Koety: Nakorontan'ny Mpanao Fihetsiketsehana ny Antenimieram-Pirenena

Nakorontan'ny Koesiana tezitra an'arivony ny Lapan'ny Antenimieram-Pirenena tamin'ny Alarobia 16 Novambra 2011, rehefa nifampigidraka tamin'ny polisy sy ny mpitandro filaminana ny mpanao fihetsiketsehana.  Efa nihahenjana tokoa ny tontolo politika Koesiana tao anatin'ny taona vitsivitsy, ary kihon-dalana vaovao teo amin'ny toe-draharaha ny lohataona Arabo tamin'ny fiandohan'ity taona ity.

Raha mbola tsy nisy ny hetsi-panoherana tany Tonizia sy Ejipta, dia efa nisy fifandonana tany Koety tamin'ny Desambra 2010 teo amin'ny Praiminisitra Sheikh Nasser Al-Mohammed Al-Sabah, raha nodarohan'ny polisy misahana ny rotaka ny depiote vitsivitsy niara-nanatrika fivoriana tamin'ny vahoaka tao amin'ny tranon'ny depiote Mpirahalahy Miozolomana Jimaan Al-Harbish.

Nitaky fanadihadiana tamin'ny resaka kolikoly tamin'ny praiminisitra sy ny minisitra niaraka taminy ny depiote; nametra-pialana ny governemanta, ary dia mbola voatendry fanimpitony indray izy tao anatin'ny dimy taona izay.

Miantso fanoherana ny Tanora

Taorian'ny Lohataona Arabo, nandeha ny antso hitokona tany Koety izay niandoha tamin'ny Marsa 2011 ary mpanao fihetsiketsehana manodidina ny arivo no nahasahy niseho masoandro, niara-dalana tamin'ny mpanao politika sy ny depiote mitaky ny hialan'i Al-Mohammed Al-Sabah izay ampangain-dry zareo ho mpanao kolikoly.

Vao haingana izay, Nandeha nankany amin'ny Fitsarana misahana ny Lalampanorenana ny praiminisitra mba hahazo didy manankery manaisotra ny mety ho fanadihadian'ny depiote amin'ny resaka kolikoly. Efa voampanga ho nanao kolikoly na fehezin'olobe hafa tahaka ny fianakavian'ny mpanjaka, izay mifandrafy amin'ny praiminisitra mitondra amin'izao fotoana izao hahazo ny toerany, ihany koa ny mpikambana ao amin'ny fanoherana.

Nanery imbetsaka ny tanora maro ao amin'ny firenena izany fifandirana politika izany hanangana hetsi-bahoaka mitaky fihavaozana sy ny fialan'i Al-Mohammed Al-Sabah; Na izany aza, misy ny mpikambana parlemantera no mandeha any amin'ireny hetsi-panoherana ireny hitady fitokisana, hanao fanambarana, na hiaka ary hitarika ny olona hampiditra ny tetiny manokana.

Nanakorontana ny Antenimieram-Pirenena

Tamin'ny 16 Novambra, nanapa-kevitra ny hanao fihetsiketsehana teo an-kianja nitaky ny fialany indray ny tanora Koesiana izay nanomboka nitoby teo amin'ny Kianjan'ny tanànan'i Koety ao Erada izay manoloana ny Antenimieram-Pirenena – noho ny fahatezerany tamin'izay nataon'ny Praiminisitra mba tsy hohadihadiana.

Niseho araka ny mahazatra ny depiote ary nikabary, saingy tamin'ny fotoana nanakanan'ny mpitandro ny filaminana ny iray tamin'izy ireo tsy hiteny, dia niharatsy ny toe-draharaha ka nisy ny fifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana izay nampisy olona maro naratra. Tampoka teo dia nanapa-kevitra ny hiditra tao amin'ny Antenimieram-Pirenena ireo antokon'olona ireo haka ny Antenimiera, izay lazain'ny Lalampanorenana Koesiana ho “Lapam-Bahoaka.”

Indreto ny sary sy lahatsarin'ny zava-nitranga araka izay nosiahin'ny mpanao fihetsiketsehana maro.

Fifandonana teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana:

Image posted by @AbdullahBoftain on Twitpic

Sary @AbdullahBoftain ao amin ny Twitpic

Mpanao fihetsiketsehana teo amin'ny Efitra lehiben'ny Antenimiera-Pirenena (Abdullah Al-Salem Hall) mijoro eny ambony latabatra sy seza mihiaka hoe “tranon-dry zareo io ka alain-dry zareo”:

Image posted by @waleed_bokubar on Twitpic

sary @waleed_bokubar ao amin ny Twitpic

Iray amin'ny mpanao fihetsiketsehana mitsirara rehefa nifandona tamin'ny mpitandro ny filaminana:

Image posted by 3asalaswad on Yfrog

Sary navoakan i 3asalaswad ao amin ny Yfrog

Iray amin'ny mpanao fihetsiketsehana voatifitry ny bala fingotra:

Image posted by Twitter user @ALI_M_ALMUTAIRI

Sary mpisera Twitter @ALI_M_ALMUTAIRI

Mpitandro ny filaminana nanomboka nandrava ny mpanao fihetsiketsehana:

Image posted to Yfrog

Sary navoaka Yfrog

Mpanao fihetsiketsehana nivoaka ny Antenimiera rehefa avy nananika tao:

Image posted by Twitter user @ALI_M_ALMUTAIRI

Image posted by Twitter user @ALI_M_ALMUTAIRI

7eyad news service namoaka ity lahatsary manaraka ity tao amin'ny YouTube,  izay mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana mihiaka hoe “Miala, miala, miala” tao an-dalantsaran'ny Antenimieram-Pirenena:

@Wikileaks_q8 namoaka ity lahatsary ity tao amin'ny twitter ahitana mpanao fihetsiketsehana mihiaka “Mitady ny hialan'ny filoha [praiminisitra] ny vahoaka”:

Sultan Al-Jazzaf (@sjazzaf) namoaka ity lahatsary ity rehefa novakian'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny depiote ny Antenimieram-Pirenena:

Lahatsarin'ny fotoana isan-karazany noraiketina nandritra ny fihetsiketsehana notsongaina tao amin'ny  Al-Youm TV izay nandefa mivantana ny raharaha:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.