Ejipta : Fahatsiarovana Ny Faha 40 Taonan'i Papa Shenouda Tao Amin'ny Twitter

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny  Revolisiona ao Ejipta 2011.

Ny Papa  Shenouda III dia nankalaza ny Alatsinainy teo ny faha 40 taona nanendrena azy ho eo amin'ny toerana maha Papa azy ao amin'ny Eglizy Ortodoksa “Copte” ao Ejipta.  Ilay faha 40 taona dia nifanandrify indrindra tamin'ny famaranana ny 40 andro fisaonana taorian'ny  vono olona tao Maspero, izay nahafatesana Ejitiana 27, ny ankabeazan'ireo maty dia Kristiana “Copte” avokoa.

Amin'ny fomba Ejitiana, ny andro faha 40 aorian'ny fahafatesanà olona iray dia tokony ho andro fisaonana, ary izany no antony tsy niandrandràn'ny Ejitiana “Copte” ny Papa Shenouda hoe hankalaza ny fahatsiarovana ny fanendrena azy tamin'ity taona ity.

Naglaa Atef Beshay (@Nanyatef) dia nanoratra mampitaha ireo vaninandro roa :

جاء هذا الاحتفال متزامنا مع الذكري الاربعين ايضا و لكن لاستشهاد شهداء ماسبيو.. و هيهات ما بين هذا “الاربعين” و ذلك!
استشهد قبل حوالي 40 يوما 27 شهيدا في يوم دامي مورست فيه ابشع انواع العنف ضد متظاهرين سلميين خرجو تنديدا بحرق كنيسة.
في الوقت الذي ثار الثوار احتجاجا علي مذبحة ماسبيرو و ادانوا المجلس العسكري بشكل واضح و صريح، استقبل البابا شنودة و المجلس المقدس المدبر و القاتل و المحرض بالابتسامات و الترحيب في صفقة اعتادنا عليها بين السلطة و السلطة، السياسية و الدينية.
Ilay fankalazana dia nifanindran-dalàna taminà fahatsiarovana ny faha 40 hafa iray, fa tamin'ity indray mitoraka ity dia ny faha 40 andro taorian'ny fahafatesan'ireo Maritioran'i Maspero. Ary misy fahasamihafana lehibe tokoa eo amin'ity fahatsiarovana faha 40 ity sy izany.
40 andro lasa izay, maritiora 27 no maty nandatsaka ny ràny tanaty andro izay rehefa nampihàrana herisetra isan'ny henjana ireo mpanao fihetsiketsehana  am-pilaminana nivoaka an-dalàmbe mba haneho ny tsy  hafaliany noho ny fandorana fiangonana iray, izay nitranga vao tsy ela izay.
Niaraka tamin'izay, ireo revolisionera dia naneho mazava sy mahitsy ny tsy fankasitrahany ny famonoan'olona tao Maspero, sy ny SCAF (Supreme Council of Armed Forces) na ny Filankevitra Faratampon'ny Hery Mitam-piadiana, ny Papa Shenouda sy ny Holy Synod (Sinoda Masina) dia nihaona tamin-tsikitsiky tamin'ireo izay nanomana, nitarika ary nanatanteraka ilay famonoana olona, amin'ny fifanarahana izay mahazatra antsika ny mahita azy eo amin'ireo manampahefana roa tonta – dia tsy inona fa ny hery politika sy ny fivavahana.

Nampitahainy tamin'izany ny toerana misy an'i Alaa Abdel-Fattah – mafàna fo izay notànana am-ponja vao haingana- sy ny Fiangonana.

دافع علاء عن مظاهرات المسيحيين ضد عنف و جرائم العسكر و تضامن معهم جسديا و معنويا… بينما عقد المجمع المقدس اجتماعات ودية مع القتلة
Alaa dia nanohana ireo Kristiana mpanao hetsi-panoherana izay manohitra ny herisetra sy ny vono olona ataon'ny miaramila ary nijoro tamim-piraisankina niaraka tamin'izy ireo vatana sy fanahy, raha toa ny Holy Synod (Synoda Masina) etsy an-kilany nanao fihaonana am-pirahalahiana niaraka tamin'ireo mpamono olona.

Tamin'ny fahitàna izany i  Diana sy Mina Zekri dia nanapa-kevitra ny hamorona tenifototra vaovao tao amin'ny Twitter mba hankalazana ny faha 40 taona nanendrena ny Papa tamin'ny fomban'izy ireo manokana.

@minazekri: @_TaMaTeM_ or #40fuckinyears

Natombok'i Diana tamin'ny fanakianana ny fomba fitarihan'ireo mpitarika fivavahana anjambany ny olona hanaraka azy ireo ao Ejypta izany.

@_TaMaTeM_:مشيت شعب كامل وراك زى البهايم بدون تفكير بمبدأ “ابن الطاعة تحل عليه البركة” .. لدرجة اقنعتهم انها ايه فى الانجيل.. و صدقوا
@_TaMaTeM_:  Tarihinareo ny firenena manontolo mba hanaraka anareo tsy am-peritreretana, amin'ny fampiasana ny teny hoe “Ho tahiana izay zanaka mpankato” …resenareo lahatra mihitsy aza izy ireo hoe andinin-tsoratra ao anaty Baiboly io…ary mino anareo izy ireo. #40fuckinyears

Ny lalàna Ejiptiana dia mahasarotra ny fananganana fiangonana vaovao ho an'ireo Kristiana, ary izany no antony anaovan'ny olona sasany antso avo ho amin'ny lalàna iraisana ahafahana manangana toeram-pivavahana ho an'ny antokom-pinoana rehetra. Kanefa araka ny hevitr'i RunGeo, ny Papa Shenouda dia manana hevitra hafa mihitsy.

@RunGeo: ولما نقول قانون دور عبادة موحد،تقولوا لأ عشان الطوايف التانية ماتبنيش على كيفها وتتساوى بالأرثوذكس، أبو أم كده
@RunGeo Isaky ny mangataka lalàna iraisana ho an'ny toerana fivavahana izahay, dia lavinao hatrany fa hoe ny sekta Kristiana hafa dia tsy afaka ny hanorina fiangonana maro toy ny an'ny Ortodoksa. Oadray lety eee ! #40fuckinyears.

Mina Zekri dia nanampy fa ny toetsaina misalobona sy ny fankahalàna lalina ny fivavahana hafa ary ny sekta nandritra ny vanim-potoanan'ny Papa dia niakatra be. Notohizany ny fanazavany tamin'i Rehab Bassam (@hadouta) momba ny zavatra tiany ho lazaina

@minazekri: @hadouta انا اتعلمت في مدارس الأحد وانا في إعدادي أني ما اصاحبش مسلمين وبأدلة من الكتاب المقدس 😀
@minazekri :  @hadouta Ny nianarako tany amin'ny Sekoly Alahady sy tany amin'ny sekoly ambaratonga fototra dia ny hoe tsy azo atao ny minamana amin'ny Silamo, dia nanome porofo avy ao amin'ny soratra masina [ny mpampianatro] ahy.

Nany Atef dia nitovy hevitra tamin'i Mina momba ny Sekoly Alahady[Ar].

Rehefa tonga teo amin'ny andraikitra ara-politikan'ny Papa sy ny fifandraisany amin'ny fitondrana, Hany George dia nanoratra fa  tsy mankasitraka ilay hetsi-panoherana tao Maspero ny Papa. Wael El-Moghany dia nanoritsoritra ny vanim-potoanan'ny  Papa  Shenoda ho 40 taona nifanarahana tamin'ny fitondrana ary i  Mina Samir dia nanakiana ny fitongilanan'i Papa amin'ny “Copte” mba ho voaaron'ny politikan'ny fitondrana sy ny polisy toy izay  harovan'ny fitiavan'ny mponina manodidina azy ireo.

Ary i  Mina Zekri nampahatsiahy antsika hoe :

@minazekri: قداسته سنة ٢٠٠٩ اعلن تأييده لجمال مبارك فى سباق الرئاسة، وقال أنه أفضل مرشح لخلافة والده رغم انه لم يترشح اصلا
@minazekri :  Ny taona 2009, ny Ray Masina dia nanambara ny fanohanany an'i  Gamal Mubarak tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ary nilaza fa izy no mpandova tsara indrindra ny rainy, na dia tsy mbola nilatsaka ho filoha akory aza izy.

Michael Makary nanampy hoe :

@iMakary: #40FuckinYears tsy nampakarana fitsarana ny olona izay namono tsy ampisalasalana ireo kristiana #fact

Zekri dia nanamarika fa ny ankamaroan'ireo nandray anjara tao amin'ilay tenifototra dia Kristiana avokoa, koa dia niantso ireo Silano izy handray anjara ihany koa [Ar].  Ary i Mahmoud Kassem dia nampitaha ny foto-kevitry ny fiangonana “Copte” amin'ny an'ireo” Salafista

@Ma7moudkassem: نفس المعركه الفارغه مع الانجليين هي نفس المعركه الفارغه بين السلفيين و الصوفيين والشيعه معاده كل ما هو مخالف و تكفيره
@Ma7moudkassem :  ny adiny nifanaovana tamin'ireo Evanjelistra dia mitovy amin'ny an'ny “Salafista” tamin'ireo Soufis sy Shiaa.  Izay nijoro nanohitra zavatra hafa ary niantso azy hoe tsy mpino. #40fuckinyears

Mohamed Foudadia dia nitondra ny anjara birikiny tamin'ilay tenifototra :

@mohamedfouda :  Tokony ho haintsika fa tsy misy olona tsy azo kianina izany na dia ireo milaza ny tenany ho mpitondra fivavahana aza, satria tsy misy olona masina #40FuckinYears #Salafis

Farany,  Dalia Ezzat niantso ilay izy hoe “faharisihana mahagaga avy aminà Copte Ejiptiana sasany manakiana ny mpitondra fivavahan'izy ireo”, raha toa i Sotsoy – toy ireo mpampiasa maro hafa – ka nahita izany ho manafintohina. Peter Gamil dia nilaza fa manohitra ny fankalazana ny fanendrena izy amin'izao fotoana izao, kanefa koa tsy mankasitraka ny fomba fanakianan'ny olona ny Papa ao amin'ilay tenifototra. Nanampy koa izy hoe ny Papa dia tsy manadino ireo maritioran'i Maspero, kanefa amin'ny fomba amam-panao Kristiana dia tokony hifaly ry zareo ny amin'ireo maritiora ary hankalaza ny naha-maritiora azy ireo fa tsy hisaona izany . Beshoy Naeem dia niantso izany hoe “fihatsarambelatsihy sosialy” ary Fadi Mckean dia mahita fa fomba iray io hanehoan'ny Kristiana sasany fa laika izy ireo.

@fadimck: الهاشتاج ده ابسط مثال لناس مسيحين بيمثلوا انهم علمانين و علشان يثبتوا ده هاتك شتيمة متدنية في البابا ، بطلوا دين ام التمثيل
@fadimck :  ity tenifototra ity dia ohatra tsotsotra ny amin'ireo Kristiana sasany izay mitondra tena ho laika ary hanaporofoany fa maniratsira ny Papa izy ireo. Mipetraha tsara.

Ary i  Heba Khafagy dia nanampy hoe:

@HebaKhafagy79 :  #40FuckinYears Tena tsapako fa ity tenifototra ity dia tsy noheritreretina ho amin'ny hoe …azafady rey olona mba manehoa fanajàna…..kiano fa izaho dia tsy maintsy manisy andalana iray ho faniratsiràna.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Revolisiona ao Ejypta 2011.

Nesoriko ny tenifototra sasany tamin'ireo bitsika voalaza etsy ambony mba hahafahanao mamaky tsara. Ary koa ny ankabeazan'ireo rohy etsy ambony dia mankamin'ny bitsika amin'ny teny Arabo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.