Koety: Mpisera Twitter Nosamborina Ary Noafahana Noho ny “Fanebahany” Ny Emira

Efa-bolana lasa izay, nosamborin'ny polisim-panjakana ny mpisera Twitter roa sy mpisera YouTube. Tamin'ny Alakamisy 3 Novembra 2011, mpisera Twitter roa no nampanantsoina ary notazonin'ny mpampanoa lalàna noho ny fandikana ny andininy faha-54 amin'ny Lalampanorenana Koesiana izay mametraka fa: “Ny Emira no Filohan'ny Fanjakana. Tsy azo kitihina sy tsikeraina ny tenany.”

Tao anatin'ny 24 ora, noafahana i Hamad AlOlayan (@hamadalolayan) sy i Tariq Al-mutairi (@al_tariq2009). Nefa mbola hitohy ny fanadihadiana.

Tsy faly tamin'ny fisamborana ny Koesiana ary nandefa hafatra fanohanana ho azy mirahalahy. Tsy mitsikera ny fanadihadiana ny maro amin'izy ireo fa noho ny fitazonana an'i Hamal AlOlayan mialoha ny fiampangana azy. Ny hafa kosa miezaka ny hampiseho fa tsy nanimbazimba ny Emira ny mpisera Twitter mirahalahy fa samy manana ny fandraisany izay nolazain'izy mirahalahy.

Hamad AlOlayan, left with his two children and father. Photo by Nusaiba Al Anjeri.

Hamad AlOlayan, eo ankavia miaraka amin'ny zanany roa sy ny rainy. Sary avy amin'i Nusaiba Al Anjeri.

Nilaza ny tsy maha-ara-dalàna ny fombafomba natao ny mpamaham-bolongana Koesiana Khamis Almutairi (@KhamisAlmutairi) [ar]:

المشكلة ليست بالتحقيق مع حمد العليان! المشكلة احتجازه! حمد لم يتطاول صراحةً..حمد وما كتبه يحتمل التأويل بكذا معنى، لماذا هذا التعسف بإحتجازه
@KhamisAlmutairi: Ny olana tsy tamin'ny nanadihadiana an'i Hamad AlOlayan, ny olana dia ny nitazonana azy. Tsy nanompa [ny emira] mivantana i Hamad ary mbola azo iadian-kevitra ny zavatra nosoratany, ka nahoana no nasiana io fitazonana tsy ara-dalàna io?

Avy eo nanampy izy [ar]:

حمد العليان متهم، يحقق معه …يحتجز! و صباح المحمد يدان بتهمة سب النائب ليحبس لكن يتم اطلاق سراحه لينفذ باقي العقوبة خارج السجن!!..تعسف
@KhamisAlmutairi: Nohadihadiana sy notazonina i Hamad AlOlayan nefa i Sabah Al-Mohammed [fianakavian'ny mpanjaka] izay voampanga ho nanompa parlemantera dia noafahana ka nandany ny androny ivelan'ny fonja mandra-piandry ny didim-pitsarana! Tsy rariny!

Misiokantsera ny tsikerany ihany koa ny mpikatroka politika Jassim Al-Qames (@JassimQ) [ar]:

أفهم أن يكون هناك قانون ويتم تجاوزه فيتم التحقيق مع الناس وفق إنسانيتهم وليس ترهيبهم ومعاملتهم كـ”حتة لحمة”.. خصوصا أنهم لا يشكلون خطر مادي
@JassimQ: Tsy maintsy mahazo aho fa misy ny lalàna ka raha misy ny mandika izany dia hofotorana izy, saingy tokony ao anatin'ny fanajana ny zon'olombelona izany ary tsy tokony ampihorohoroana na karakaraina ho “vongan-kena”… indrindra moa fa tsy manana vatana mampatahotra izy!
الاعتقاد بأنه بإمكانك اعتقال فكرة اعتقاد ساذج، فهو لا يزيدها إلا قوة وصلابة. وللأسف بدل أن نعدل السياسات نلاحق من يشير إليها، أي كان رأيه

@JassimQ: Zazabe ihany ny fieritreretana fa azo sakanana ny hevitra, manao izay hampatanjaka ilay olona fotsiny ianao. Indrisy, raha tokony hametraka tsara ny politika isika, dia toa ilaozantsika misambotra izay mitsikera, na inona na inona hevitr'izy ireo.

Mpamaha bolongana Shurouq Muzaffar (@ShurouqM) naneho hevitra mikasika ny fisamborana hafa indray ka nilaza hoe:

الكويت عمرها ما كان فيها حرية كما يصور البعض.. الخطوط الحمراء قديمة والإجراءات التعسفية أقدم
@ShurouqM: Tsy mbola nahazo fahalalahana izay heverin'ny sasany tokony ho azony i Koety. Efa taloha ny làlana “mena” ary efa taloha be indrindra ihany koa ny fomba fanao mamitapitaka.
ماكو قناعة فعلية بالحرية عند الناس قبل السلطة، ولذلك نحن هنا
@ShurouqM: Tsy ireo manampahefana ihany no tsy manam-panantenana marina amin'ny fahafahana, fa ny vahoaka ihany koa ka izany indrindra no antony mahatonga antsika amin'izao toerana izao.

Mpikatroka sady mpamaha bolongana Dhari Al-Jutaili (@Dhari_) niampanga ny fisamborana ihany koa:

ضد إخراج الكلمات من سياقها لتلبيس التهم غصب طيب، وضد التعسف بحجز المتهمين بما أنهم لايشكلون خطرعلى المجتمع وبالإمكان الاكتفاءبمنعهم من السفر
@Dhari_: Manohitra ny resabe mikasika ny zava-mitranga aho sy ny fikasana hanisy olana amin'izany. Manohitra ny fitazonana tsy ara-dalàna ny olona tsy manohintohina ny fiaraha-monina aho. Ampy ny tsy famelana azy ireo handeha any an-tany hafa.

Mpisolo vava Bassam Alasousi (@Bassam_Alasousi) nitsikera ny fihetsiketsehana vitsy olona niseho teo anoloan'ny tranon'ny praiminisitra ho fanoherana ny fitazonana ireo mpisera Twitter roa:

سؤال: حجز المغردين كان بناء على قرار النيابة العامة والذي تقدم بالشكوى هو الديوان الأميري.. فما علاقة ناصر المحمد ليتم التظاهر أمام منزله ؟
@Bassam_Alasousi: Fanotaniana: nifototra tamin'ny fanapahan-kevitry ny mpampanoa lalàna ny fisamborana taorian'ny fitarainana napetraky ny Lapan'i Emira… araka izany, inona no azon'ny [Praiministra] Nasser Al-Mohammed atao amin'izany ho anao mba tsy hanao fihetsiketsehana eo anoloan'ny tranony?

Tetsy andaniny, mpanao gazety Mohammad Al-Baghli (@albaghli74) nitsikera ny fandraisan'ireo antenimiera anjara tamin'ny sit-in manohana ny fanafahana ny mpisera Twitter:

بدال ما النائب يشارك في اعتصام يا ريت يشرع لنا قانون للنشر الاليكتروني يحمي الجميع من تعسف اجهزة الامن
@albaghli74: Raha ilaozana mandany andro mandray anjara amin'ny sit-in, tokony hiasa mba hamoaka lalàna momba ny fahafahana mamoaka hevitra amin'ny Aterineto ny  parlemanta ho fiarovana ny tsirairay manoloana ny tsy rariny ataon'ny manam-pahefana misahana ny fandriampahalemana.

Nandritra izany, Haya Alshatti (@hayaalshatti) te-hahalala betsaka mikasika ity toe-draharaha ity:

يبيله ويكيليكس الان..ودّي اشوف السفارة الأمريكية شنو ارسلت لادارتها بواشنطن عن الاعتقالات التويترية بالكويت!
@hayaalshatti: Ilaintsika ny WikiLeaks ankehitriny! Te-hahita izay nosoratan'ny Ambasady Etazonia ho an'i [Washington] DC aho mikasika ny fisamborana mpisera twitter ao Koety!

Mpisera Twitter Saudi-Kuwaiti (@AwthahAbs) nanamarika ny tanjaka misy amin'ny Twitter [ar]:

حجز المتوترين وإستدعائهم للتحقيق..لا يؤكد إلا تيقنهم بقوة تأثير تويتر وقدرته على التغيير
@AwthahAbs: Ny fanangadrana mpisera Twitter sy ny fiantsona azy ireo atao famotorana dia manamarina fa fantatry ny manampahefana ny tanjaka ananan'ny Twitter sy ny fiovana mety ho entiny.

Taorian'ny namoahana an'i Hamad AlOlayan, mpikatroka Khaled Alfedala (@Alfadala) izay nogadraina ihany koa raha nitory azy ny Praiminisitra tamin'ny herintaona, nanolo-kevitra ny amin'ny tokony atao noho ny fahafahana ilay mpisera Twitter:

حملة شبابية لإيصال متابعين حمد العليان في تويتر الى عشرة الاف متابع
@Alfadala: Dokambarotry ny tanora mba hahatonga ny kaontin'i Hamad AlOlayan hahatratra mpanaraka 10,000.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.