Teny: Miasa Ho Amin'ny Fanomezana Aina Vao Ny Teny Nishnaabe

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny topi-maso ataonay momba ny  “Fampiasàna ny Fampahalalam-baovaon'Olon-tsotra ho Fanandratana ny Teny Zara Raha Misy Mahafantatra.”

Barbara Nolan dia mankafy ny mametraka ny talentany ho eny alohan'ny sehatra ho toy ny fomba iray hanampiana amin'ny fampivelarana bebe kokoa ireo mpiteny ny teny Nishnaabe. Ho toy ny hoe ivo ifantohan'ireo ezaka ataony, Barbara dia manatontosa lahatsary fohy karazana tantara tsangana amin'ny teny Nishnaabe, feno, miaraka amin'ny fitafy, sy feo azo jerena ao amin'ny fantsony YouTube sy pejy fandraisany. Raha ny marina, ny talentany dia tena mendrika homarihana fa hatramin'ny zafikeliny vavy aza tsy mahafantatra akory hoe mitantara momba ny mpanjono antitra iray i Barbara rehefa nijery ilay lahatsary.

http://www.youtube.com/watch?v=1WX_YilMPhA&feature=player_embedded

Ireo lahatsary dia novokarina mba “ho fampitan-kevitra ka sady mijery no manisaka ihany koa ny fifantohan-tsain'ny olona mankamin'ny firafitry ny teny,” raha ny filazan'i John Paul Montano, izay nanampy tamin'ny famokarana ireo lahatsary. Tato anatin'ny valo taona farany, John Paul dia “nahazo” ny fiteny Nishnaabe noho ny fanampian'ny mpiahy azy, Barbara. Ity teny ity dia mazàna no rasina ho toy ny fifangaroan'ny Ojibwe, Odawa, sy Potawatomi. Manao fanavahana izy eo amin'ny “mianatra” sy “mahazo” avy amin'izay niainany manokana sy ny fikorontanan-tsainy tamin'ny fiezahana hifehy ny endrika ara-drafitra

Rehefa ifantohana ny filonana, ny fahatakarana, ary ny resadresaka miloatra ho azy avy ao am-po, ny fanantenan'i Barbara sy John Paul dia ny hoe mba hidona amin'ny tanjona nikendrena azy ireny lahatsary ireny dia ireo vondron'olona Nishnaabe miparitaka manerana an'i Etazonia sy Kanada.  Na izany aza, vinavinaina ho maro amin'ireo mpiteny ny teny Nishnaabe no efa antitra be amin'izao fotoana ary efa mihena an-toerana. Ny fanakàrana ireo andian-taranaka vaovaon'ireo mpiteny azy ka afaka mahita ireny lahatsary ireny any amin'ny faritra rehetra azo anaovana izany no fanalahidy iray ho an'ity ezaka ho fanomezana aina vao indray ity.

Fantaro bebe kokoa ny asa ataon-dry zareo amin'ny alalan'ireo tafatafa anaty aterineto  “Fampiasàna ny Fampahalalam-baovaon'Olon-tsotra ho Fanandratana ny Teny Zara Raha Misy Mahafantatra” izay hatao ny 16-22 Novambra. Azonao arahana i Barbara (@barbaranolan) sy John Paul (@jpmontano) ao amin'ny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.