Koety: Fanentanana Amin'ny Lahatsary Mba Hampianarana Ny Olom-pirenena Ny Momba Ny Lalampanorenana

Sary famantarana ny vondrona "Sout Al-Kuwait"

Hanamarihana ny tsingerintaona faha-49 nisian'ny Lalampanorenana Koetiana, nanapa-kevitra ny vondrona mafàna fo vitsivitsy mba hampahatsiahy ny vahoaka ireo votoaty samihafa ao anaty lalampanorenana. Eo ambanin'ny lohahevitra hoe Tadry [ar] (Mba fantatrao va re?), Sout Al-Kuwait (Feon'i Koety) dia namokatra lahatsary enina, maharitra segondra vitsy eo avy, hanazavàna amin'ny vahoaka andalana enina notsongaina avy ao amin'ny lalampanorenana.

Noforonin'andian-jatovo  mafàna fo sy liberaly, taona vitsy lasa izay, ny Sout Al-Kuwait dia mikendry ny hanaitra ny fahatsiarovantena manoloana ny demaokrasia sy ny zon'ny olona tsirairay. Mihaona matetika ilay vondrona ary mifandray amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy mba hanomanany ireo hetsika isan-karazany ikendreny hanatràrana mpihaino maro araka izay tratra sy hanabeazana azy ireny mikasika ny demaokrasia, ny lalampanorenana ary ny zon'ny olona tsirairay. Ny asan'izy ireo dia mitranga indrindra ao anatinà fotoana manana ny toerany izay mampihenjana ny tontolo politika Koetiana satria manohy ny fifanolanany amin'ny Praiminisitra ny Parlemanta.

Tamin'ny 11/11/2011 dia nankalaza ny tsingerintaona faha-49 ‘ny lalampanorenany i Koety izay lalampanorenana voalohany indrindra tany amin'ny faritry ny Golfa, milahatra amin'ny parlemantany izay mpikambana mandra-maty tahaka ny parlemanta voalohany tohanan'ny CCG tamin'ny 1963. [Avy amin'ny mpandika CCG Conseil de coopération du Golfe, na Filankevi-piarahamiasa any amin'ny Golfa]

Ny tarika tsy miankina Sout Al-Kuwait dia niasa tamin'ny famokarana ireto lahatsary manaraka ireto, izay samy nakarina daholo ao amin'ny YouTube, mba hanamarihana ity fotoana ity.

Ny lahatsary voalohany dia manazava ny Andininy faha 29, izay milaza hoe: “Mitovy ny olona rehetra amin'ny maha-olona azy sy amin'ny resaka zon'olombelona ary ny adidy aman'andraikitra manoloana ny lalàna, tsy misy fanavahana ara-poko, na fiaviana, na fiteny , na finoana”

Ny lahatsary faharoa dia mifantoka amin'ny Andininy faha-17, izay milaza hoe: “Tsy azo atao tsinontsinona ny fananam-bahoaka ary andraikitry ny olom-pirenena tsirairay ny fiarovana azy”

Ny fahatelo kosa mikitika ny Andininy faha-33, izay milaza fa : “An'ny isam-batan'olona ny sazy.” Manazava izy io : “Fantatrao moa fa raha mpangalatra ny mpifanolo-bodirindrina aminao, tsy tokony ho ny zanany mihitsy no ndeha hosazianao noho ny heloka vitany.”

Ny Andininy faha-35 dia izay resahan'ny lahatsary faha-efatra. Io dia milaza hoe : “Malalaka ny resaka finoana. Arovan'ny fanjakana ny fahalalahana hiaina ny finoana mifanaraka amin'ny fomba amam-panao efa misy, raha toa izany ka tsy manohintohina ny politika sy ny moralim-bahoaka izany.”

Ny lahatsary fahadimy dia mifantoka amin'ny Andininy faha-44, izay milaza hoe: “Ny tsirairaiy dia manan-jo hanao fivoriana manokana tsy mila fakàna fanomezan-dàlana na fampahafantarana mialoha, ary tsy mahazo manatrika ireny fihaonana manokan'ny olona ireny ny mpitandro filaminana. Azo atao ny fihaonana, fanehoan-kevitra sy  famoriam-bahoaka rehefa mifanaraka amin'ny fepetra sy fomba nofaritan'ny lalàna.”

Ary ny lahatsary farany dia misarika ny saina amin'ny Andininy faha-48 izay mivaky hoe : “Adidy ny fandoavan-ketra sy ireo sara isankarazany natao ho an'ny olon-drehetra mifanaraka amin'ny lalàna izay mandrindra ny fanafoanana ny fandoavana izany ho an'ireo kely fidiram-bola mba hahafahan'izy ireny manana izay farany kely indrindra ho enti-miaina”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.