Kiobà: Miresaka Momba Ny Lalam-Pananan-Tany sy Trano Ny Ampielezena

Mpamaham-bolongana, avy amin'ny ampielezana Kiobana ny ankamaroany, no nandray an-kafaliana ny fanambarana ny lalàna vaovao manome alalana ny Kiobana hividy sy hivarotra tany aman-trano ara-dalàna.  Raha manokatra tontolo vaovao hafa ho an'ny Kiobana ity fanovana lehibe ity, izay ahafahany mampandova ny fananany amin'ny taranany ao anatin'ny didim-pananana, dia maro kosa ireo mahita fa mbola be loatra ny teritery, ary ny zava-dehibe indrindra dia ny mbola misy laharam-pahamehana kokoa.

Bilaogy El Yuma namoaka rakitsoratra ofisialy amin'ny takelaka PDF momba ny lalàna vaovao, no sady maneso tahaka izao :

Atombohy ny lalao!

Laritza Diversent namoaka lahatsoratra ihany koa, saingy tsy naneho hevitra betsaka.

Notes from the Cuban Exile Quarter kosa tsy nitsitsitsy teny fa nilaza tao amin'ny lahatsoratra nosoratany hoe:

Raha tsy misy zon'olombelona, lasa zo fakana ny fananan'olo-mahantra ny zo hividy sy hivarotra tany na trano

Toy izao ny tohin'ny lahatsoratra:

Nitatitra tamin-kafaliana ny famoahan-gazety manerantany fa afaka hividy sy hivarotra tany na trano ny Kiobana ankehitriny tao anatin'izay dimampolo taona izay. Noraisina ho toy ny fandrosoan'ny fahafahana ara-toekarena izany vaovao izany. Mbola sarotsarotra anefa ny toe-draharaha. Tsy misy ny Zon'olombelona ao Kiobà. Ny fanjakan'ny matanjaka fantatra amin'ny anarana ho nomenklatura no manjaka sy manana fahefana hanao izay tiany atao ka manao tsinotsinona  ny “lalàna”. Zon'olombelona ny zo fananan-tany sy trano  Tsy misy ny Zon'olombelona ao Kiobà.

Notohizan'ilay mpamaham-bolongana hoe:

Raha ny zava-misy no jerena, azony alaina amin'ny tompony ny fananany tany na trano ary omena ny hafa izay manana hery ara-politika kokoa. Izay rehetra efa nipetraka sy natao hatramin'izao sy nandritra ny taonjato maro dia ampidirina amin'ny ara-dalàna mba hanomezana fahefana, ireo mpanankarena mpanao politika…ao Kiobà mba hananany zo handroba ny nosy.

Nandritra izany, nitombo ny tahan'ny herisetra atao manoloana ireo mpiaro ny zon'olombelona.

Nanamafy izany fitarainana izany i Pedazos de La Isla, namoaka fijoroana vavolombelona mivantana avy amin'ny olona tsy mitovy hevitra izay nosamborina vao haingana izy.

Manoloana izany fisamborana tsy misy fitsaharany izany, Uncommon Sense niantso izany zavatra rehetra izany hoe “famitahana”, nilaza izy hoe:

Nalaza tanteraka ny lohatenim-baovao…izay nitatitra fa eo am-panomezana alalana ny Kiobana hividy sy hivarotra fananan-tany na trano ny mpanao didy jadona Castro, izay ny mpanao didy jadona  ihany no nangalatra ny ankamaroan'ny fananana, 50 taona lasa izay.

Kanefa toa sarotra ho ahy ny hankato izany, ary indrindra koa tsy te handray izany vaovao izany ho matotra aho satria fantatro fa mbola misy ireo Kiobana misy mamono, mandrahona,  manao herisetra, ary misambotra, sns. noho ny fanoheran'izy ireo ny politikan'ny fitondrana. Toy ny fomba iray ahafahan'ny fitondrana mifikitra eo amin'ny fahefana, sy hahazo volabe nefa tsy misy fiovana firy akory ny fomba fitantanany ny fanomezana alalana amin'ny fivarotana fananan-tany.

Notohizany hoe:

Na firy na firy ny isa marina amin'ireo [vosambotra noho ny raharaha politika], dia mampiseho ny zava-misy ao Kiobà ankehitriny izany noho ny “lalàna vaovao” manome alalana ho an'ny Kiobana hividy tany izay nangalarina taminy ihany tamin'ny alalan'ny vola tsy misy akory.

Fanamarihana avy amin'ny Kiobana Mpialokaloka amin'ny Faritra iray no  niteny farany, manaiky izy fa “misy ny fiovana ao Kiobà…saingy miharatsy hatrany hatrany izany”:

Raha tsy misy ny lalàna manan-kery, dia tsy misy ny fanajana ny zon'olombelona ary miharatsy ny zava-misy noho ny fanaovana herisetra amin'ny mpitolona milamina.

Sary nampiasaina tamin'ny lahatsoratra, “Trano ao Vinales, Kiobà, masoandro mody”, nataon'i J G Blanchard Lewis, nampiasa tamin'ny fahazoan-dalàna (CC BY-NC 2.0) Creative Commons license. Tsidiho ny kaonty flickr J G Blanchard Lewis.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.