Syria: Naaton'ny Ligy Arabo Ny Maha-mpikambana An'i Syria

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny  Hetsi-panoherana ao Siria ny taona 2011.

Nosazian'ny Ligy Arabo i Siria androany noho ny famonoany ny olom-pirenena efa ho maherin'ny 3.000 ka naato ny maha-mpikambana azy ao amin'ity vondrona iraisan'ny Arabo ity, manomboka amin'ny Alarobia. Ireo mpiondana aterineto dia maneho hevitra momba ilay fanapahan-kevitry ny Ligy, nambara taorian'ny fihaonana maika natao tao amin'ny foibeny tao Kairo. Nambara koa fa ny Ligy Arabo dia eritreretina hamoaka sazy ho an'ilay lehilahy matanjak'i Siria, Bashar Al Assad.

Ben Wedeman avy amin'ny CNN dia manamarika hoe :

@bencnn: Aza raisina ho fifidianana mnkamin'ny fanomezan-danja ny fahalalahana ny fampiatoana an'i Siria. Fifidianana hanoherana an'i Iran io, tahotra an'i Iran aorian'i Etazonia aty Afovoany Atsinanana.

Ilay Siriana Razan Ghazzawi dia mahita ilay fanapahan-kevitra ho toy ny dingana iray mankany amin'ny làla-mahitsy ho an'ny revolisionan'ny fireneny :

@RedRazan: Hanampy betsaka ireo revolisionera ao #Syria ny fanapahan-kevitry ny Ligy Arabo, saingy tadidio fa ny LA tsy hanao zavatra mitovy amin'izany velively ho an'i Bahrain

Ary manampy i Iyad El Baghdadi :

@iyad_elbaghdadi: Amin'ny endrika mavesabesatra kokoa, ny #ArabLeague dia niantso  ny tafika ao Syria tsy hanaiky ireo baiko ho famoretana ny sivily.

Niteraka fanontaniana maro ihany koa ilay fanapahan-kevitry ny Ligy Arabo. Ilay Ejiptiana Salma Shukrallah dia manontany hoe[ar]:

ليه جامعة الدول العربية قررت تعليق مشاركة سوريا و لم تعلق مشاركة اليمن او البحرين؟
@SalmaShuk: Fa nahoana ny Ligy Arabo no nanapa-kevitra hampiato ny maha-mpikambana an'i Siria fa tsy ny an'i Yemen na i  Bahrain?

Iraqi Revolution manontany tena hoe [ar]:

الجامعة العربية تعلق عضوية سوريا وتدعو لسحب السفراء والعراق يمتنع ؟؟ ليش العراق يمتنع مو هذه سورية مصدرة الارهاب
@IRAQIRevolution: Naaton'ny Ligy Arabo ny maha-mpikambana an'i Siria ary nangataka ny hampodiana ireo masoivoho [avy any Damaskaosy] ary Irak dia tsy nandray anjara [tamin'ny fifidianana]????  Tsy ity ihany ve ilay Siria  loharanon'ny fampihorohoroana e?

Mampametra-panontaniana ny toerana misy ny Ligy Arabo. Mampiaka-peo i  Zainab :

@_TheZee: Ny tena hevitro! RT @StayStrongLibya: Fantatro fa tsy misy ilàna azy ny #AL saingy heveriko fa fihetsika tsara sy mendrika izany.

Niditra an-tsehatra ihany koa ny mpiloka. Mandefa bitsika ilay Maoritaniana mafàna fo, Nasser Weddady :

@Weddady: Hoatrinona no sahinao ilokàna fa  hisy handoro io masoivoho trano foana ao Damaskaosy io? Ny ahy 5 noho 1

Mandritra izany, tsy faly amin'ilay fihetsika mihitsy i Syria.

Ugaritian mitatitra hoe:

@Ugaritian: Ny irak'i #Assad ho any amin'ny #ArabLeague dia mandrahona an'i Qatar sy ireo firenena Arabo hafa ny mety hisian'ny “tafiotra tsy ho ela.” #Syria

Ilay Siriana Shakeeb Al Jabri, izay manara-maso ny Fahitalavitra Syria TV momba ny fanehoan-kevitra nentin'ilay fifidianana nataon'ny Ligy Arabo dia manoratra hoe :

@LeShaque: Mpiantso t amin'ny Addounia TV: Ny Siriana 23 tapitrisa dia tsy faly amin'ny Ligy Arabo.

Misarika ny saina ihany koa izy amin'ny vaovao diso amokisana ny Siriana ao amin'ny fireneny:

@LeShaque: Lohateny lehibe tao amin'ny vohikala Steps mpomba ny fitondrana ao Syria: Nisintaka tsy handray anjara amin'ireo Fihaoam-ben'ny LA i Syria

Ilay Ejiptiana Mona El Tahawy manamarika hoe:

@monaeltahawy: Na eo aza ny tsy fahatokisako loatra ilay didy jadona fampiatoan'ny Ligy Arabo an'i Syria, lehibe ny hijerena ny hatezeran'ireo mpanaraka an'i Bashar izay zohiako.

Manampy izy:

@monaeltahawy: Mahavariana fa ny valintenin'i Siria ho an'ny LA dia miteny amintsika hoe nofarananay ny anay raha ianareo kosa mbolka ilaozanareo mamono ny vahoakanareo ary “fanohanana” toy izany no andrandrainay avy aminareo. Tsy milamina

Ary ilay Siriana The 47th dia efa mihevitra sahady ny valy bontana avy amin'ireo mpmba an'i Assad. Mibitsika izy

@The_47th: Efa miandrandra sahady aho atsy ho atsy hetsika goavana fombàna an'i Assad, fanoherana zavatra hafa koa manerana ny tontolo.Sento … Tsy maka lesona mihitsy ireo mpanao jadona.

Tao amin'ny Facebook ihany koa, nisy antso nalefa hanapotehana ny Filankevitry ny Fiaraha-miasa any amin'ny Golfa, izay ivondronan'i Bahrain, Arabia Saodita, Qatar, Koety, OmanEmirà Arabo Mitambatra. Ilay vondrona, izay manondro ny Golfa Arabo ho toy ny “mpisotro pipin-drameva”, dia miteny hoe :

Ireo Wahhabi mpifindrafindra toerana ao amin'ny Golfan'i Ejipta dia nanapa-kevitra androany fa hampiato ny maha-mpikambana an'i Siria ao amin'ilay antsoina hoe “Ligy Arabo”…

Fa iza no nanome alàlana an'ireo mpisotro pipin-drameva ireo ny zo hanapaka ny hoavin'i Siria…
Mety hanontany tena ny sasany aminareo: “mpisotro pipin-drameva”… Eny, maro amin'ireo mpifindrafindra toerana ao amin'ny Golfa sy Ejipta no misotro pipin-drameva ary milaza fa tsara ho an'ny fahasalamana izany…
Azo antoka fa nisy fiantraikany ratsy tany amin'ny atidoha kelin-dry zalahy izany…

[…]

Ireo Wahhabi mpifindrafindra toerana sy ireo mpiara-dàlana aminy no tena fahavalontsika … Biby ry zareo ireo ary ny fireneny dia tsy maintsy fongorina tsy hisy…

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny  Hetsi-panoherana ao Siria ny taona 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.