Shina: Fahavalo An'eritreritr'i Japana

Mitohy mihamafy ny fifanolanana momba ny resaka sisintany eo amin'i Shina sy Japana taorian'ny nisamborana sambo Shinoa iray mpanjono, Zhang Tianxiong, tamin'iny herinandro lasa iny fa hoe nanitsaka ny fari-dranomasina Japone ary avy eo nitondra ny mpiambina morontsirak’ity firenena ity taminà fifanenjehana nandritra ny ora efatra teny an-dranomasina teny. Izany dia nifàrana rehefa voadona ilay sambo Shinoa ka voasambotra mba hatao famotorana ireo tantsambo folo tao anatiny.

Araka ny ankamaroan'ireo tatitra, Zhang dia nanjono tany anatin'ny faritra izay efa fantany rahateo fa tsy azony anaovana izany, saingy tsy navela handalondalo foana ny maha-fotoana fanararaotra azy ity mba havadika ho raharaha fitiavan-tanindrazana ho an'ny sasany. Na, tahaka izay nosoratan'i [zh] Wu Ge, mpanao famakafakàna ny raharaha miaramila sy tonian-dahatsoratra aminà gazetiboky ao amin'ny bilaoginy

这类事件,往往不可避免地牵动两国关系,外交部门不得不从较高层面加以关注、协调和化解,但是一个大问题来了。中国不少公众总是自动将所有这类事件(有时甚至包括所有不友好,挑衅性甚至挑逗性言论)统统上升到国家荣辱,大国地位,对外强硬,甚至两国要不要一战的层面。

Tsy azo ialàna ny hiafaran'ny karazana fifandirana toy ity amin'ny fiharatsian'ny fifandraisana eo amin'ny firenena roa tonta, ka tsy ananan'ireo sampandraharaha diplaomatika safidy afa-tsy ny fitodihana amin'ny ambaratonga ambonimbony kokoa, hiara-mandinika sy hamaha ny olana. Saingy eo indrindra no tonga ny tena olana goavana. Misy hatrany ny andianà teratany Shinoa mamadika avy hatrany ny fifanolanana tahaka ity ho voninahi-pirenena (amin'ny endrika fankahalàna, tsy firaharahiana ary indraindray teny fandranitana mihitsy), mandray toerana sarotra, tonga hatramin'ny fandinihana ny hoe fotoana izao hidiran'ny firenena roa tonta anaty ady.
Television news screenshot

Dikasarin'ny vaovao tao amin'ny fahitalavitra

Ary ny fisamborana an'i Zhang ihany koa, voasazy mifanaraka amin'ny lalàna iraisam-pirenena, dia mifanandrify amin'ireo tatitry ny mpampahalala vaovao Shinoa, izay mitanisa mpampahalàla vaovao Japoney milaza hoe hisy fanazarantena goavana an-dranomasina iarahan'ny Japoney sy ny Amerikana, hatao ao Kyushu amin'ity herinandro ity. Tsy hoe fotsiny voalaza ho voalohany amin'izay fanazarantena maro mbola ho avy izy io, fa amin'izao fotoana dia voalaza fa naelin'ny mpampahalàla vaovao Japone betsaka tokoa fa hoe i Shina no heverina hatao ho toy ny fahavalo an'eritreritra.

Momba izay, ilay bilaogeran'ny Phoenix Jin Zishan dia manoratra hoe [zh]:

日本媒体大肆渲染把中国作为“假想敌”,不知道是不是代表了日本官方的态度。是日本官方把不方便说的话借由媒体说出,还是日本媒体以说出这样的话起到推波助澜的作用,可以仁者见仁智者见智地去分析玩味。在官方的外交中,在军事的演习中,一般的惯例是不轻易将“假想敌”公然说出口。

把中国作为“假想敌”本就没有道理,何况是“公然”地。中国与日本最前沿的博弈是在钓鱼岛海域与东海海域,但是中国仍然一直保持了相当的克制,并没有作出太多的咄咄逼人的姿态。以此实况,中国怎么会公然上了日本媒体的“假想敌”榜单。

Nampidirin'ny mpampiely vaovao Japoney ho anaty lalao i Shina, ho toy ny “fahavalo an'eritreritra”, saingy tsy fantatsika raha tena maneho tokoa ny toerana noraisin'ny manampahefana ao Japana izany. Mety ihany koa hoe avelan'ny Japana ho anjaran'ny mpampiely vaovao ny milaza izay zavatra manahirana ny fanjakana ny manambàra azy mivantana, na mety koa hoe manampy trotraka amin'ny famelomana ny afo efa misy rahateo ireo mpampiely vaovao. Dia hahita izay notadiaviny tokoa moa izany ny vahoaka. Kanefa eo amin'ny sehatra diplaomatika ofisialy, ary indrindra fa rehefa resaka fanazarantena ara-tafika no misy, ny fepetra dia manao hoe ny fomba filàza “fahavalo an'eritreritra” dia tsy ataotao foana sy abaribary mandeha ho azy toy izao ny fampiasàna azy.

Tsy misy dikany mihitsy ny fametrahana an'i Shina ho “fahavalo an'eritreritra”, ary indrindra indrindra fa amin'izao fomba “mibaribary” be izao. Ny lalao misy eo amin'i Shina sy Japana dia any amin'ny faritra manodidina ny nosy Diaoyu no mitranga ary ny Ranomasin'i Shina Atsinanana, hatreto aloha i Shina dia mbola nahavita nifehy tena sy tsy naneho fihetsika mahery setra. Raha izay no raisina, inona no mahatonga an'i Shina ho nampidirina ho anaty lisitry ny “fahavalo an'eritreritra” any anaty fampahalalam-baovao Japoney?
[…]

公然以中国为“假想敌”,无非是在制造新一轮的所谓的“中国威胁论”。给中国扣上莫须有的“威胁”的帽子,既是想借机利用国内不健康的政治生态,又在国际上捏造出中国的坏形象,试图以此达到有利于自己,让自己获利,使日本在与中国的竞争中占据上风的目的。同时也可以掩盖自己对外露出的“`”。

Tsy ilàna fanontaniana akory fa ny fanambaràna an'i Shina ho “fahavalo an'eritreritra” dia ezaka iray hafa entina manamafy ilay antsoina hoe “kajikajin'ny loza mitatao avy ao Shina”. Ny fiampangàna tsy marim-pototra an'i Shina ho “loza mitatao” dia ezaka tsotra izao fotsiny hikolokoloana rivotra ara-politika tsy milamina ao Japana, sy ho fanaratsiana endrika an'i Shina eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.  Ezaka iray io haneren'i Japana ny tànan'i Shina ao anatin'ity fifaninanana eo amin'ny firenena roa tonta ity, fihetsika iray azony araraotina ihany koa hanafenany ny “farangony” tsy ho hitan'izao tontolo izao.

树起一个中国“假想敌”,能够为日本的扩军备战、对外扩张营造舆论的氛围,进而逐步付诸行动。日本一直在实际加强自卫队的武装,日本有着极强的核能力、核积累,日本自卫队不断迈出向海外派军的步伐,是众所周知的事。11月3日是日本现行宪法(“和平宪法”)公布65周年纪念日,日本右翼媒体借机大肆鼓吹修改和平宪法,并将“自卫队”改变为“军队”。日本计划年内给39座离岛“命名”,搞不符合国际法的扩大日本“专属经济区”的“圈海”运动。日本还在有意将势力伸展到南海周边,对外扩张的倾向似乎越来越明显。

Ny fametrahana an'i Shina ho  “fahavalo an'eritreritra” dia manome fahafahana an'i Japana hanorina tsara ny tanjany ara-miaramila, ahafahany koa mandrafitra ny politika any amin'ny faritra, ary miroso tsikelikely amin'ny fanatanterahana. Tsy zava-miafina intsony ny hoe i Japana, izay manana tanjaka nokleary goavana tokoa sy tahiry nokleary, dia niezaka hatrany ny hampahatanjaka ny fahafahany hiaro tena, sady manararaotra ny zava-mitranga rehetra misy mba hanapariahana izany any ivelan'ny sisintaniny.

Io 3 Novambra io no tsingerintaona faha-65 ho an'ilay fanamafisana ny “Lalampanorenan'ny Fandriampahalemana” taorian'ny ady ho an'i Japana, izay noraisin'ny elatra havanana eo amin'ny firenena ho fotoana fanararaotra hangatahana ny hitondràna fanovàna ilay  “Lalampanorenan'ny Fandriampahalemana”, sy ny hoe hiantsoana ny  “Hery Fiarovan-tenany” ho “Tafika” amin'izay. Japana koa dia efa mihevitra ny  “hanome anarana” ireo nosy kely miisa 39 manodidina, alohan'ny faran'ity taona ity, ary, sady manitsakitsaka ny lalàna iraisam-pirenena ihany, hatramin'ny fanitàrana ny faritra manokana ara-toekareny eny an-dranomasina.

Mivandravandra izao fa mikatsaka ny hampiroborobo sy hanitatra ny dindony hatrany amin'ny ranomasin'i Shina Atsinanana mihitsy i Japana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.