Koety : Fisamborana Mpisera Twitter Hafa Indray

Photo de Hamad Al Olayan avec son père et deux enfants après sa libération
Hamad Al Olayan miaraka amin'ny rainy sy ireo zanany taorian'ny fahafahany

Nandia fotoan-tsarotra ny fahafahana maneho hevitra amin'ny alalan'ny serasera tamin'ity taona 2011 ity tao Koety. Mbola tsy niharan'ny fanorisorenana matetika tahaka izao ny mpiserasera raha tsy tao anatin'izay volana maromaro izay.  Nanomboka ny volana aprily lasa teo, mpiserasera telo no nosamborina ary nahazo sazy an-tranomaizina noho ny fanehoan-kevitra an-tserasera nataon'izy ireo, tsy nijanona hatreo anefa ny fisamborana tsy an-kiato fa nipaka hatramin'ireo mpisera Twitter izay nosamborina vao haingana ihany koa, ary noafahana tao anatin'ny 24 ora avy eo noho ny hatezerana teo amin'ny olom-pirenena sy ny mpikambana ao amin'ny antenimiera manoloana izany fisamborana izany. Hamad AlOlayan sy Tariq Al-Mutairi, mpiserasera ao amin'ny Twitter malaza amin'ny fanankianany ny Praiminisitra; nosokajiana ho toy ny fanitsakitsahana ny andiany faha-54 ao amin'ny lalampanorenanana  ny sasany tamin'ny tweet nalefan'izy ireo vao haingana, lalàna izay mandrara ny fanehoan-kevitra mikasika ny emira amin'ny maha ” filoham-pirenena azy sy tsy azo henjehina”. Nandà ny fiampangana azy ireo mpisera Twitter roa ary nanambara fa hafa mihitsy no nandraisana ny teny. Na dia efa noafahana aza anefa izy ireo, dia mbola hiatrika famotorana indray noho ny fitoriana napetraky ny minisiteram-panjakana.

Mpiserasera marobe no nanohitra izany ary nitsikera ny fomba nitondran'ireo manam-pahefana an'ireo mpisera Twitter. Nilaza izy ireo fa tsy tsy misy olana ny antony nampanantsoina azy ireo eny amin'ny fitsarana hatao famotorana mba hahalalana marina raha nanitsakitsaka ny lalampanorenana izy ireo na tsia, hita fa tsy ara-dalàna ny fisamborana ary manohintohina ny fanehoan-kevitra an-kalalahana izay anisan'ny zo fototra  an'olom-pirenena ao Koety. Ny hafa kosa mihevitra fa tsy tokony hampitahorina na hosamborina ny olona iray noho ny fanehoan-keviny, na inona na inona hevitra lazainy. Nanosika ireo mpiserasera hitaky ny famolavolana lalàna ho fiiarovana azy ireo manoloana ny tafim-panjakana izay tsy mitsaha-manitsakitsaka ny zon'izy ireo haneho hevitra an-kalalahana ny zava-miseho. Mihevitra ireo Koetiana fa tokony hanaiky ny tsikera atao azy ireo ny manam-pahefana ary hifantoka amin'ny fanovana fa tsy ilaozana manasazy ireo izay mitaky ny fanovana .

Tsy niandry ela ihany koa ny solombavahoaka Koesiana nilaza ny tsy fankasitrahany ary nandray ny fisamborana ho hevitra iray hanoherana ny governemanta. Musalam Al-Barrak, mpikambana ao amin'ny antenimiera, nanambara fa orinasa iray ao Dubaï, Palestiniana no tompony, no karamain'ny Fiadidiana ny Praiminisitra hanaramaso sy hitsikilo ireo mpanohitra ao amin'ny Twitter. Nilaza izy fa mitatitra any amin'ny minisiteran'ny Atitany izay tweet rehetra mikasika ny Praiminisitra, Cheikh Nasser Al-Mohammad Al-Sabah, io orinasa io.

Solombavambahoaka maromaro no mikasa hangata-panazavana amin'ny minisitry ny Atitany mikasika ny fisamborana, izay noraisin'izy ireo ho toy ny fihoaram-pahefana manoloana ny fahafahana maneho hevitra an-kalalahana. Tanora am-polony no nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny tranon'ny minisiteram-panjakana ny ampitson'ny fisamborana ary nahitana solombavambahoaka ihany koa nandritra izany sit-in izany. Tsy dia nankasitrahan'ireo tanora loatra ny fahatongavan’ ireo solombavahoaka, nampangain'ireo tanora ho mody manao fihetsiketsehana izy ireo raha toa ka tokony hiasa amin'ny famolavolana lalàna ho fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera. Mpisera Twitter hafa mahita ny fanambarana nataon'ireo solombavambahoaka ho tsy misy ilana azy, satria araka ny hevitr'izy ireo, na ny minisitry ny Atitany na ny fahatongavana eto amin'ny fihetsiketsehana dia samy tsy hahavaha olana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.