Espaina : Tafatafa Tamin'i Ignasi Labastida Momba ny Fizakà-mànana Ara-tsaina

Nandritra ny “Kaongresy momba ny kolontsaina malalaka” (Congreso de Cultura Libre), natao tany Quito, ao Ekoatora, ny lohahevitra farany, novelabelarin'i Ignasi Labastida, dia nitondra ny lohateny hoe “Ny fizakà-mànana ara-tsaina amin'ny vanim-potoanan'ny TIC” (‘”La propiedad intelectual en la era TIC”) (betsaka ireo siokantsera namerina nandefa ampahany tamin'ny famelabelarany eto [espaniola] sy ireo fan,ehoana an-tsary azy io eto [PDF, esp]). Ignasi, mpampianatra-mpikaroka amin'ny Fizika, dia mpikambana ao anatin'ny Creative Commons España, ary, amin'izay indrindra, dia tsy zazavao amin'ny resaka zon'ny mpamorona sy ny fizakà-mànana ara-tsaina. Noho izany, andritra ity tafatafa ity [espaniola] izay tamin'ny 2008, izy dia manazava ny antsoina hoe Creative Commons sy ny Copyright :

Ny Copyright no mametraka ny faritra araky ny lalàna ao anatin'ny rafitry ny lalàna ‘anglo-saxonnes’ raha toa kosa ireo firenena ao amin'ny tanibe Eraopeana mampiasa ny zon'ny mpamorona. Ny Copyright dia azo lazaina ihany ho kasinga iray mandrafitra ny zon'ny mpamorona, fantatra amin'ny fomba fiteny hoe zo amin'ny fitrandrahana. Ireo zo ireo dia maharakotra ny zo amin'ny famokarana, fanapariahana, fifandraisana amin'ny daholobe ary  ny fitondràna fanovàna. Ny mpamorona no misafidy ny amin'ny fomba ampiasàna ny zony ary raha tiany omena olon-kafa na fikambanana hafa ny zavatra novokariny.

Ny Copyleft dia sahala amin'ny safidy iray manoloana ny  Copyright efa nahazatra na somary teritery kokoa ; raha amin'ny teny hafa, amin'ny ‘ankapoben'izao zo manokana’. Ny Copyleft dia mampiasa ny Copyright mba hananganana rafitra iray ho fanomezana alàlana tsy dia teritery loatra : omena alàlana rehefa mety ho fampiasana vokatra raha toa ka tanisaina ao ny anaran'ny mpamorona ary nokirakiraina hanome vokatra iray vaovao mihitsy ilay vokatra niandohana, dia aparitaka miaraka amin'ny zo mitovy amin'izany ity farany.

Amin'izao fotoana, ny fomba filaza hoe Copyleft dia ampiasaina mba hilazàna ny fitambaran'ireo rafitra lisansa azo asolo  ny rafitra klasika momba ny resaka zo manokana. Ny fikambanana Amerikana Creative Commons (CC) dia manolotra rafitra-nà lisansa iray, ka isan'ny hita ao anatiny ny lisansa iray izay tena Copyleft iray manontolo. Ny Creative Commons dia tsy mionona fotsiny amin'ny fanomezana lisansa ; nametraka ihany koa izy ny dingana fameperana samihafa, miainga avyh amin'ny fanekena ny fitompoana ka hatramin'ny fameperana ny fampiasana ara-barotra, anatin'izany ny tsy fanomezana alàlana ny fikirakiràna hanome vokatra iray vaovao mihitsy.

Satria mba nanam-pahafahana niresaka fohy tamin'i Ignasi ny tena, momba ny hetsika izay resahana etoana, dia nararaotiko izany hizaràna taminy ireo ahiahy sasantsasany momba ireo zavatra rehetra ireo, ao anatin'ity lahatsary ity :

Ignasi koa dia nanoratra lahatsoratra samihafa, isan'ireny ny iray  miresaka ny lisansa Creative Commons ao Espaina, ka ao anatin'izay izy no manazava ny niforonan'io karazana lisansa iray io, ny nisisihany sy nahatonga azy ho ampiasain'ny betsaka ao Espaina. Io lahatsoratra io dia nofintinina tamin'ireto teny ireo :

Ny endrika izay tsy isalasalàna fa ny mavesa-danja indrindra tamin'ny nametrahana ny lisansa Creative Commons teto Espaina dia mifamangitra indrindra amin'ny fandinika izay ato ankehitriny momba ny zon'ny mpamorona na ny fahafaha-mahazo ny kolontsaina. Ireo lasitra ara-toekarena amin'izao fotoana dia lasa efa nilaozan'ny zava-misy noho ny fivoarana ara-teknolojika. Ilaina araka izany ny maka lasitra vaovao izay tsy voatery hitazonana ny rafitra efa misy ankehitriny izay manakely kokoa ny fahafahana mahazo ireo asa vokatra. Ny zava-misy indraindray dia ny fiarovana diso tafahoatra ny zo manjary sahanin'ireo mpanelanelana izay miasa amin'ny anaran'ny tena mpamorona, nefa ireto farany dia maniry filefahana misimisy kokoa na misafidy hamorona fomba mihitsy ho fanapariahana ny asa famoronany.

Na eo aza izany, io filozofia io dia tahaka ny tsy mahita ny làlan-kizorany loatra eny anivon'ireo andrim-panjakana Espaniola samihafa. Lazaintsika amin'izany ho ohatra ny raharaha vao haingana momba ny Real Academia de la Lengua Española, RAE, izay nitaky, tamin'ny alàlan'ny Grupo Planeta, ny mba hanaisoran'ilay mpanao gazety Orogoaiana Ricardo Soca ao amin'ny tranonkalan'ity farany ireo votoaty izay ambarany fa azy, ary ireo rohy mankany amin'ny tronkalan'ny RAE. Ignasi Labastida dia nanome ny heviny ihany koa momba io resaka io.
Nandritra ny fandraisany fitenenana tao amin'ny Congreso de Cultura Libre, Ignasi dia nampahatsiahy ny ilàna fandraisana fahatsiarovan-tena avy amin'ny olona rehetra araka izay tratra, momba ny zo sy ny lisansa, izay mahakasika antsika tsirairay mihitsy. Izany dia nanome toerana ho anà tafatafa iray mikasika ny hetsik'ireo leo tao amin'ny firenena, Espaina.

Marobe ireo tafatafa niarahana tamin'i Ignasi Labastida no azo tsidihana eto amin'ny aterineto. Ny iray isan'ny nalefa be indrindra dia ity ampahan'ny fanadihadiana ity “Copyright, na ny zo ho afaka handika” (¡Copiad, malditos! [espaniola] / “Copyright, or the right to copy” [anglais]) mikasika  ny zon'ny mpamorona amin'izao vaninandron'ny niomerika izao. Ity iray hafa ity momba ny OpenCourseWare dia mahaliana ihany koa. Ireo izay mahazo ny Teny Catalan dia afaka manaraka an'i  @ignasi, amin'ny kaontiny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.