Amin'ny teny frantsay avokoa ny rohy rehetra ato raha tsy hoe misy filazana hafa omena]
Nandritry ny alin'ny 2 Novambra 2011 dia nisy nanafika tamin'ny alalan'ny solika napoaka [en] ny birao foiben'ny orinasa mpamoaka gazety mpandrabiraby mivoaka isan-kerinandro antsoina hoe Charlie Hebdo ao Paris ka may ravan'ny afo. Namoaka gazety fandrabirabiana mitondra ny lohateny hoe ‘Sharia Weekly’, na “Sharia Isan-kerinandro” mitantara ny zava-mitranga ankehitriny ao Tonizia sy Libya aminà andro iray mitovy ilay gazety Frantsay mpiseho isan-kerinandro efa zokiny indrindra sy mpandranitra. Io tantara io dia manasongadina ilay Mpaminany Silamo antsoina hoe Muhammed ho toy ny ‘mpamoaka lahatsoratra nantsoina hivahiny’, miaraka amin'ity lohatenin-dahatsoratra ity manao hoe: “Sharia Isan-kerinandro: kapoka karavasy in -100 raha tsy matin'ny fihomehezana ianao”.
Ny andro faharoa taorian'io haintrano io raha tsy mbola nahazoana valiny ny fikarohana nataon'ny polisy dia nirehitra ihany koa ny media sy fanaovan-gazety frantsay, ny sehatra politika ary ireo tambajotra sosialy. Tsy nahitàna ireo boky nivoaka farany avokoa ireo mpivaro-boky rehetra. Tao amin'ny Twitter, ny tenifototra #charliehebdo no lohahevitra frantsay be mpiresaka indrindra raha vao nivoaka ny vaovao omaly maraina. Ireo mpikambana sasany ao amin'ny Twitter dia nisafidy ilay pejy voalohany maha-be resaka ho toy ny sary fanehoana ny aminy tao amin'ny Twitter . Ankehitriny dia miasa isan'andro ao amin'ny biraon'ny gazety Frantsay mpiseho isanandro Libération ny Charlie Hebdo, ary namorona ny pejy voalohan'ny gazetiny eo ambany fanaraha-maso hentitra.
Notafihan'ny vondrona Tiorka “Akincilar” ihany koa ny vohikala Charlie Hebdo nandritry ny alina nitrangan'ilay fandorana, raha araka ny nambaran'i Le Nouvel Obs (jereo ny hafatra fohy tamin'io mpiseho isan-kerinandro io, amin'ny teny anglisy). Namoaka sarin’ ilay vohikala voahosihosy i Tech Korben, mpitoraka blaogy:
Tsy ity no fanaborosiana voalohany nataon'i Charlie Hebdo raha eo amin'ny resaka fandrabirabiana mikasika ny Silamo. Tamin'ny taona 2007, nenjehan'ny lehiben'ny mpitondra fivavahana ao amin'ny moske ao Paris io gazety io noho ny fonony nisy sarin'ilay mpaminany Muhammad narahana fanamarihana hoe ‘Sarotra ny maka ny fon'ny adala‘ ary koa noho ny famoahana indray ilay sariitatra Danoà mpandrabiraby [en] ho fanehoana ny firaisankina eo amin'ny samy famoahana gazety. Nandresy ny famoahana tamin'io. Omaly, nanameloka ny fanafihana sy ny fanaovana io sary io ny lehiben'ny mpitondra fivavahana ao amin'ny moske ao Paris.
Mbola tafiditra eo anelanelan'ny ady ho an'ny fahalalahana mamoaka hevitra amin'ny alalan'ny fanakianana (sy miteny) ary ny fanajana ny fivavahana, izay anaty vanim-potoana somary saropady hatrany, i Frantsa laika : nandritry ny fotoana mialoha ny fifidianana filoham-pirenena frantsay amin'ny taona 2012.
Fahalàlahana miteny
Niteraka fanehoan-kevitra maro io vaovao io tao Frantsa. Maro ireo nihevitra fa io fanafihana io dia fanosihosena tsy hay leferina ny fahalàlahana maneho hevitra.
Nanameloka io fanafihana io i Hacen BOUKHELIFA, mpahay lalàna ao Marseille, Frantsa :
Rien, absolument rien ne peut justifier la violence d'extrémistes qui finalement n'acceptent pas la liberté d'expression à fortiori lorsqu'elle est exercée par un hebdomadaire satirique
Hoy i Capiaux Alain manohy izany:
CHARLIE HEBDO mérite le soutien de quiconque entend défendre la liberté d'expression. Critiquer l'islam est un droit.
Fa araky ny hevitry ny hafa kosa, toa an'i Sidi_la, endrika roa samihafa amin'ny fahalàlahana miteny no ampiharina ao Frantsa. I Dieudonné Mballa no resahana amin'izany, ilay mpanao vazivazy Frantsay iray izay nosamborina sy nomelohana noho izy lazaina fa manohitra ny fomba fijerin'ny Jiosy sy ny Arabo, manoratra izy hoe:
On donne la liberté d'expression quand il s'agit d'Islam mais quand Dieudo parle des juif il doit en payer le prix!= La France
Tristan (@egoflux), sy ireo mpankasitraka ny sekta, dia mampahatsiahy fa ilay hetsika nokarakarain'ny mpino katolika Frantsay dia manakorontana ilay seho an-tsehatra tao Paris izay nahitana ny endrik'i Jesoa nosimbàna tanteraka. Apetany eraky ny rindrina ao Paris io sary maneho ny fanoheran'izy ireo io :
Tofoka tanteraka i Xavier (@dascritch):
Y'en a marre des intégristes religieux. Cathos, Juifs ou Islamistes, vous ne représentez que l'ignorance, la haine et la mort.
Fanampiana tosika ny hery farany havanana
Nampamelona ny fanantenan'ny mpanao politika eo amin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2012 ny firohotana hanohana ny Charlie Hebdo. I Severin dia mahita fa hanome vahana an'i Marine Le Pen mpirotsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena avy ao amin'ny hery farany havanana fotsiny ihany io trangan-javatra io :
#charliehebdo brûle, Marine Le Pen gagne 3 points dans le dernier sondage. Symbolique d'une société à la dérive. #irresponsable
Korontana ao amin'ny Facebook
Tototra hafatra ny takelaka Facebookin’ i Charlie Hebo.
Hoy i Mehri Yassine avy any Tonizia:
شهد أن لا إله إلا الله وأشهد أن محمد رسول الله
Hoy i Virgile Gaillard an-katezerana:
merci Charlie!! 🙁 Grâce à vous, on détourne l'attention sur les vrais enjeux de la crise… On met de l'huile sur le feu de la haine de l'autre, on stigmatise le musulman parce que bcq vont être tenté par l'amalgame intégristes=musulmans
Nametraka hafatra fanohanana tamin'ny teny anglisy i Erick Oster Saerkjaer, avy any Denmark, toerana izay nitrangan'ny resabe voalohany mikasika ilay “sariitatr'i Muhammad” nivoaka tamin'ny taona 2005:
Ny vazivazy no fomba ametrahana fanontaniana manan-danja amin'ireo izay mihevitra fa izy ireo ihany no nahita sy manana ny valiny marina. Rehefa tsy manao izany isika dia ny havendranana no handresy.
Ankehitriny dia nangataka tamin'ny Facebook i Charlie Hebdo mba hanakatona ny takelakany, satria maro amin'ireo hafatra ireo no mandika ny lalàna frantsay dia ny famporisihana ny fifankahalàna ateraky ny fahasamihafan'ny fiaviana sy foko ary ny finoana. Nizara ny alahelony tamin'ny mpandrindra io vondrom-piarahamonina tao amin'ny takelaka Facebook io ireo mpiondana aterineto tao amin'ny Twitter; maminavina ny karazana toerana banga mety handefasan'ny Charlie Hebdo fampilazàna i Lauren Provost:
Charlie Hebdo cherche Community Manager. Compétence requise : gestion de crise et maîtrise de l'arabe
Namoaka fomba fijery roa mikasika io krizy misy eo amin'ny Charlie Hebdo io ny “Index on censorship”, ahitana ampahany amin'ny hevitry ny mpianatra roa avy amin'ny anjerimanontolon'i Etazonia sy ny Royaume-Uni.