Azia Atsimo: Mankalaza ny Zazakely Faha-7 Miliara

Tamin'ny 31 Oktobra 2011, nandray ny zazakely vao teraka  antsoina hoe Oishi ny planeta. Nampitondraina hafatra manokana ny Fahaterahany tao an-drenivohitr'i Bangladesh, Dhaka -” izy no zaza faha-7 miliara eto an-tany.”

Editor.net nitatitra ity:

Eto Dhaka ny zazakely faha-7 miliara. Mohsin Hossain sy Tonni Hossain no ray aman-dreniny izay nahazo fahasoavana. Nanantena zazalahikely izy ireo tamin'ity zanany fahatelo ity. Ary ity fahatelo ity no zaza faha-7 miliara (saimbolika) eto an-tany.

Teraka tamin'ny 12:01 maraina ity zazavavikely mahafatifaty ity tao ao amin'ny toeram-piterahana sy fitsaboana ankizy Azimpur.

Sarotra tokoa ny mahafantatra mazava tsara izay tena zaza teraka  faha-7 miliara, na izany aza nisy ihany ny fankalazana saimbolika niseho manerana izao tontolo izao. UNFPA nisafidy an'i Oishi mba hanomezam-boninahitra an'i Bangladesh.

Nampian'ny tranokala hoe:

Nankalazaina ampahibemaso ny fahaterahana- nisy ny mofomamy sy ny labozia. Feno olona nitangorona mba hijery ilay zaza ny hopitaly. Notohanan'ny atrikasa faha-7 miliara ny hetsika, hetsika izay nankalazaina fatratra.

Posha Pakhi ao amin'ny vondrona bolongana Somewhereinblog.net nitatitra ny vaovao tamin'ny lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Teraka tao Dhaka ny zazakely faha- 7 miliara“. Niteraka adihevitra maromaro ny lahatsoratra:

Journo nankasitraka izany:

Tonga soa ny zaza faha-7 miliara avy ao Bangladesh. Antenaina fa hiaina  tahaka ny olona mamirapiratra izy.

Mithapur nirary soa ho an'ilay zaza ary nanontany ny amin'ny antony nahavoafidy azy sy nivazivazy kely:

Fanontaniana iray: Ahoana ny fomba nanisana fa ho zaza faha-7 miliara izy?

Ary raha hoy ny lahatsoratra hoe -

Ny zaza 7 miliara maneran-tany (raha tokony hoe faha-7 miliara) teraka tao Dhaka

Mety hitranga izany indray andro any, sa tsy izany?

Atiq tsy afaka nilaza ny mahasamihafa ny 7 miliara sy ny 7 miliara mahery iray:

Tsy azoko mihitsy ny anton'izao maresaka be momba ny 7 miliara sy 7 miliara mahery isa iray izao. Nahoana no iadian-kevitra be izany? Samy mitondra isa iray ny olona teraka, isan'andro.

Ho azy ireo tsirairay avy ny vavaka ataoko.

Na dia faly sy mankalaza ny fahaterahan'i Oishi aza izao tontolo izao, tsy dia faly be loatra ny ray aman-dreniny satria vavikely i Oishi. Naniry lahikely ny ray aman-dreniny tamin'ity indray mitoraka ity (efa vavy ny roa voalohany).

Sri lankan mother Danushika Perera cuddling her newly born baby

Reny Sri lankana Danushika Perera miaraka amin'ny zanany vao teraka. Sary avy amin'i Rohan Karunarathne. Copyright Demotix (31/10/2011)

Tsy tao Bangladesh ihany, fa fankalazana mitovy tahaka izany ihany koa no nitranga tamin'ny firenena maro manerantany. Tao Sri Lanka, nankalaza ny fahaterahan'i Muthumani ny UNFPA,  zazavavikelin'i Ishara Madushanka sy Danushika Dilani Perera.

Mitovy toy izany koa ny tao Inde, nankalaza ny fahaterahan'i Nargis ny fikambanana Tetikasa Iraisam-pirenena ho fanamarihana ny zaza faha- 7miliara maneran-tany ihany koa.

LiveIndia.Com nitatitra hoe:

Ao Lucknow, renivohim-pirenena Uttarpradesh ao India, zazavavilkely antsoina hoe Nargis no zaza simbolika faha-fito teraka ny maraimben'ny Alatsinainy. Nomena anarana hoe Nargis izy.

Fanairana ho an'izao tontolo izao ny fitomboan'ny isan'ny mponina maneran-tany, Muthumani, Oishi sy Nargis nanome hafatra fa tokony tsy ho tsinotsinoavina intsony ny ankizy vavy amin'ny hoavy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.