Palestina: Tafika Israeliana Nanakana Andian-tsambo tao Gaza Ary Nisambotra Mpitolona

Miaramila Isiraeliana no nandeha sambo anankiroa hizotra ho any Gaza androany maraina. Sambo Kanadiana Tahrir (Fanafahana) sy irlandey Saoirse (Fahalalahana) no niainga ho any Gaza mba handrava ny fahirano ataon'ny Isiraeliana. Nitatitra tao amin'ny Twitter ny mpanao gazety iray fa sambo Isiraeliana mpitondra komando no nanakana ireo sambo ireo tao amin'ny fari-dranomasina iraisampirenena, manamorona an'i Gaza, nisambotra mpitolona sy mpanao gazety tao anatin'ny sambo izy ireo ary nitondra azy ireo tao an-tseranantsambo Ashdod ao Isiraely.

Tao amin'ny YouTube, ny Tafika Israeliana (IDF) namoaka lahatsary mitondra ny lohateny hoe “IDF Soldiers board the vessels en-route to the Gaza Strip” ” Tafika Israeliana ao anaty sambo hizotra ho an'i Gaza” .

Andian-tsambo, antsoina hoe Freedom Waves (Onjam-Pahafahana) no nafenina mandram-pialany tao an-tseranana Tiorka hiazo an'i Gaza, roa andro lasa izay. Ankoatra ireo mpitolona, dia nahitana mpanao gazety ihany koa tao anatin'ireo sambo anankiroa nitondra fanampiana.

Mpanao gazety Alan Fisher nitatitra hoe:

@AlanFisher: Nanatona ny sambo anankiroa hiazo an'i #gaza mba hanandrana farany amin'ny fandravana ny fahirano nandritra ny efa-taona ny tafika Isiraeliana.

Fisher nanohy hoe:

@AlanFisher: Nitranga tao amin'ny fari-dranomasina iraisam-pirenena ny fanafihan'ny sambo Isiraeliana anankiroa

Nameno ny Twitter ihany koa ny fanohanana ilay mpanao gazety Ejipsiana Lina Attalah, izay anisan'ny tao anaty sambo Tahrir. Ejipsiana Amr Gharbeia ni-tweet hoe:

@gharbeia: Mahatsiaro an'i @Linaattalah sy ireo rehetra voasambotra tao anatin'ny sambo #freedomwaves, izay notazonin'i Isiraely ankehitriny

Mohamed Abdelffath nanampy hoe:

@mfatta7: Mpanao gazety Ejipsiana @Linaattalah izay tonia mpanatanteraka ao @AlMasryAlYoum_E anisan'ny tao anaty sambo Tahrir ary notazonin'i Israely ao an-tserana-tsambo Asdod

Salma Said nanontany hoe:

@salmasaid: Inona no ataon'ny governemanta Ejipsiana mikasika ny #freelina?

Ilay Toniziana Slim Amamou nanohy hoe:

@slim404: Ny namako @linaattalah nosamborin'i Israely nandritra ny #freedomwaves izay nampiasainy @alaa avatar ho fanohanana ny #freealaa #freelina

Ilay Jordaniana Shaden Abu Al-Haijaa dia niantso ilay mpanao tantara an-tsary Breziliana Carlos Latuff, izay nanao sary tamin'ny fanohanana ny fitakian'ny Palestiniana sy ny revolisiona Arabo, mba hanamboatra sary ihany koa:

@Shad84: @CarlosLatuff, miangavy anao mba hamorona sary momba ny #FreedomWaves sy ho an'ireo mpitolona tao anatin'ny sambo! @Linaattalah

Nandritra izany, mpanao gazety Isiraeliana Joseph Dana dia namehy ny zava-miseho androany tahaka izao:

@ibnezra: Ny zava-misy marina amin'ity zava-miseho ity dia tsy ara-dalàna ny fitazonan'ny tafika Isiraeliana ny mpikatroka tao anaty #FreedomWaves ao Israely tsy araka ny sitrapony.

Nanamarika koa izy hoe:

@ibnezra: Eritrereto hoe te-handeha ho any Kanada & nosakanan'ny sambo Amerikana ianao, nosamboriny ianao & avy eo nampangaina ho niditra ankeriny tao Etazonia #FreedomWaves

Notohizany hoe:


@Ibnezra
: Hogadrain'ny tafika Israeliana ao Isiraely ireo mpitolona #FreedomWaves, angamba noho ny fiampangana azy ireo ho niditra ankeriny tao Isiraely’

Tsy ilaina intsony ny manambara hoe tsy zakan'ny mpiserasera Arabo ny fanohizan'i Isiraely fahirano ny ao Gaza.

Roqayah nitaraina hoe:

@iRevolt:  #Gaza no fonja mitafo lanitra midadasika indrindra manerantany; olona 1.6 tapitrisa no nesorin'i Isiraely ny fahafahany sy ny zo fototra maha-olona ananany.

Raha te-hanaraka ireo fihetseham-po fanampiny momba ny zava-miseho, tsidiho ny teny fototra #Freedomwaves ao amin'ny Twitter.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.