Però : Ny Grevin'ny Tantsaha Ao Andahuaylas

Ny Talata, 8 Novambra, dia niditra ny andro faha enina amin'ny grevin'ny tantsaha manohitra ny lahasa fitrandrahana ao amin'ny faritr'i Andahuaylas, ao Apurímac, Però. Ny Alakamisy, 3 Novambra, ny fikambanan'ny mpampiasa rano sy ireo  faritra ao  Andahuaylas ary  Chincheros dia nanambara [es] ny fanombohan'ilay grevy tsy manam-petra, mitaky ny fanakatonana ny ozinina fikirakirana varahina roa ao Huaraccopata sy Tocctopata sy ny fitakiana ho laharam-pahamehana ny fikarakarana ny dobo, dobo kely, ny loharano ary ny tany mando voaloton'ny asa fitrandrahana.

Nisy ny fivoriana fitadiavana marimaritra iraisana teo amin'ny solontenan'ny mpanjifa (JUDRA) sy ny governemanta rezionaly Apurímac ny Zoma, 4 Novambra, mba hijerena ny fanapahan-kevitra horaisina saingy tsy nisy vahaolana nahomby. Mpisera Twitter Angel Ccorisapra (@angelitucha) milazalaza ny antsipiriany :

Angelitucha: Los representantes de JUDRA estan en pleno dialogo sobre el caso de la minería.

Angelitucha :  Ao anaty fifanakalozan-kevitra tanteraka ny solontenan'ny JUDRA momba ny fitrandrahana amin'izao fotoana izao.

Angelitucha: Suspenden todo tipo de minería en la Provincia de Andahuaylas segun una resolucion del gobierno regional.

Angelitucha :  Ny karazanà fitrandrahana rehetra dia naato tao amin'ny faritr'i Andahuaylas araka ny fanapaha-kevitra noraisin'ny governemanta rezionaly.

Angelitucha: Los representates de JUDRA continuan con la huelga, solicitan la modificación de la resolucion emitida por el gobierno regional.

Angelitucha : Ireo Solontenan'ny JUDRA dia manohy ilay grevy, notakian'izy ireo ny fanitsiana ilay fanapahan-kevitry ny governemanta rezionaly.

Mbola voabahana [es]teo amin'ny kilometatra faha-12 teo Ny Sabotsy, 5 Novambra, ny araben'i Andahuaylas – Abancay, tao amin'ny faritra izay antsoina hoe Ramal, “Pacucha” iray ao amin'ny fokonolon'i Champaccocha ao amin'ny distrikan'ny San Jerónimo, samy tsy tonga any amin'izay alehany ny fiara mampitohy an'i Cusco sy Abancay. Ilay mpisera Twitter Yesenia (@yegris21) dia nizara tamim-panahiana ny hafatr'ilay namany mikasika ireo olana sasany izay mitranga teo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ireo mpiasa mpitatitra vokatr'ilay grevy :

@zezzzar EN SAN JERONIMO, ANDAHUAYLAS , LOS HUELGUISTAS ESTAN BAJANDO A LA GENTE DE LOS BUSES QUE VAN A LIMA, PARA GOLPEARLOS Y MI HERMANA

@zezzzar TANY SAN JERONIMO, ANDAHUAYLAS , NAMPIDININ'NY MPANAO FIHETSIKETSEHANA NY MPANDEHA BUS MBAMIN'NY RAHAVAVIKO DIA DAROHAN-DRY ZAREO
Fair in Andahuaylas. Image by Flickr user Anabelle Handdoek, under an Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-NC-SA 2.0) license

Foara tao Andahuaylas. Sary avy aminà mpampiasa Flickr Anabelle Handdoek, teo ambany fanomezan-dalana iray Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-NC-SA 2.0) license

Ny Alahady, 6 Novambra, naato ny asa fivarotana fanao amin'ny Foara Alahady ho fitandroana ny filaminana sady voabahaka koa ny arabe, ka manakana ny fahatongavan'ny vokatra ao amin ‘ilay foara. Nisy olana koa atao afovon-tananan'ny renivohitr'i Andahuaylas.

Fernando Zuzunaga, a, à ce sujet  (@ratchus) diffusé quelques nouvelles  qui lui sont arrivées de cette ville.

Fernando Zuzunaga (@ratchus)  nizara vaovao vitsivitsy  voarainy tao amin'io tanàna io :

@ratchus: En Andahuaylas han incendiado un Bus de pasajeros, han tomado las calles, no hay negocios, el mercado hoy casi fue saqueado.

@ratchus :   Tao Andahuaylas nodoron'izy ireo ny fiara fitateram-bahoaka, nobodoin'izy ireo ny lalana, tsy misy fifanarahana azo atao, simba avokoa ny varotra androany.

@ratchus: La población rural de Andahuaylas ha tomado el centro de la ciudad, están protestando contra los estragos que está causando la minería.

@ratchus : Nobodoin'ny tambanivohitr'i Andahuaylas ny renivohitra, manohitra ny voka-dratsin'ny fitrandrahana izy ireo.

@ratchus: Un mototaxista que estaba trabajando fue detenido y lo agarraron a latigazos, hay violencia en Andahuaylas.

@ratchus : Mpitondra “mototaxi” iray teo ampanaovana ny asany no nosamboriny sy nodarohany, misy ny herisetra ao Andahuaylas.

@ratchus: Hace dos días las autoridades intentaron negociar el cese de las protestas en Andahuaylas, solo consiguieron q se radicalicen las acciones.

@ratchus : Nanao izay nifampiraharahana tamin'ny fampitsaharana ilay hetsi-panoherana ireo manampahefana tao Andahuaylas roa andro lasa izay, nanao izay naharatsy kokoa ny toe-draharaha no vitan'izy ireo.

Tamin'ny fotoana izay nanehoan'i  @Apu _Rimak  ny heviny mikasika ilay grevy :

@Apu_Rimak: No creo q a la prensa le interese q hoy domingo cuarto día de paro en Andahuaylas, la feria dominical no se haya llevado a cabo.

@Apu_Rimak Mihevitra aho fa tsy raharahian'ny haino aman-jery ilay izy, andro fahaefatra tamin'ilay grevy tao Andahuaylas androany, tsy nisy ny fety Alahady.

@Apu_Rimak: Esperemos que la sangre no llegue al río mañana entre el JUDRA y los “mineros artesanales” de Huancabamba – Andahuaylas – Apurímac

@Apu_Rimak :  Manantena izahay fa tsy hisy ny rà latsaka eo amin'ny JUDRA sy ireo “mpitrandraka mpiasa tena ”ao  Huancabamba – Andahuaylas – Apurímac rahampitso

Ny Alatsinainy, 7 Novambra, mbola tsy niova ny toe-draharaha, taminà fanadihadiana [es] (lahatsary) no nahafantaranay fa nisy mpivarotra mihoatra ny 5 arivo voakasika mivantana tamin'ilay fanapahan-kevitra noraisina ary nantsoina hitokona ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny Sendikan'ny mpiasan'ny fanabeazana (SUTE), toy izany koa ireo any amin'ny sehatra maro hafa[es] izay nahavita nampiditra tao amin'ny fitakian'izy ireo ny ny fanesorana ireo orinasa vaventy mpitarandraka izay tokony hampitsahatra ny fitrandrahan'izy ireo, toy ny ARES SAC sy Apurímac Ferrum, ary ireo maro hafa.

Ny vokany hafa naterak'ilay grevy [es] dia ny fampitsaharana ny fandehanana an-tsekoly, araka ny fanadihadiana [es], “Hiarovana ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsain'ny ankizy sy ny tanora ato amin'ny faritra.” Manaraka izany, ilay grevy sy ny fibahanana ny arabe dia nanomboka niantraika [es] tany an-tsenan'i Abancay, fa tsapan'ny isan-tokantrano ny tsy fisian'ny enta-madinika intsony.
Ireo mpitokona dia nangataka [es] ny hisian'ny Vaomiera Manokana mba hiresahana ny momba ny rano sy fitrandrahana ao amin'ny fari-piadidiana iandraiketany satria tsy nahafapo azy ireo ny fanapahan-kevitry ny governemanta rezionaly [es]. Momba izany indrindra, nambara fa [es] ny Ministeran'ny Fambolena dia hihaona amin'ny Fikambanan'ny Mpamboly Nasionaly mba hiresaka momba io raharaha io.

Alejandro, avy ao amin'ilay bilaogy Inquietud Chanka, dia namoaka lahatsoratra antsoina hoe  “Ny fisainan'ny any Ambanivohitra” [es], izay nanambarany fa ny tolona ataon'ny tantsaha dia tolona ho amin'ny tombontsoan'ny rehetra, satria“ny resaka fandotoana ny tontolo iainana dia tsy olan'ny olona any ambanivohitra irery, fa olana ankapobeny.”

Desde hace cuatro días, campesinos de diferentes puntos de la provincia ocuparon la ciudad de Andahuaylas con el único propósito de hacer valer sus derechos, derechos que en verdad, también es de la zona urbana, pero la gente de la ciudad, llamémoslo por conveniencia o cobardía no son participes de esta lucha.

Yo estoy de acuerdo con una minera formal, que la explotación sea de manera más razonable y pensada, ¿pero quienes están capacitados para desarrollar este tipo de minería? Piensen. Solamente las transnacionales. Es decir, las empresas extranjeras. Las leyes nuestras en torno a la minería están hechas a la medida de ellos. ¿Y qué hay con los artesanos, con estos que llamamos informales?, pues, hacen lo que pueden, con tal de sacar ventaja individual, no les interesa ni siquiera el prójimo, mucho menos el medio ambiente. Pero tampoco la vida del peruano interesa al foráneo.

Los campesinos piden que el gobierno regional solucione sus petitorios, entre ellos el retiro de los mineros que solo dejan contaminación del agua y aire. Pero yo digo que el problema no es del gobierno regional, es del gobierno nacional. Es el ejecutivo que debe empezar a tomar las medidas a favor de la población.

Nandritra ny efatra andro, mpamboly avy amin'ny faritra maro no nibodo ny tanànan'i Andahuaylas mba hijoroana amin'ny fangatahana ny zon'izy ireo, zo izay raha ny tena marina, dia zon'ny mponina avy ao an-drenivohitra ihany koa, kanefa ny mponina ao an-drenivohitra, noho ny hakamoana na ny hakanosana, dia tsy mba nandray anjara tamin'ilay grevy.

Mankasitraka ny fitrandrahana manara-penitra aho, izay ahitana fomba fitrandrahana ho entina ampanajana sy ampisainana kokoa, kanefa iza no nomena fihofanana manokana hampanjary izany karazàna fitrandrahana izany? Eritrereto. Ny mpamatsy vola iraisam-pirenena irery. Izay, orinasa avy any ivelany. Ny lalàna momba ny fitrandrahana dia namboarina mba ho mety amin'izy ireo. Dia ahoana izany ny momba ireo mpiasa tena, ilay antsointsika hoe tsy manara-dalàna ?, Manao izay ho afany izy ireo, mba hahazoany tombontsoa amin'izay ataony, tsy miraharaha ny hafa ary indrindra ny ny tontolo iainana. Kanefa tsy miraharaha ny fiainan'ny Peroviana mihitsy koa ny vahiny.

Mitaky amin'ny governemanta rezionaly ny tantsaha mba hitady vahaolana amin'ny fangatahan'izy ireo, indrindra ny hialan'ireo mpitrandraka izay tsy mitondra afa tsy fahalotoana ho an'ny rano sy ny rivotra. Kanefa milaza aho fa tsy olan'ny governemanta rezionaly izany, fa olan'ny governemanta nasionaly. Ny fahefana mpanantanteraka mihitsy no tokony handray fanapahan-kevitra voalohany ho fitsinjovana ny mponina.

Misy ny fanahiana [es] fa ny tsy hisy ny vahaolana malaky amin'io olana io ary ahiana hihamafy kokoa ny grevy ao anatin'ny andro vitsivitsy. Ho an'ny governemanta izay niresaka be momba ny fampivondronana araka izay tratra ny saranga sy ny fanomezana vahana ny vitsy an'isa, dia karazana fitsapana ilay izy. Na dia izany aza tsy vao izay vao nisy izany: misy tranga hafa koa mifandraika amin'ny resaka fitrandrahana sy fandotoana ny tontolo iainana, toy ny tetikasam-pitrandrahana Conga tao Cajamarca, ary efa manakaikyny hipoaka ihany koa ary hampitombo ho azy ny korontana ara-tsosialy. Mbola hampahafantarinay anareo eny ihany.

Ny lahatsoratra nadika voalohany dia nivoaka tao amin'ny Globalizado [es], bilaogy manokan'i Juan Arellano, ny 6 Novambra 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.