ho mpianatra

Mpamaham-bolongana hafa, Snotes, nilaza [fa] fa ny mpianatra saikatafika Basij no nanafika ny Masoivoho, naka antontan-taratasy avy amin'ny “Fosa antitra”, ary nandoro ny saina Britanika.

Rahayi Iran niteny [fa] fa ny mpampihorohoro no nanafika ny Masoivoho Britanika.

Hamedemofidi nibilaogy:

A high-ranking revolutionary guard, Sajadi, entered the British embassy and such an act could be considered a war declaration, because the embassy is considered British soil. Such an act is in contradiction with Iran's constitution.

Niditra tao amin'ny Masoivoho Britanika ny Mpiandry revolisionera mitana toerana ambony iray, Sajadi ary karazana fihantsiana ady ny fihetsika tahaka izany satria heverina ho toy ny zarantany Britanika ny Masoivoho. Mifanohitra amin'ny Lalampanorenana Iraniana ny fihetsika tahaka izany.

Manahy [fa] i H-naderifar fa:

Iran pays a high price for such actions. Attacking an embassy is attacking a country and insulting its national symbols.

Ho lafo dia lafo ny sandan'ny fihetsika atao tahaka izao ho an'ny firenena. Fanafihana firenena sy fanimbazimbana ny mariky ny fiandrianam-pireneny ny fanafihana Masoivoho.

Somayeh Tohidlou, ilay mpikatroka Iraniana nahazo kapoka 50 tany Teheran tamin'ny Septambra 2011 no nanoratra [fa] tao amin'ny Friendfeed:

Are they wrong about the date? This is 2011, not 1979 [when protesters took the US embassy in Tehran]. The regime is 32 years old, not 1 year old.

Diso daty ve ry zareo e? Taona 2011 izao fa tsy 1979 [raha naka ny ambasadin'i Etazonia tao Teheran ny mpanao fihetsiketsehana]. 32 taona ny fitondrana izao fa tsy herintaona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.