Resadresaka Niarahana Tamin'i Izumi Mihashi Avy Amin'ny GV Lingua Japoney

Mpikambana mamokatra betsaka ao amin'ny ekipa Lingua Japoney i Izumi Mihashi hatramin'ny voalohandohan'ny 2009 ary amin'izao fotoana izao dia misahana ny andraikitry ny mpamoaka lahatsoratra miaraka amin'i Hanako Tokita. Miaraka amin'ny “Japana: Momba ny Solon'Anarana Malaza An-tserasera”, namoaka ny lahatsorany voalohany tamin'ny teny Anglisy tao amin'ny Global Voices izy ny Septambra teo. Mitoraka bitsika amin'ny teny Anglisy i Izumi ao amin'ny @en_izumi

Anatin'ity fanadihadiana ity, hahafantatra bebe kokoa momba an'i Izumi isika, ny fahombiazany amin'ny fitarihany ny fakàna mpikambana vaovao sy ny fanangànana ny ekipa misahana ny Teny Japoney, ny dingany manaraka, sy ireo eritreritra mikasika ny manodidina ny Aterineto any Japana.

Mba lazalazao anay ny momba anao!

Vao haingana izay dia niala tamin'ny asako nandritra ny roa taona tanatina orinasa mpamokatra elektronika lehibe iray aho, izay natomboko taorian'ny nahazoako ny master-ko tamin'ny “ingénierie” matematika. Mikasa ny hiverina an-tsekoly aho ny Aprily ho avy io mba hikarohako ny tontolon'ny fahatsapan'ny olombelona.

Izumi Mihashi

 

Ahoana no nahatonga anao tao amin'ny GV?

IM: Mpianatra nivoaka tamina anjerimanontolo aho tamin'ny Septambra nefa nanana fotoana kely talohan'ny nanombohako ny asako ny volana Aprily. Nanao asa fandikan-teninà bokina matematika aho, nefa sady nitady tetikasa hafa. Nahita fidirana ao amin'ilay Uncategorizable Blog [bilaogy Japoney iray malaza nataon'ny mpamatsy ny GV, Taku Nakajima] izay nampahafantatra ny Global Voices, ary liana tamin'izany tetikasa izany..

Inona ny anjara asanao amin'izao fotoana izao?

Hatrizay aho dia nisahana ny fifandraisana amin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo vaovao [Fanamarihana: Manana fomba fitsaràna ny hitsirihana ny lenta ny ekipa  Lingua Japoney.], nefa nomeko olon-kafa izany anjara asa izany ankehitriny.  Angamba aho azonao antsoina ho mpitarika ny ekipanay amin'izao fotoana izao!

Manana hevitra marobe aho ho fampiroboroboana ny ekipan'ny Lingua Japoney, nefa tsy dia nanam-potoana loatra nanatanterahana azy irenyo. Izany no mahatonga ahy miasa amin'izany amin'izao fotoana izao – manatanteraka ireo fanatsaràna.

Afaka mizara vitsivitsy amin'ireo hevitra fanavaozanao ve ianao?

IM: Manana hevitra marobe aho! Afaka zaraina ho sokajy roa izy ireo: fampahafantarana sy fizaràna ireo asa.

Tsy tena mbola matihanina amin'ny fampahafantarana izahay amin'izao fotoana izao, ary mihevitra aho fa tsy mbola tena ao tsara izahay amin'ny resaka famakiana na dia mahafa-po aza ny votoatin-kevitra. Ohatra, somary sarotra ny fitenenana ao amin'ireo vohikalan'ny Lingua fa manamafy ny feon'ireo izay tsy hainon'ny media nentim-paharazana ny Global Voices… mety ho toy ny vohikala fandikan-teny ho an'ireo loharanona media vahiny angaha izany? Mieritreritra foana ny fomba hahafahanay manatsara ny fanolorana izahay mba hahafahana maneho tsara ny hevitra hiasàn'ny GV

Mahatsapa ihany koa aho fa somary “manalavitra” kely ny Japoney mpamaky antsika ny votoaty. Ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Japoney, maro ny lahatsoratra mikasika ireo fotokevitra azon'ny daholobe jerena izay mampisongadina betsaka ny hevitry ny mpanoratra. Ny GV dia ny mifanohitra amin'izay, anatin'izany dia tsy miandany na amin'iza na amin'iza ny mpanoratra ary mampahafantatra lafiny maro amin'ilay fifanakalozan-kevitra. Ary koa, maro amin'ireo zava-nitranga voarakotra ao anatin'ireo lahatsoratry ny GV no mitranga any amina toerana izay lavitra an'i Japana. Mino aho fa afaka mitàna anjara toerana goavana eo amin'ny fampifandraisana ny Global Voices sy ny Japoney mpamaky ireo mpandika teny ao amin'ny Lingua.

Farany nefa tsy ambanin-javatra ny fomba fizaràna ireo asa ao anatin'ny ekipa. Nikajy ny hafatray izahay mba hitondrana feo ho an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo vao misondrotra ary vokatr'izay, nandray mpikambana izay nihamaro be izahay. Lasa nihasarotra kosa anefa ny fitondrana, noho izany dia manandrana paika hafa ny ekipan'ny Lingua Japoney.

Fihaonana vao haingana natao tany Tokyo

Inona no tianao indrindra momba ny GV?

IM: Ny tena mahafaly ahy indrindra dia ny fankafizan'ireo mpikambana ao amin'ny Lingua Japoney mandika lahatsoratra! Tato ho ato, nanomboka nanao famerenanana mandinika ny fandikan-teny anatin'ny lisitry ny mailaka anatiny izahay. Tamin'ny voalohany, liana kokoa tamin'ny fandikan-teny noho ny famerenana mandinika ny olona, fa ankehitriny kosa dia manana paika mirindra izahay. Samy afaka manaraka ny fifandraisana misy eo amin'ny mpandika teny sy ny famerenana ny fandinihana ao anatin'ny lisitry ny mailaka ny olon-drehetra, ary mihevitra aho fa nanomboka nankafy ity ampahan'ny asa ity ihany koa ny olona.

Tamin'ny Septambra, nanomboka ny asa maha-mpanoratra ahy tao amin'ny GV aho ary may hizaha izany lalàna izany ihany koa.

Ity misy fanontaniana adaladala apetrako aminao – raha naharesy tamina loka ny GV Lingua, inona ny zavatra tianao hatao?

IM: Hmmm, tsy dia mihevitra loatra aho fa miaraka ny tetikasan'ny Lingua sy ny vola hatreto. Manohitra manokana ireo toetra ara-bola eo amin'ny lafin'ny asa fandikan-teny manokana aho.

Mety ho tsara ny fahazoana vola kely sy fisian'ny olona misahana ny asa fitantànana tahaka ny famaliana ireo fangatahana, mirona amin'ny Facebook, fanombohana famoahana karazana gazety etc. nefa tsy dia olana ara-bola loatra izany. Liana amin'ny fanaovana fanadihadiana fanoharana ny GV sy ny media hafa ihany koa aho mba hizahako ireo fahafahana ho an'ny Lingua Japoney amin'ny hoavy nefa mbola olana ara-potoana ihany koa izany!

Misy kosa anefa ny zavatra tiako hatao miaraka amin'ny vohikala amin'ny ankapobeny.

Firenena manan-karena i Japana, farafaharatsiny amin'ny harena ara-pitaovana. Na misy aza olona tsy manana fahefana hampiditra Aterineto any an-trano, mahazo izany maimaim-poana izy ireo any amin'ny tranobe famakiam-boky ho an'ny besinimaro. Mety ho  mpamonjy soa ny Aterineto raha toa ianao ka mitoka-monina any am-pianaranao na any amin'ny toeram-piasanao. Amin'ny lafiny iray hafa, mety ho toerana mampidi-doza ihany koa izany, noho ireo adin'ny lelafo sy ny fivoahan'ny resaka mombamomba ny tena manokana.

Mino aho fa afaka manova fiainana marobe isika amin'ny famoronana toerana voaaro ho an'ireo olona tsy mahafehy loatra ny Aterineto mba hifankahitana ao anatin'ny aterineto. Mety mila amboarina io rafitra io mba hahazoana ireo olana sy hahazoana ireo mpandrindra vondrom-piarahamonina izay afaka hirotsaka an-tsehatra sy hanamora ny asa atao. Olana tena saro-bahana izany nefa mety hampitolagaga raha vitantsika!

Misaotra an'Izumi!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.