Tonizia : Noravan'ny Polisy Tamin-kerisetra Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Manohitra Ny Kapitalisma

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ny  Revolisiona ao Tonizia  2011.

Niainga avy amin'ny fahitàna ireo hetsika fibodoana misy manerana izao tontolo izao, indrindra ny fibodoana ny “Wall Street”, teo ambany aloky ny hetsika manerantany Occupy the World na Bodoy Izao Tontolo izao ny  11.11.11, dia mpanao hetsi-panoherana an-jatony no nilanjalanja sora-baventy manohitra ny kapitalisma nentina teny an-dalàmbe mba hameno an'i Tunis #occupytunis

#OccupyTunis dia natao teo amin'ny kianjan'ny zon'olombelona teo amin'ny lalàm-be iray ao an-drenivohitr'i Tunis, izay ahitàna ireo sampan-draharaha ara-bola sy ireo banky mifanitsa-kitro

Ireo mpanao hetsi-panoherana tao an-drenivohitr'i Tunis. Sary avy amin'i Nacer Talel nozaraina tao amin'ny pejiny Facebook

Fivoriana kely tao amin'ny faritra amorontsirak'i Sousse. Sary nozaraina tao amin'ny pejy Facebook Moujanadine men ajli tounes

Djerba, ao Atsimon'i Tonizia, sy Sousse faritra amorontsiraka koa dia nahitàna hetsi-panoherana manohitra ny kapitalisma. Fa ny hetsi-panoherana izay nitranga tao an-drenivohitr'i Tunis, no nahasarika indrindra, satria izy io no lehibe indrindra, ary niafara tamin'ny herisetran'ny polisy.

Amazigh Forever mandefa bitsika hoe :

#occupyTunis : Nisy hetsi-panoherana natao tao Tunis sy Djerba, mba hampahatsiahivana fa tsy ny ara-politika ihany no fahavalon'ny fahafahana fa ny ara-toekarena ihany koa.

“Tsia mila Kapitalisma” , “Fanoherana Izao” , “Miala ny IMF” ary ” Marina ny an'i Marx” no isan'ny sora-baventy nolanjalanjain'ireo mpanao hetsi-panoherana.

Ity lahatsary YouTube manaraka ity dia mampiseho ireo mpanao hetsi-panoherana nanao diabe tao afovoan-tanànan'i Tunis talohan'ny nahatongavan'izy ireo tao amin'ny kianja izay niangonan'izy ireo avy eo, niara-nihika hoe “Mitaky ny fanafoanana ny fitrosana ny vahoaka,” mantsy ny trosan'i Tonizia, “Mitaky ny fanafoanana ny “Wall Street” ny vahoaka” ary “Asa, Fahalalahana ary tsy mila fitrosana.”

Avy eo ny #OccupyTunis dia lasa naherisetra rehefa nirotsaka an-tsehatra ny polisy nanaparitaka ireo mpanao hetsi-panoherana. Misy tatitry ny filazam-baovao ara-tsosialy mikasika ny fampiasàna kibay sy entona mandatsa-dranomaso, ary koa fisamborana.

@kefteji :  Nahita polisy tao anatin'ilay sahotaka aho nandroaka olona eo amin'ny 200 eo avy ao amin'ilay hetsi-panoherana #OccupyTunis tao afovoan-tananan'i Tunis. #OWS #Tunisia

@beirutelabdi:
تظاهرة “احتلال تونس” انتهت بقمع المتظاهرين بالعصي و الغاز المسيل للدموع #OccupyTunis #Tunis
@beirutelabdi :  Ilay hetsi-panoherana Bodoy Tunis dia niafara tamin'ny famoretana ireo mpanao hetsi-panoherana tamin'ny alalan'ny kibay sy entona mandatsa-dranomaso.

@beirutelabdi:أنباء عن اعتقال بعض الشباب المشاركين في تظاهرة “احتلال تونس”ـ #OccupyTunis #Tunis

@beirutelabdi :  Misy tatitra milaza fa nisy tanora vitsivitsy izay nandray anjara tamin'ilay Bodoy Tunis no voasambotra.

@Tunisia_Live : Ny polisy no nalaky mora nentim-po fa ireo mpanao hetsi-panoherana dia niha-tony ankehitriny #Tunis #Tunisia #OccupyTunis #OccupyWallStreet

Fahatongavan'ny polisy maro be. Sary avy amin'i Sabrina Belkhouja nozaraina tao amin'ny pejiny Facebook

Na dia somary vitsy aza ny isan'ireo mpanao hetsi-panoherana, ny fahatongavan'ireo polisy maro be dia tsy azo nodian-tsy hita :

@Liliopatra: La police a dispersé tout le monde… #occypyTunis #Tunisie

Nanaparitaka ny olona rehetra ny polisy…

@MedAliSouissi: il parait bien que #OccupyTunis a été Occupied by la police #Tunisia #Occupation

Toy ny hoe ny polisy no nibahana ny #OccupyTunis

Ny filazam-baovao Toniziana mahazatra  dia tsy niresaka loatra ny #occupytunis, afa-tsy tao aminà andalàna vitsivitsy tanaty aterineto. Ny fahitalavi-panjakana, ohatra, dia tsy namoaka ilay hetsi-panoherana, na ny fampiasana herisetra avy amin'ny polisy mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana

Hichem Jawadi dia mandefa bitsika hoe :

Aucun mot au JTV #TTN sur #OccupyTunis et l'intervention violente des forces de l'ordre!

Tsy misy teny na dia iray aza avy amin'ny fahitalavim-panjakana momba ny #OccupyTunis sy ny fidinana tamin-kerisetran'ireo hery mpitandro filaminana!


Na dia teo aza ny tsy fandefasan'ny haino aman-jery ny vaovao sy ny herisetra, ny sasany dia hitahiry fahatsiarovana mahafinaritra momba ilay #OccupyTunis. Khalil Chatewi dia mandefa bitsika hoe :

Occupy Tunis : j'y étais c'était magnifique #occupytunis

Occupy Tunis :  Teo aho tamin'io, tena nahafinaritra

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny  Revolisiona ao Tonizia  2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.