India: Ny Zanak'i Aishwarya Rai Sy Ny Hadalan'ny Haino Aman-jery

Nampangaina efa hatry ny ela ny haino aman-jery Indiana amin'ny fampiasana teny fanatsarana loatra rehefa mitatitra momba ireo olo-malaza. Ny vaovao farany tena mafana eo amin'ny haino aman-jery amin’ izao dia mikasika ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika iray bevohoka dia i Aishwarya Rai Bachchan sy ny fahaterahany efa antomotra.

Miely mihitsy ny tsaho fa hoe hiatrika fandidiana i Aishwarya mba hiterahany ny zanany voalohany amin'ny andron'ny11/11/11. Raha ny filazan'ireo mpiloka dia maherin'ny 1,5 lavitrisa Ropia Indiana ny vola mihodina mikasika ny amin'ny hahaterahan'i Aishwarya Rai  amin'ny 11/11/11 na tsia. Namoaka fepetra ihany tamin'ny farany ny The Broadcast Editors Association handraràna ireo fantson'ny fahitalavitra amin'ny fandrakofana mivatravatra ny fahaterahan'ny zanak'i Bachchan..

Hoy ny rafozan-dahin'i Aishwarya, sangany ao Bollywood, i Amitabh Bachchan, nandefa siokantsera hoe :

SrBachchan: T 555 -Nahazo hafatra fiarahabana tamin'ny niterahan'i Aishwarya lahikely!!!Hevero hoe ry zareo aza mahafantatra kokoa noho izy!! Vaovao diso sady tsy mitombina.

Aishwarya Rai in a poster. Image by Flickr user Melanie M. Used under a CC BY License.

Aishwarya Rai eo anaty sary lehibe iray. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Melanie M. Ampiasàna ny CC BY License.

Ireto misy siokantsera vitsivitsy avy amin'ny hadalan'ny haino aman-jery :

cricketwallah: Ny toeran'ny Firenena: Eo am-piandrasana fatratra an'ity zaza voalohany aterak'i  Aishwarya Rai ity sy ny taonjato fahazaton'i Sachin Tendulkar i Inde.

@comicology: Mizara azy ity amin'ny fomba mampihomehy koa ny pejin'ny sary miainan'i Satish Acharya nalaina tao amin'ny Mass Media Attention mikasika ny fotoana nampihetsi-jaza an'i Aishwarya Rai !… http://fb.me/IEvNy482

@nandukarekar: Mangataka ny tombontsoa avy amin'ny rainy angaha ny Fahitalavitra, ny Aterineto, ny trano fanontana sns sns amin'ny zanak'i Aishwarya. Nanao tolotra tamin'ny fianakaviana angaha izy ireo mba hahafahana manana zo manokana amin'ny vaovao ?

@jhunjhunwala: Fotoana izao ho an'i Aishwarya Rai  hamenoana ny taratasy fanakanana ny fahitalavitra Indiana. Lazain'ireo bandy ireo ihany koa fa toy ny fahaterahan'i Jesoa ny an'ity zaza ity.

@Terracedrinking: fa maninona ny haino aman-jery no manao toy ireny vehivavy bevohoka ireny. Ho fantatr'izao tontolo izao ihany rehefa teraka ny zanak'i aishwarya

@JiGoswami: Misy tombontsoa nasionaly ve ny zanak'i Aishwarya Rai, betsaka ireo zaza teraka isan'andro, fa maninona no any no tena mandeha. Mifohaza ry Inde, ny tsaratsara kokoa jerena.

Voatarika tanaty fifandrohitan-kevitra ilay Bangladeshi mpanoratra nitsoa-ponenana iray, i Taslima Nasrin raha nilaza izy fa naniry hoe mba ho vavy no aterak'i Aishwarya :

@taslimanasreen: Tiako i Aishwarya Rai. Fa rehefa niteny aho hoe ‘Tiako raha vavy no aterany ‘, dia nanontany ahy ny olona hoe, ‘Fa maninona ianao no tsy tia an'i Aishwarya?’

@taslimanasreen: Ny olona sasany aza dia niala tsy manaraka ahy satria aho maniry zazavavy ho an'i Aishwarya. Dika Twitter mikasika ny zazarano vavy!

Maneho fironana samihafa be mihitsy amin'ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ny fihetseham-po manohitra azy. Bebe kokoa ny vintana raha ny tahan'ny mpiloka mba ho zazalahy :

@vaidehisachin: Nakarina ho Ropia 8,500 ny taha miohatra ny Ropia 1,000 raha vavy no aterak'i Aishwarya ary Ropia 1,200 miohatra ny Ropia 1,000 kosa raha lahy no aterany.

Na ny haino aman-jery aza dia nanampy sira tamin'ity fifanoheran-kevitra ity :

kausikdatta22: nandefa fiteny i W, @ZeeNews milaza ny tsy fifankahazoan-keviny mikasika ny tsikeran'i @TaslimaNasreen izay manantena vavy ho an'i Aish! http://t.co/RCiYHH57 #FAIL

Nalaky be ihany koa ny mpampiasa Twitter nandray anjara tamin'ilay adihevitra :

Nanha_kabootar: raha lahy ny zanak'i #aish, dia ho ampangain’ ny taslima nasreen  ny bachan fa mpanohitra ny vehivavy ary manohana ny fibahanan'ny lahy

@Srehari4u: Inona moa no olana raha miteraka i Aishwarya na tsia. Mbola misy zazakely hafa koa eo. Resa-be tsy mitondra vokatsoa.. .

@amitjain123: Fa maniona moa i Taslima Nasreen no tena miseho mitsikera loatra ny fiainan'ny olona hafa e.. indrindra fa ny tontolon'ny glamour? Hoatry ny vao nahita olo-malaza izy.

@anjanpmandal: @taslimanasreen Mpankafy an'i #Aishwarya aho ary tiako raha vavy ny zanany.. Ny vavy ihany no afaka mitondra ny hatsarany sy ny fahaizany mihetsika avy amin'ny rany. 🙂

Ao anatinàtafatafa iray dia manazava i Taslima hoe inona no antony haniriany vavy ho an'i Aishwarya – “ny anànana zanaka vavy no afaka mandrisika ireo fianakaviana an-tapitrisany maro tsy hamono ireo zanany vavy mbola any am-bohoka”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.