Arabia Saodita: Hatezerana Noho Ny Kàpoka 10 Ho Anà Vehivavy Namily Fiara

Enim-bolana lasa izay, nitondra ny fiarany teny an-dàlambe iray tao Jeddah i Shaima Jastaniya talohan'ny nanakanan'ny polisy azy. Tamin'ny Septambra, voasazy handray vely karavasy 10 i Jastaniya noho izy nankahatra ny fandraràna tsy hamily fiara nefa andro vitsy taty aoriana, niparitaka ny vaovao fa nahazo famelàna avy amin'ny mpanjaka Saodiana izy tenany mihitsy izy.

Nandritra ny fanadihadiana azy, nilaza izy fa nitondra ny fiarany satria tsy nanana fomba na fitaovana fitaterana hafa nefa nila mamonjy toeram-pitsaboana. Tao anatin'ny 48 ora, ireo Saodiana mandefa siokantsera dia nanamafy fa  naharay ny didy manasazy azy kapoka ihany avy amin'ny fitsaràna i Jastaniya ary manana 30 andro hanaovana fampakàrana. Tsy mba toy ny vehivavy hafa namily fiara tao Arabia Saodita, tahaka an-dry  Manal Al-Sharif sy Najlaa Hariri, tsy mba nandrakitra an-dahatsary ny tenany i Jastaniya rehefa namily fiara ka hoe nampakatra izany tao anaty aterineto.

Akory ny haben'ny hatairan'ireo Saodiana raha ny marina tamin'ny namoahana antontan-taratsy nalefan'ny fitsarana ho an'ny gazety Al-Watan mampiantso vehivavy roa mpanao gazety hiseho fitsarana noho ny lahatsoratra mitatitra vaovao momba ilay sazy kapoka karavasy voarain'i Jastaniya roa volana lasa izay. Tsy izay ireo vehivavy roa mpanao gazety ireo fa i Nissrin Najm Al-Din sy Samya Al-Essa ary eto ny  rohy iray mankany amin'ny tantara nosoratan-dry zareo mikasika ilay fikapohana, izay itanisan-dry zareo ireo taratasy voalohany misy ny anaran'i Jastaniya.

Sary h fanaingoana nataon'ilay Emirati Wafa Al Marzouqi ho fanohanana an'ilay Fanentanana Saodiana, "Women to Drive" na "Vehivavy Hamily". Ny soratra dia mivaky hoe: Manan-jo hamily fiara aho.

Ao amin'ny Twitter, ilay Saodiana Fahad (@Solidus_Fahad) dia tezitra noho ilay vaovao. Hoy izy nibitsika:

@Solidus_Fahad: Raha toa ny vehivavy iray azo saziana kapoka noho ny fitondràny fiara fotsiny dia alaivo an-tsaina ny mety hahazo azy raha midradradradra mafy mamoaka ny heviny izy?!

@Solidus_Fahad: Vehivavy Saodiana iray manana hetahetam-pivoarana mafy no ho karavasiana imasom-bahoaka noho ny resa-pinoana sy ny fanjakan-dehilahy! Noho ny familiana fiara!

Avy ao Jeddah, Noha Aldhahri (@MsNohaAldhahri) dia nandefa siokantsera momba ireo vehivavy roa mpanao gazety nampanantsoin'ny fitsarana. Nanoratra izy :

@MsNohaAldhahri: Ny Ministera #Saodiana misahana ny Fifandraisana dia manenjika eny amin'ny fitsarana #mpanadihady roa izay noho ny fitaterany ny raharaha #Shaima #lashing

Waleed Abu Alkhair (@abualkhair), Saodiana mafàna fo mpiaro ny zon'olombelona izay nentina teny anatrehan'ny fitsaràna tamin'ny Septambra teo, dia nampakatra ilay taratasy nitete izay nampiantso ireo mpanao fanadihadiana roa ho any amin'ny fitsarana :

@abualkhair: Ilay taratasy avy amin'ny Ministera #Saodiana [momba] Fifandraisana Manenjika Mpanao Fanadihadiana 2 noho ny famoahana ny raharaha fikaravasiana an'i #Shaima http://twitpic.com/7dzqgi

Avy any Riyadh, (@Anwaar33) no nanakiana izay faritany ho  toy ny kolikoly ao anatin'ny rafitra ao Arabia Saodita [ar]:

في السعودية فقط تجلد فتاة لأنها ركبت مركبتها لقصد حاجتها بينما سارقوا المليارات لأمانة جده في قصورهم معززين
@Anwaar33: Ao Arabia Saodita irery no misy an'izany hoe vehivavy mahazo kapoka noho ny familiana fiara vokatry ny vonjy taitra izany raha toa kosa ireo nangalatra vola an-davitrisa tamin'i Jeddah dia miaina finaritra any anatin'ny lapan-dry sy hajaina fatratra.

Metisy Saodiana-Amerikana iray mitondra solonanarana hoe  (@Ana3rabeya) no niresaka ny Printsy vavy Amira Al-Taweel, vadin'ny Printsy Waleed Bin Talal, izay nandefa siokantsera tamin'ny roa volana lasa nilaza fa nofaàna ny sazin'i Shaima :

@Ana3rabeya: Fictional TruthSeeker: “Nisy ,  sa Tsia, ny famelaàna avy amin'ny Mpanjaka ho an'i #Shaima Lashing Sentence?”, Ameerah Al-Taweel: *Crickets*.

Ilay bilaogera Majed Al-Enizi (@QMajed) dia nanakiana ny lalàna ao Arabia Saodita [ar]:

يحق للمواطن أن يقرأ دستوراً صريحا بلائحة المسموح والممنوع بدلاً من الإعتماد على الحظ في تحديد نوع العقوبة التي سيواجهها
@QMajed: Ny olom-pirenena iray dia manan-jo hamaky ny lalam-panorenana izay milaza mazava ny azo atao sy ny voaràra fa tsy hifidifidy anjambany fotsiny ny sazy hatolotra.

Hala Khalaf (@tbaish) koa dia nanairy hahita fanovàna. Nanoratra izy [ar]:

بعد صدور حكم الجلد على شيماء، أتسائل متى سيتم السماح لطلاب القانون بدخول السلك القضائي وعدم احتكاره على ذوي اللحى
@tbaish: Taorian'ny fanapahan-kevitra hampikapoka an'i Shaima, manontany tena aho hoe rahoviana no ho avelan-dry zareo ho tonga mpitsara ireo mpianatra lalàna fa tsy hogiazany samirery  fotsiny ho an'ireo ‘lava somotra’.

Farah Al Ibrahim (@farah_alibrahim), vehivavy mpampiasa Twitter monina any Dubai, UAE, dia nanoratra hoe [ar] :

خلوها تضحي و تنجلد، يمكن جلدها يصحي فينا شي .. وما أبي أضيف أكثر أخاف انجلد انا بعد
@farah_alibrahim: Avelao izy ho sorona sy hokapohana, angamba ny fikapohana azy no hampifoha antsika.. Tsy te-hanampy zavatra betsaka aho, satria matahotra sao hahazo kapoka eo koa!

Maro ireo mpampiasa Twitter, indrindra fa ireo manoratra amin'ny alalan'ny solonanarana, no nitehaka an'io fanapahan-kevitra io nilaza fa na iza na iza mandika lalàna dia tsy maintsy saziana. Ny hafa nanararaotra ilay zava-mitranga mba hitorohana ireo  “liberaly” sy ireo mikatsaka fiovàna ao amin'ny Fanjakàna. Ity mpampiasa Twitter ity dia nampiasa ny  karatry ny fanavakavahana ireo vehivavy mafàna fo [ar]:

منال الشريف اصولها مو سعوديه وشيماء كذلك الدليل ابي اشوف واسمع بنت حموله واصل وجذور سعوديه تسوق؟ كان جلدها ابوها قبل الحكومة
@ro7_aleslam: Manal Al-Sharif dia tsy manam-piaviana Saodiana ary toy izany koa i Shaima. Porofon'izany ny hoe tsy misy vehivavy,na iray aza, avy amin'ireo tena manana fototra Saodiana marina no handeha hamily ny fiarany satria dia hikapoka azy ny rainy alohan'ny an'ny governemanta

Abdullatif Mohammad (@AboLa6eef) dia nitaraina momba ireo siokantsera manohana an'i Jastaniya, ilazàny fa mendrika azy ny saziny [ar]:

ي هوو ي عالم أزعجتونا بشيماء حقتكم ذي هي خالفت القانون ولازم تتعاقب بسكم هياط و كلام فاضي
@AboLa6eef: Mandreraka ahy ianareo ry zalahy amin'ity Shaima-nareo ity. Nandika ny lalàna izy ary mila saziana. Atsaharo ny resa-poana!

Nampiany hoe :

عزيزتي البنت اذا تبغين تسوقين اطلعي برا السعوديه قسسسسم بالله مو ممنوع يعني عندك كل دول العالم هنا مافي سواقه أفهموا عااد
@AboLa6eef: Ry Sipa akama, raha te-hamily fiara ianao, mialà eto Arabia Saodita ka mandehana any amin'izay tsy mandràra izany, manana izao tontolo izao ianao, fa eto aloha tsy azonao hamiliana. Tadidio izay!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.