Ejipta: Tokony Hisarom-boaly Koa Ny Lehilahy!

Ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011.

Niaraka tamin'ny fitroaran'ireo Islamista talohan'ny revolisiona, nitombo ny tahotra ny hisian'ny faneriterena ara-pinoana teny anivon'ny tanora, ireo vitsy an'isa ary ny vehivavy. Tsy ela akory, vondrom-behivavy Ejiptiana iray no nanangana pejy Facebook amin'ny teny Arabo, antsoina hoe “Mampanako ny Hiaka” manondro ny fanavahana ny lahy sy  ny vavy eo amin'ny fiarahamonin-dry zareo sy ny teritery mety ho avy miaraka amin'ny fahatongavan'ny Islamista eo amin'ny fitondràna. Ilay vondrona dia nanangana ihany koa hetsika iray “Fitondrana Hijab ho fanehoana firaisankina amin'ny vehivavy” [ar] izay voasoritra araka izao manaraka izao:

إذا كان الحجاب حرية شخصية و ليس رمزا للعبودية يرضونه للمرأة التي ينظرون لها كأداة جنسية و سلعة و عورة و لا يرضونه للرجال الذين إذا أرادوا إهانتهم قالوا “الرجالة لبسوا طرح”, فلن يهاجم دعاة تحجيب المرأة الرجال إذا إختاروا إرتداء الحجاب
Lazain-dry zareo fa ny voaly (Hijab) dia fahafahan'ny tena manokana fa tsy endri-panandevozana ny vehivavy, izay heverin-dry zareo ho toy ny fitaovana fakàn-taranaka fotsiny, toy ny entam-barotra, Awrah iray, nefa ry zareo ihany dia efa mampiasa ny hijab ho toy ny mari-pamantarana ny tsy fanajàna rehefa milaza “ireo lehilahy mitafy hijabs” ho toy ny manompa ny toerana misy an-dry zareo lehilahy. Amin'izany, ireo izay miantso ny vehivavy hitafy hijab dia tsy tokony hanenjika ny lehilahy raha toa izy ireny misafidy ny hitafy hijab.

Ilay vondrona dia nampakatra sarin-dehilahy maro mitafy Hijab ao amin'ny pejin'ilay hetsika, ny iray amin'ireny dia nalaina avy amin'ny fanentanana izay natomboky ny Iraniana tao anaty aterineto roa taona lasa izay ho fanohanana lehilahy iray mpianatra izay nosamborina noho izy nitafy toy ny vehivavy mba handosirana an'i Teheran, araka ny filazan'ireo manampahefana. Nandray anjara tamin'ity hetsika ity ihany koa ireo Toniziana mpampiasa aterineto ary nitondra fanehoan-kevitra niharo hehy tao amin'ny rindrin'ilay hetsika, namela fanehoan-kevitra manadrohadro manohitra ny antoko Ennahda, izay nandrombaka ny ankabeazan'ireo fifidianana Toniziana tamin'ny volana lasa iny, ary i Rached Ghannouchi no lohany.

Abdelhadi Ben Seghir dia nanamarika [fr] momba ilay hetsika, miaraka amin'ny fanakianana an'i Ghannouchi:

je suis pour le droit des frérots de porter le hijab.solidarité avec ghanoucha qui préfère le tchadri

Tohanako ireo rahalahy te-hitafy Hijab ho firaisankina amin'i Ghannouchi izay misafidy ny  Chador!

Ao amin'ny fanbehoan-keviny [fr] dia tsy manam-panantenana loatra i  Ines Ben Hamida momba ilay hetsika :

Les hommes est ce que vous pouvez mettre le voile pour nous je défie que vous seriez minorité minimine malheureusement 🙁

Indrisy fa ho tena ho vitsy dia vitsy ireo lehilahy hitafy hijab ho fanehoana firaisankina.

Emad Basta, mpampiasa Facebook, dia nanoratra ny tsy fitovian-keviny ao amin'ny rindrin'ilay hetsika:

Tsy afaka ny hanaiky an'izao aho, na ny vehivavy aza dia tsy tokony hisalobona, tsy henatra akory ny vehivavy fa mitovy amin'ny lehilahy amin'ny resaka zo satria ry zareo no tomponandraikitra amin'ny fitohizan'ny taranak'olombelona, ry zareo no mpanjakavavin'izao tontolontsika izao.
Ireo olona mangataka ny vehivavy mba hisalobona dia mpanavakavaka sy mpikambana anaty sekta ka tokony henjehina, raha toa ka henatra ny vehivavy, inona no nahatonga azy ireo hamorona io fomba io, io olan'ny fisalobonana io dia hevitry ny lehilahy te-hanjakazaka. Tsy 3awra akory ny volon'ny vehivavy, hatsaràna io, ny olona maniry hahita ny vehivavy misalobona dia ireo olona tsy mahavita mifehy ny filàn'ny nofony indrindra indrindra, ka tokony henjehina satria loza mitatao ho an'ny fiarahamonina.

Ejiptiana iray antsoina hoe لا للرجعية والتطرف (tsia amin'ny fanaovana tsinontsinona sy ny fakàna an-tendrony) dia nanoratra [ar] fa izy dia manohitra ny fanararaotana ara-pinoana atao amin'ny anaran'ny politika:

لا لاستخدام شعارات دينية ولتسيس الدين، فالدين من المقدسات والمسلمات الدينية المطلقة، والسياسة من المتغيرات التى تقبل الخلاف والإختلاف
Lavina ny fampiasàna ny marika ara-pivavahana ary lavina ny fitsabahan'ny politika amin'ny resaka finoana. Masina loatra ny fivavahana, ary ny finoana ara-pivavahana dia ekena ambonin'ny fiovàna ara-politika izay mbola isokafan'ny adihevitra sy ny tsy fitovian-kevitra.

Ejiptiana iray hafa, Amre El-Abyad , no nanoratra fanamarihana iray mikasika ny tokony ho anjara toeran'ny Lohataona Arabo amin'ny fandrisihana ny vehivavy:

Ny Lohataona Arabo dia tsy tokony ho fanonganana mpanao jadona ihany. Ny demaokrasia dia miainga amin'ny toe-tsaina. Mila mamongotra ireo fadifady manohintohina ny herim-panovàna isika: ny fanjakan'ny lehilahy, ny fivavahana diso toerana ary ny fironana be loatra amin'ny ara-nofo. Fomba tranainy ho an'ny Semitika ny hijab – izay nandraman'ny kolontsaina maro taminà vanim-potoana iray voafaritra. Na dia efa toa an-dalan'ny fanjavonany aza izy io tamin'ny taonjato faha-20, dia mbola tafatoetra sy niha-nahazo vàhana be manerana ny tontolo Arabo amin'izao fotoana misy antsika izao. Mazava tsara, tondro ho an'ny filàntsika mivaivay manao revolisiona miainga amin'ny kolontsaina sy  ny toe-tsaina io

Ny hany lehilahy nampakatra ny sariny dia i  Magdy Abdelraheem ilazany fa maneho firaisankina izy :

Sa Neb dia tonga hatramin'ny firesahana [ar] raha toa marina ka zavatra takian'ny finoana ny Hijab na tsia.

إذا إرتدي الرجال الحجاب تضامنا مع النساء أصبح ذلك إعتراف منهم أن الحجاب جزء من أنثوية المرأة ، وأنا لا أراه فرضاً إسلامياً أصلاً
Raha mitafy Hijab ny lehilahy ho fanehoana firaisankina amin'ny vehivavy ka lazaina fa mariky ny maha-vehivavy ny Hijab dia tsy hitako izay tena maha-Islamika an'izany.

Ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.