Bahrain: Nanitsaka ny Mpanao Fihetsiketsehana Ve Ny Fiaran'ny Polisy?

Nandritra ny alina tsy fanadino 28 Janoary 2011, dia nisy fiara  nanosihosy mpanao fihetsiketsehana teo akaikin'ny Ambasady Amerikana tao Kairo. Tsy nitsahatra namoaka io lahatsary io ny haino aman-jery mahazatra, fihetsika nahatezitra ny mpijery manerana izao tontolo izao. Tany Bahrain anefa, fanaon'ny polisy handravana ny fihetsiketsehana isan-karazany na ataon'ny tanora na lehibe, tsy anavahana taona, sy any amin'ny faritra maro manerana ity fitondram-panjaka kely velarana ity izay fomba fanosihosena ny olona amin'ny fiara izany. Satria moa nahangona tsara ireny fomba tsy mendrika ataon'ny fitondrana ao aminy ireny ny Bahrainita hatramin'ny nisian'ny fihetsehana tamin'ny volana Febroary, dia ireto misy lahatsary hita ao amin'ny YouTube mampiseho ny ataon'ny polisy amin'ny mpanao fihetsiketsehana izany ao Bahrain.

Atombontsika amin'ny tanàna ambanivohitra ao Al-Eker tamin'ny 16 Aogositra 2011 izany:

Ny Lahatsary manaraka indray mampiseho ny fanenjehana ny mpanao fihetsiketsehana izay nanao diabem-pandevenana ilay maritiora 16 taona Ahmed Al-Qattan tamin'ny 7 Oktobra 2011:

Niteraka korontana ihany koa ny nataon'ity vehivavy nanosy tampoka ny mpanao fihetsiketsehana ity nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny volana Febroary:

http://www.youtube.com/watch?v=dISoCca21Ng

Ary vao haingana teo ity lahatsary maneho ny fanenjahana ny mpanao fihetsiketsehana nandritra ny fandevenana ny maritiora Ali Al-Daihi tamin'ny 4 Novambra 2011 ity:

Tamin'ity indray mitoraka ity kosa ny Minisitry ny Atitany ao Bahrain dia nilaza ny heviny, nandà fa niara-nitranga ireo, eny fa na dia efa niely nanerana ny valan-tserasera aza ny lahatsary. Tao amin'ny vohikalany ny minisitera:

The General Director completely denied announcement made by Matar Matar to a news agency that police patrols tried after the funeral to run over protesters, while highlighting that such allegation wasn't true, as the rule of the police is to protect the safety of citizens and residents and properties.

Mandà tanteraka ny fanambaran'i Matar Matar tamin'ny sampana mpanangom-baovao iray hoe mitady hanosy ny mpanao fihetsiketsehehana taorian'ny fandevenana ny fiaran'ny polisy izany ny Tale Jeneraly, raha tadiavina asongadina izany filazana tsy marina izany, satria natao hiaro ny olona sy ny fananany ny polisy. 

Nahatonga ny mpisera hitady lahatsary hafa izany fandavana izany, tahaka ireto manaraka ireto. Ity manaraka ity dia lahatsary avy tao amin'ny tanàna ambanivohitra Samaheej, tamin'ny 17 Aogositra 2011:

Ity iray ity indray tany an-tanàna ambanivohitra Sitra tamin'ny 19 Septambra 2011:

Ity lahatsary manaraka ity dia mampiseho fiarana polisy manenjika ankizy – tsy voamarika mazava ny daty sy ny toerana nitrangany – Fa ny fiara kosa aloha dia an'ny polisy Bahrainita:

Ary ity manaraka ity ilay lahatsary malaza ahitana ny fiaran'ny polsy mitady hanosy ny mpanao fihetsiketsehana tao Bahrain:

http://www.youtube.com/watch?v=DputgPA641I

Azo tombanana fa tao an-tanàna ambanivohitra Salmabad ity lahatsary manaraka ity, na dia tsy mazava tsara aza, raha nanosy lehilahy iray antsoina hoe Younes Mahmoud ny fiaran'ny polisy fa ny filazalazana amin'ny lahatsary moa manondro ny datin'ny 1 Oktobra 2011. Azo tombanana avy amin'ny filazalazan'ny lahatsary ihany koa fa nidaroka ny reniny ny polisy nialoha ny nisamborana azy Younes:

Ao amin'ity lahatsary ity ny andian-tanora  mitsambikina fefy hialana amin'ny fanosen'ny fiaran'ny polisy azy ireo, tranga tao amin'ny faritr'i Bilad Al-Qadim tamin'ny 7 Jolay 2011:

Ity lahatsary manaraka ity dia, avy tamina fakantsary roa samihafa, nalaina tao an-tanàna ambanivohitr'i Al-Diraz ahitana ny fiaran'ny polisy mailaka dia mailaka manenjika ireo vondron-dehilahy tao anatin'ny faritra iray tamin'ny 25 Oktobra 2011:

Taorian'ny fandevenana ny maritiora Jafar Hassan tamin'ny 21 Septambra 2011, tao an-tanàna ambanivohitr”i Dimistan, hita mazava fa mikendry ny handona olona ny fiaran'ny polisy ao amin'ity lahatsary ity

Amin'ireto lahatsary roa farany ireto no ahitanao tranga maro natambatambatra:

Tsy fantatra hoe firy ny isan'ny mpanao fihetsiketsehana naratra nandritra ireo tranga ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.