Shina sy Makedonia: Tezitra Ny Mpiserasera Sinoa Noho Ny Fanomezana Fiara Mpitatitra Mpianatra

Niteraka fahatezerana teo amin'ny mpiserasera Sinoa ny vaovao momba ilay fanomezan'ny governemananta Sinoa Fiara mpitatitra mpianatra miisa 23 ho an'ny Repoblikan'i Makedonia tamin'ny 25  Novambra 2011 lasa teo, satria mbola ao anatin'ny fisaonana ny sinoa noho ny fahatesana ankizy miisa 19 tamin’ ilay lozam-pifamoivozana nitranga tao amin'ny faritany Gansu ny 16 Novambra 2011.

Loza nateraky ny fiaram-pitaterana mpianatra tao Gansu

Ity lazaina ho “mpitatitra mpianatra” niharan-doza tao Gansu, dia fiara ahitana seza 9 tany am-boloahany saingy novaina hahazaka ankizy mpianatra 64 kosa izany taty aoriana. Nandritra ny loza, tafatsofoka tao ambanina kamiao ilay fiaram-pitaterana mpianatra ka nitarika fahafatesan'olon-dehibe 2 sy ankizy mpianatra madinika 19. Tsy loza kisendrasendra izany satria efa olana hatramin'izay ao Shina ny fahabetsahan'ny olona entina ao anaty fiaram-pitaterana mpianatra. Ity manaraka ity dia raki-kira, Blood Stained School Buses (nihoso-drà ny fiara-pitatitra mpianatra), notontosain'ny mpisera Youtube Angelcat1921 fotoana fohy taorian'ny loza tao Gansu:

Navoakan'i  Jing Gao avy ao amin'ny blaogy minisiteran'ny Tofu ny fihetseham-pon’ny mpiserasera Sinoa mikasika ny loza  niseho, ary nadikany tamin'ny fiteny hafa izany:

畅游山海间:Tao Shina, 99.9% ny ankizy mandray fiaram-pitaterana mpianatra dia zaza madinika an'olo-tsotra avokoa. Ny fiaran'ny governemanta kosa na fiara manokana mihitsy no mitatitra hatrany ny zanaky ny mpanao politika sy ny mpiasa ambony ao amin'ny fitondrana ka azo antoka tsara ny fiarovana azy ireo. “fahalehibiazana, voninahitra ary fahamboniana” ho azy ireo izany. Ary tombotsoa amin'ny sosialisma ho an'ny Sinoa.

晚霞中的骊歌: Laharam-pahamehana ho an'ny firenena, ny fiaraha-monina ary ny governemanta  miaro ny vahoakany ny fiantohana ny fiarovana ny ankizy. Raha tsy voahaja izany laharam-pahamehana izany, tsy inoako raha mbola mendrika ho tafajanona eto ity firenena, fiaraha-monina ary governemanta ity. Huh huh!

高劲涛: Tsy afaka mba miaro ny ankizy madinika ao aminy akory ny firenena manam-bola hodorana. Inona no tanjony amin'ny fandefasana zana-bolana? Seza ho an'ny ankizy ao anaty fiara, tsy resahina intsony ny fiara mpitatitra mpianatra, izay mbola tsy vita ny famahana ny olana. Efa topondaka manerantany amin'ny famokarana fiara ny firenentsika! Toa tahaka ny manelingelina ity lahatsoratra bilaogy fohy ity.

Nanolotra fiara-pitatitra mpianatra 23 ho an'i Makedonia ny governemanta Sinoa. Sary avy amin'ny tranokalan'ny governemanta Masedonia

Fiaram-pitaterana mpianatra natolotra an'i Makedonia

Mbola ao anatin'ny hatezerana tanteraka ny vahoaka noho ny tsy fahaizan'ny governemanta miaro ireo taranaka handimby ity firenena ity, mampitombo ny loza indray ny tetikasa nataon'ny fanjakana mpanatanteraka amin'ny fanomezana fiara mpitatitra mpianatra harifomba 23 ho an'i Makedonia.

Mpisera Weibo Wu Shuping mitolona amin'ny fanivanana ny sehatra Sina ary nanohy namoaka foana ny hafany feno hatezerana:

吴淑平:删后再发:不给自己国家的孩子买校车,甘肃20个孩子的尸骨未寒,居然一口气给马其顿共和国捐赠23辆校车。中国大使说:“这些校车为35座,符合所有安全标准,自动车门、灭火器,每个座位都配有安全带。”//这里,老朽忍无可忍,只送你一个排比句:去你妈!操你妈!滚你妈!

吴淑平: Namoaka indray ny hafatra efa voafafa: Nandà tsy hividy fiara mpitatitra ho an'ny mpianatra eto amin'ny firenentsika manokana, nanolotra fiara mpitatitra 23 ho an'ny Makedonia [ny governemanta] raha toa ka mbola mafy ny fahatsiarovana ny fahafatesan'ireo zaza madinika 20. Hoy ny Ambasadaoro Sinoa naneho hevitra: nahitana seza 35 ilay fiara, nanaja ny fepetra rehetra ilaina – ny fiarovana mandeha ho azy (automatique) amin'ny varavarana, ny famonoana afo sy ny fehikibo fiarovana isaky ny seza.  Tsy afaka  hizaka izany intsony aho, raiso ity: Fako ny reninao [ompa]! !

Christopher Jing nanazava bebe kokoa ny anton'ny nandrasain'ny governemanta izany fanapahan-kevitra izany:

 

克里斯托夫-金:宁赠友邦,勿与家奴,惊闻中国昨天向欧洲富国马其顿捐赠2百辆豪华校车,要改善其学习环境,崔大使送车上门,奴颜卑膝啊,自己裸露还要赠衣,贫富巨差还要慷慨解囊,不可理喻,有这么多金色校车,为何不接济自己的穷学校苦孩子?为何眼睁睁中国孩子在运牲口的破校车里担惊受怕?Shame on you!奇耻大辱!

克里斯托夫-金:Tsara kokoa ny manolotra fanomezana ho an'ny firenena mpifanolo-bodirindrina noho ny manolotra ho an'ny andevo ao an-tanàna ihany. Sanganehana tanteraka raha nahare fa nanolotra fiara mpitatitra mpianatra lafovidy 200 [23 no isa marina] ho an'i Makedonia i Shina mba hanatsarana ny tontolon'ny fampianarana. Naniraka ny ambasadaorony ny governemanta mba hanolotra izany amin'ny fomba feno fanetre-tena, tahaka ny olona iray miboridana manome akanjo ho an'ny hafa na tahaka ny olona mahantra manome vola ho an'ny hafa. Tsy am-piheverana mihitsy izany. Raha manana fiara-pitatitra mamirapiratra marobe ianao, nahoana no tsy ampiana aloha ny mpianatra ao amin'ny firenena hoentinao. Raha tsy izany mba jereonao ireo mpianatra Sinoa mandray “fiaram-pitaterana” izay toy ny mitatitra biby fiompy. Mahamenatra ny ataonao! Manala-baraka tanteraka.

Na ilay mpanentana ao amin'ny fahitalavim-panjakana, Zhao Pu aza nanamarika fa fotoana tsy tokon'ny anavaon'ny governemanta fanomezana izao:

赵普:马其顿是一个欧洲小国,并不算富裕,但老百姓享受的福利和手中的财富,比我国人民还是好很多。向其捐校车以示友好,本来也没什么,咱干过的出力不讨好的事多了去了。但,能不能考虑下时机?能不能照顾下国人的情绪?能不能别让泉下的孩子咒骂我们?他们可还没来得及学脏话呢!

赵普:Firenena kely ao Eoropa i Makedonia, tsy manankarena izy. Na izany aza anefa, manana tombotsoa ara-tsosialy tsaratsara kokoa noho ny vahoaka sinoa. Tsara ny maneho firaisankina amin'ny fanomezana fiara mpitatitra mpianatra, efa ela isika no nanao zavatra tsy mahomby tahaka izao. Saingy iangaviako mba hijery tsara ny fotoana mahamety ary omeo lanjany ny fihetseham-pon'ny vahoaka? Aza avela hanozona antsika ny fahafatesan'ireo ankizy? Mbola kely izy ireo ka tsy mahalala ny teny “ratsy”.

Mba hampitoniana ny fahatezeram-bahoaka, nangataka ireo media mba hanaisotra ny vaovao misongadina ao amin'ny tranokalany ny Sampan-draharahan'ny Fampielezan-kevitra, saingy efa tara loatra izany. Han Zhiguo namaly toy izao:

韩志国:【 处理公共事件不能掩盖真相 】 向马其顿无偿赠送23辆校车,不在数量,而在取向:中国政府对外国中小学生的关爱超过本国孩子。甘肃校车事件灼痛国人之心,赠车事件此时发布,其愚蠢显而易见。面对公众不满,"有关部门"又故伎重演:所有的赠车新闻一瞬间在网站上消失。微博时代,民众岂能如此被骗?

韩志国:[Tsy voalaza hatrany ny marina rehefa misy ny lozam-piarakodia] Tsy mikasika ny isan'ny fiara mpitatitra mpianatra natolotra an'i Makedonia izany, fa ny fitantarana ny loza niseho: Ny ankizy any ivelany indray no mahazo fanampiana avy amin'ny ny governemanta Sinoa fa tsy ny ankizy ao amin'ny fireneny. Raha mbola ao anatin'ny ratram-po ny vahoaka, hadalana tanteraka ny fanomezana natao. Rehefa miatrika ny hatezeram-bahoaka anefa, mampiasa ny heriny indray ny manam-pahefana amin'ny alalan'ny famafana ny vaovao rehetra misongadina amin'ny aterineto. Amin'izao firoboroboan'ny valantserasera izao, ahoana indray ny fomba antenainy fa mbola afaka mamitaka ny vahoaka tahaka izao ihany izy?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.