Però : Fijerena Manokana Ny Hetsi-panoherana Manohitra ny Fitrandrahana

Ny herinandro lasa teo dia somary sarotsarotra ihany ho an'ny governemanta .  Raha vao haingana izay ny Governemantan'i Ollanta Humala no nahatratra ny faha 100 androny, fifandonana ara-sosialy telo mihahenjana izay nifandraika tamin'ny olana ara-pitrandrahana : ny grevin'ireo mpamboly tao Andahuaylas izay mangataka ny fampiatoana ny ozinina fikirakirana firaka roa ary ny fanajanonana ny fifanarahana amin'ny asam-pitrandrahana ao amin'ny faritra ;  ireo hetsi-panoherana tao Cajamarca manohitra ny tetikasam-pitrandrahana Conga satria farihy roampolo no mety ho foana tanteraka [es] noho io tetikasa io; sy ny  fibahanana arabe[es] tao Huari ary Cátac, tao amin'ny faritra Avaratr'i Ancash , mba hangataka ny fampiharana ny lalàna mifehy ny tontolo iainana amin'ireo orinasam-pitrandrahana Antamina sy Huallanca.

Amin'ireo fifandonana maro ireo, ny fifandonana tao Andahuaylas no niitatra be indrindra : Taorian'ny tsy fahombiazan'ny fifanarahana niaraka tamin'ny vaomiera ambony dia nivadika fandorana trano maromaro sy maratra 38 ilay hetsi-panoherana noho ny fifandonana teo amin'ny mponina sy ny polisy. Nitranga izany rehetra izany raha mbola malaza amin'ny haino aman-jery ny raharaham-panindriana nataon'ny Filoha lefitra Omar Chehade [es] ary  nitsidika firenena vahiny ny Filoha Humala.

Ny mpanao gazety sy ny tonian-dahatsoratra anefa di amaika tamin'ny filazana fa tapitra ny volan-tantelin'ny mponina amin'ny governemanta, ary izany rehetra izany dia noho ny fiokoana hanohitra ny orinasam-pitrandrahana.

Fa hafa noho izany kosa ny hevitra sy ny fomba fijery hita ao amin'ny tontolon'ny bilaogy. Ohatra, ao amin'ilay bilaogy Consulta Previa (“fifanankalozan-kevitra voalohany”) rehefa avy namakafaka [es] ilay hetsi-panoherana miompana amin'ny toky nomen'i Ollanta Humala, dia nidiran'izy ireo tany amin'ny fotony avy hatrany ny raharaha :

El tema de fondo es si la minería puede desarrollarse en el acuífero. Nuestra respuesta es NO. Una vez que eso esté claro, recién se podrá hablar de un diálogo justo. Que ese punto de partida va a traer mayores costos a los inversionistas, sin duda. Pero no se trata de desecar lagunas y humedales o de contaminar cabeceras de cuenca y aguas subterráneas, como condición para el desarrollo. El mundo ya lo tiene sumamente claro. ¿Por qué el Perú no debería tener derecho a reclamar modernidad a este respecto?

Ny tery amin'ny farany ambany dia ny hoe afaka ny hampandroso ve ny fitrandrahana  aquifers. Ny valinteninay dia TSIA. Rehefa mazava ny momba izay, dia afaka ny hiresaka tsara amin'izay isika. Io fanombohana io no ampoizina fa hahalany vola be ireo mpampiasa vola. Kanefa tsy any amin'ny resaka faharitran'ny dobo sy ny tany mando na ny fandotoana ny dobo sy ny loharano ho antoka ho amin'ny fandrosoana ilay izy. Mazava ny amin'izany amin'izao tontolo izao. Fa nahoana kosa i Però no tsy afaka ny hihiaka ny fanavaozany amin'izany resaka izany ?

Tao amin'ilay bilaogy ¿Estamos jodidos?(“Moa va isika voabaiko?”) dny ahiahin-dry zareo [es] dia resaka momba ny fitrandrahana mihitsy, saingy miompana kokoa amin'ny vokatra notrandrahina ny fanadihadiana :

Hemos insistido montones de veces que en los proyectos mineros debe de estar el Estado participando de las extracciones por dos razones: primero el control de lo extraído y en segundo lugar por el medioambiente en toda su afectación, por cuyo motivo sean o no impresionantes las inversiones deben estar hechas al 50 ó 51% representado en el consejo de administración por parte del gobierno, y si tan rentable es, con mas razón la participación queda controlada por el Estado.

Imbetsaka isika no nisisika nilaza fa aminà resaka tetikasam-pitrandrahana ny fanjakana dia tokony handray anjara amin'ny fitrandrahana noho izao antony roa izao : voalohany, mba hanara-maso ny zavatra trandrahina ao, ary faharoa, noho ny tontolo iainana. Na misy dikany na tsia, ny fampiasam-bola dia tokony atao 50 na 51% ny solontenam-panjakana eo amin'ny filakevi-pitantanana, koa raha ahazoana tombony izany, vao maika antony andraisana anjara amin'ny fanaraha-maso.
Mina Yanacocha, Cajamarca, Perú

Fitrandrahana ao Yanacocha , Cajamarca, Peroa

Kanefa tsy mandeha ila izany ahiahy izany, misy ihany koa izany ho an'ny governemanta[es] :

Humala no es tonto. El se da cuenta perfectamente del daño que hace al país todos estos desmanes sociales y que se necesita su presencia al interior y no en el exterior […] ¿Entonces que está tramando?…. No será que se llegué a una situación de desgobierno y que salga luego a decir que estando así la situación y para bien el país se determina la expropiación de las principales minas y bancos del país. Ojo, ojito ….el militar-presidente no es nada tonto

Tsy moana akory i Humala. Tsapany tokoa ny loza nentin'ireny hetsika ara-sosialy ireny teo amin'ny firenena ary ilaina ny fahatongavany aty fa tsy any ivelany […] Koa inona ary ny zavatra entiny?….Mety tonga amin'ny fotoana tsy fisian'ny governemanta isika ary mety hilaza izy fa ao anatin'izao zava-mitranga izao ary ho soa ho an'ny firenena dia nanapa-kevitra izy ireo ny haka ny fitrandrahana sy ny banky maro. Tandremo….tsy adala ny Filoha efa nanao miaramila

Ao anatin'izay ahiahy izay ihany, ao amin'ilay bilaogy Políticamente Incorrecto (“tsy ara-politika”), Víctor Roble dia nanakina [es] ny fihetsiky ny praiminisitra Salomón Lerner :

El mensaje que ha dado es el mismo que dieron Simon y Del Castillo: “Si quieres que te escuchemos y atendamos tus reclamos, solo tienes que sitiar ciudades, bloquear carreteras, saquear mercados y apedrear autobuses”. ¿Esta es la Gran Transformación que nos ofreció Ollanta Humala candidato? […] Con justa razón, muchos nos preguntamos si acaso este clima violento contrario a la inversión privada no está siendo alentado soterradamente desde el propio gobierno.

Nandefa hafatra mitovy amin'ilay an'i Simon sy Del Castillo izy : “Raha tianao hihaino anao izahay ary hiraharaha ny fangatahanao, dia mila mibodo ny tanàna ianao, mibahana ny arabe, mandroba sy mitoraka fiara fitaterana. Izany ve ilay hoe Fiovana Lehibe atolotr'ilay kandidà Ollanta Humala?[…]miaraka amin'ny antony tsara, maro amintsika no mihevitra angamba fa io maripana mahery setra io izay mifanohitra amin'ny fampiasam-bola manokana dia tohanan'ny governemanta.

Tao amin'ilay bilaogy Gran Combo Club, i  Silvio Rendón koa dia nanakiana [es] ny Filoha Ollanta Humala, fa tamin'ny fijery hafa :

Vamos camino a una dictadura perfecta, o una nueva “superconvivencia”. Ollanta Humala no va a honrar sus promesas de hacerle el pare a las mineras, ni va a hacer nada sobre los abusos contra los trabajadores. Humala hoy es el mismo perro (o gato) del hortelano de antes. Ha dado un golpe blando, un “golpe de timón”. […] Claro, Humala se saldrá con la suya, si la gente le deja. […] Pero si la gente reacciona rápido, y entiende que Humala YA deshonró sus promesas y le saca tarjeta roja rapidito nomás, se podría evitar el hecho consumado. Toledo tuvo que retroceder, García tuvo que retroceder. A Humala no le quedaría otra que retroceder.

Tarihan'ny jadona tanteraka isika, na “fiaraha-miasa goavana” vaovao. Ollanta Humala dia tsy hitàna ny teny nomeny mba hanajanona ireo orinasa mpitrandraka, ary tsy hanao na inona na inona izy amin'ny fanararaotana mihatra amin'ireo mpiasa. Humala ankehitriny dia ilay alikan'ny (na saka) mpitondra taloha. Nanomboka fanovàna moramora izy, “fiovàna lalàna.” […]Azo antoka, Humala dia hiala amin'izany, raha avelan'ny olona.[…]Kanefa raha maneho hevitra haingana ny olona, ary mahazo fa i Humala DIA EFA tsy nahefa ny teny nomeny ary omena karatra mena vetivety dia voasoroka ny “tara loatra”. Efa nihemotra i Toledo, nihemotra koa i Garcia. Tsy manana safidy hafa afa-tsy ny mihemotra i Humala.

Raha ampifandraisina ny fandrotsaham-bato tamin'ny fifidianana farany sy ny fihetsiketseham-panoherana ankehitriny dia nanampy i Rendón:

La gente está harta de que la engañen. […] No importa que algunos, principalmente en Lima, justifiquen y disfracen el desacato del voto popular de “madurez politica” o “aprendizaje democrático”. Se necesita un gobierno que cumpla lo que promete. Los grandes empresarios tendrán que renunciar a algunas explotaciones mineras, como tuvieron que renunciar a privatizar la electricidad de Arequipa. […] Si Humala hace lo mismo que hicieron los gobiernos anteriores, tendrá los mismos resultados que éstos: una sublevación de la ciudadanía. No le aceptarán el desacato al voto ciudadano.

Leon'ny fitapitahana ny olona. […] tsy maninona izay filazan'ny sasany, indrindra ny any Lima, manamarina na manova endrika ny tsy firaharahiana ny safidim-bahoaka amin'ny “fahamatorana politika” na “fianarana demokratika”. Ny ilainay dia ny fitondrana manatanteraka ny nampanantenainy. Mila mampitsahatra ny toeram-pitrandrahana sasany ny mpandraharaha vaventy tahaka ny nitsaharany nivarotra ho an'ny tsy miankina ny herinaratra ao Arequipa. […] Raha hamerina ny nataon'ny teo aloha i Humala dia mitovy ihany ny vokany: fiokoan'olona. Tsy ho eken-dry zareo ny fanaovana tsinontsinona ny safidiny.

Amin'ny fandinihana ny mikasika ny fitrandrahana ao amin'ny orinasan'i Yanacocha , tompon'ilay orinasam-pitrandrahana  Conga ao Cajamarca, Jacqueline Fowks ao Notas desde Lenovo dia namehy [es] ny toeran”ilay orinasa ho eo amin'ny toerana maha be ambo sy maha be fireherehana :

la historia reciente de Yanacocha-Newmont acerca de su relación con las comunidades, en cuando a seguridad y medio ambiente los coloca en la situación que enfrentan hoy: es decir, sus opositores tienen argumentos. Vale recordar que la empresa no reconoce totalmente su responsabilidad por las secuelas del derrame de mercurio en Choropampa o logró arreglos extrajudiciales no proporcionales a la dimensión de la afectación. En cuando a seguridad, un informe del año 2009 evidenció las prácticas ilegales e irregulares de personal de Forza y también de policías remunerados por la empresa, especialmente por lo ocurrido en Combayo. Cuando en 2010 solicité una entrevista para indagar qué prácticas de seguridad habían cambiado a raíz de esa evaluación y las recomendaciones, la empresa se negó a responder sobre el tema.

[in] Ny tantara vao haingana teo amin'ny orinasa Yanacocha-Newmont momba ny fifandraisan'izy ireo tamin'ny fiarahamonina eo amin'ny resaka fandriampahalemana sy ny tontolo iainana no manazava ny zavamisy ankehitriny: izany hoe manana antony anoherana irey mpanohitra. Ilaina ny mampahatsiahy fa nanaiky tanteraka ny andraikiny ilay orinasa amin'ny vokatry ny [es] fiparitahan'ny merkiora tao Choropampa, ary nahazo alalana ” hanonitra ivelan'ny fitsarana” [es] ny orinasa nefa tsy mifanatsahana tamin'ny haben'ny loza izany. Eo amin'ny sehatry ny filaminana, ny fanadihadiana 2009 dia nampiharihary ny omba fanao tsy ara-dalàna sy tsy rariny nataon'ireo Mpitandro ny Filaminana an'olo-tsotra sy ny polisy izay karamain'ireo orinasa , indrindra ny tamin'izay nitranga tao  Combayo. Raha nangataka hifampitafatafa mba hiresahana izay niova noho ny fanombanana sy ny zavatra tokony hotanterahina nivoaka aho tamin'ny 2010 dia nandà tsy hiresaka ny orinasa.

Mandritra izany fotoana izany mbola lavitry ny hivaha ny olana. Ao  Andahuaylas ilay hetsi-panoherana [es] dia mbola mitohy [es] na dia eo aza ny faneken'ireo mpamboly ny hanajanona ny fitakiany, raha nisy loharano maro nilaza ny mety hisian'ny fanararaotana [es] ataon'ireo” vondrona efa tafiditry ny olona voakarama” [es]. Ny mponina ao  Cajamarca dia  mitory[es] ny filoham-paritra ho miantso ny grevy ,  raha toa ny orinasam-pitrandrahana Yanacocha  dia manohy ny mandray  fanakianana [es] mifandraika amin'ny tontolo iainana [es]. Mazava ho azy , tsy mora izany,  araka ny aseho ao amin'ity lahatsary fanadihadiana ity [es] izay ahitana ny depiote Javier Diez mampiseho resaka maro mikasika ny olan'ny fitrandrahana.

sary  Pasantía a Minera Yanacocha, avy aminà mpampiasa Flickr FeFe teo ambany  fanomezan-dalàn'ny Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0) license.
Lahatsoratra orizinaly navoaka tao  amin'ny bilaogy Juan Arellano  ny 14 Novambra  2011 [es].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.