Global Voices Podcast: Famenoana ny Banga Eo Amin'ny Teny

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Akory aby!

Ao anatin'ity famoahana Podcast an'ny Global Voices ity isika dia hiresaka ireo teny izay sarotra tadiavina eo anivon'ny aterineto. Teny iray saro-tadiavina eto amin'ny aterineto ve no teneninao?  Avy aminà faritra iray izay tsy ampiasàna betsaka ny tenin-dreninao ve ianao? Ankoatra izany dia mety ho isan'ireo olona maro manerana ny tany izay miteny sy manoratra ireo  “teny zara raha misy mahalàla” ianao. Miandrandra mafy ny tetikasa 11 Eleven amin'ny 11/11/11 ihany koa isika.

 

Fifanakalozan-dresaka vaovao ho fitehirizana ny teny aty anivon'ny aterineto

Ny vaovao tsara dia eto amin'ny Global Voices, izahay dia mikaroka làlana vaovao ho an'ny olona mba hampiasàna ny mediam-bahoaka hanomezana tanjaka sy hankafizana ireo teny zara raha misy mahalàla ary ireo tenim-bazimba. Eddie Avila no talen'ny tetikasa Rising Voices eto amin'ny Global Voices. Nolazainy tamiko ny fomba nahatonga azy hitrandraka ity resaka ity sy ny ny fomba fiarahany miasa amin'ny New Tactics for Human Rights sy ny hafa mba hanentanana ny fifanakalozan-dresaka.

Ao anatin'ny tafatafanay i Eddie dia manamarika ihany ny asa mahasondriana nataon'i Kevin Scannell. Kevin dia mpampianatra kajy sy siansan'ny solosaina ao amin'ny Anjerimanontolon'i St. Louis ao Missouri, Etazonia. Manazava izy ny fomba natao handraketana an-tsarintany ireo bitsiky ny Vazimba sy ny bilaogy kiritika manerana ny tany.

Finday manampy amin'ny fiatrehana ny fanambin'ny teny any India

Tsy mbola mora mihitsy akory ny mampiasa finday mba hidirana amin'ny tontolon'ny aterineto mampiasa ny teny zara raha misy mahafantatra. Saingy ny aterineto dia feno an'ireo olona te-hametraka fanamby toy izao mba hahatonga ny tontolo dizitaly msy antsika ho tena toerana ifanotronana bebe kokoa. Iray amin'ireo mpanoratry ny Global Voices i Aparna Ray, nandefa ahy tany amin'i Shubranchu Choudry izay miaza miaraka amin'ny CG Net Swara, fampielezam-peom-paritra mandeha amin'ny finday ao India. Nazavainy ny fahafahan'io tolotra io manampy ny olona izay tsy miampiasa ny teny fampiasa betsaka indrindra mba hifandraisana.

Podcast iray amin'ny teny Quechua

Tena misy marina tokoa ny fandraisana andraikitra tena mahaliana ao anaty aterineto izay afaka manampy antsika rehetra hitrandraka ireo teny zara raha misy mahalàla ety anivon'ny aterineto. Christine Mladic no mpandrindra ilay tetikasa ao amin'ny Foibe fikarohana momba an'i Amerika Latina sy Karibeana ao amin'ny Anjerimanontolon'i New York, ary mirotsaka amin'ny fanatontosàna andianà podcast antsoina hoe Rimasun izay manasongadina sy mampiasa ny teny Quechua isan-karazany.

Andro iray fitadidy

Satria ity no andiany amin'ny Podcast Global Voices ho an'ny volana Novambra, midika izany fa mbola aty alohan'ny 11/11/11 isika. Andro manokana ho an'ny tsirairay ihany koa izy ity handraisany anjara amin'ny Tetikasa 11 Eleven. Danielle Lauren no talen'ny famoronana ary izy  no nanazava ny amin'izay hitranga ary ny fomba azontsika rehetra handraisana anjara

Ny sasany amin'ireo olona maneranan ny tany izay tanisain'i Danielle dia sady mpanoratra ihany koa ao amin'ny Global Voices, sy masoivohon'ny Tetikasa Eleven Eleven, noho izany dia nantsoiko i Salman Latif ao  Pakistana sy Lalatiana Rahariniaina avy any Madagasikara mba hizara ny fanantenan-dry zareo amin'io andro io.

Izahay koa mba isany…

Hatreo iahny aloha no azontska ampidirina momba ity podcast ity. Saingy misy ny vaovao tsara! Efa misy amin'ny endrika vaovao ankehitriny ny podcast vokarin'ny Global Voices! Raha liana amin'ny fizaràna onjam-peo ho an'ny daholobe ianao, dia mety te-hihaino amin'ny alàlan'ny PRX. Raha tianao koa ny handre resaka lavalava kokoa na clips niarahana tamin'ireo vahininay, dia azonao arahana izany ankehitriny ao amin'ny SoundCloud. Ifampizarao aminay ny tontolonao mba hahafahanay mamerina mizara azy indray aminareo avy eo!.

Mozika…

Afaka maheno hira maro mahafinaritra mampiasa ny Creative Commons iaoa ao anatin'ilay podcast. Raha te-hahafantatra misimisy kokoa mikasika ireny mpanakanto ireny ianao dia ireto ny rohy omena anao. Isaorana ny Orb Gettarr ho an'ny Return of the Atlanteans Lemurian Candidate, i Mark Cotton ho an'ny Spiritualized Homage, i Superbus feat. NS ho an'ny Fujjad! Ny ankamaroan'ireo mozika dia hita ao amin'ny  OpSound.Org, The Free Music Archive na avy amin'ireo mpanakanto mivantana. Isaorana koa ny rehetra noho ireo feo mahafinaritra anatin'ireo fisehoana sy clips izay nanampy tamin'ny fandrafetana miaraka ilay podcast.

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.