Tonizia: Fenointsika Ny Valantserasera!

Nisesisesy ny lahatsoratra nameno ny valantserasera maneran-tany raha nanapa-kevitra hibosesika ao amin'ny Facebook sy Twitter ny mpiserasera Toniziana amin'ny fanehoan-kevitra ataony. Nanomboka izany rehetra izany ilay mpiserasera naneho firaisankina sy fanohanana ny hetsika “Bodoy Wall Street” tao Amerika tamin'ny alalan'ny fandefasana hirahira sy hafatra tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny Filohan'i Etazonia Barack Obama. Maro tamin'ireo fanehoan-kevitra no mahatsikaiky noho ny fomba nanandraman'izy ireo nanao endrika Amerikana ny hiran'ny revolisionany izay nanomboka tamin'ny volana desambra farany teo. Nisy ny teny fototra noforonina tao amin'ny Twitter antsoina hoe #TrollingObama. Marina tokoa fa tsy natao hanohanana ny hetsika manerana an'i Etazonia ihany ny lahatsoratra fa natao mba hitsikerana ny politika momba ny raharaham-bahiny ao Etazonia.

Indreto fihetsehampo sasantsasany tao amin'ny Twitter:

@JuveSimo: Tsy mampino! Maherin'ny 75 000 ny fanehoan-kevitra ao amin'ny #fb ofisialin'ny Filoha Obama. Naneho firaisankina mahafinaritra ny Toniziana.

@esslem: 2008 Obama : Vitantsika io.. 2012 Obama : Oh tsy vitako Tsy vitako 🙁 Manadala ahy ny Toniziana :'(Tsy vitako 🙁

@GKaroui: #Lahatenin'i Obama nilaza fa hofaiziny mafy  ny mpanao fihetsiketsehana.

@Geekette86: Taorian'ny #TrollingObama sy ny #TrollingSarkozy, manao ny #TrollingNetanyahu koa ny Toniziana ankehitriny, #TrollingGhannouchi ary #TrollingSaudi

@butterfly_miss_: Manome aretin'andoha ho an'ny ekipan'ny  fifandraisana an'i #Obama ny Toniziana

@maydu: Vaovao farany: #Libya matahotra hampiasa ny fahefany amin'ny safidy tsy azo ivalozana mba hialana amin'ny firotsahan'ny Firaisambe Afrikana an-tsehatra i #US #trollingobama.

@othmaniRabeb: Fanamarihana ho an'izao tontolo izao: Raha tsy manana herinaratra sy Aterineto intsony i Tonizia, dia noho ny governemantan'i Obama xD #Censorship

@slim404: Tonizia Trolls™ mampiseho fa voafehiny tanteraka ny FB. Zuckerberg natahotra ka nanakatona ny rindriny ao amin'ny Facebook http://facebook.com/zuck

@AfefTN: mahatsikaiky ny hevitra ao amin'ny #trollingobama, feno hatsikana mainty ary misy hafatra matotra ambadik'izany.

@AfefTN: fanazavana momba ny #trollingobama : Tsy nanao izany mba hihomehezana fotsiny ny Toniziana, fa mba hamazivaziana ny governemantan'i Obama izay manambara fa manohana ny demokrasia ao amin'ny tontolo Arabo kanefa mampijaly ny vahoakany.

@TunisianAmazigh: Toniziana aho ary afa-po amin'ny #FahalalahakoOfTrolling 😀

@Dima_Khatib: Nanoratra tao amin'ny pejy Facebook an'i Obama ny Toniziana : Obama,  Katahotra Olon'ny Amerikana! 🙂 (teny ampiasaina amin'ny mpanao didijadona arabo).

Hatramin'ny valo ora alina (ora EST) dia nihoatra ny 80.000 ny hevitra nivoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'i Obama, ary ireto ny pikantsarin'ny voasoratra:

Nanomboka tamin'i Obama ity fanafihana amin'ny alalan'ny spam ity mba hampisehoana ny fandavan'ny Toniziana ny herisetran'ny polisy manoloana ny mpanao fihetsiketsehena tamin'ny “Hetsika Bodoy”, tsy niandry fotoana ela ny Toniziana  niditra tamin'ny pejy ofisialin'ny Filoham-pirenena frantsay Nicolas Sarkozy ary nampiasa ny teny fototra #TrollingSarkozy.

Anisan'ny nokendren'ny hetsika “trolling” [fanaratsiana] ihany koa ny Praiminisitra Italiana Silvio Berlusconi, ny Praiminisitra Isiraeliana Benjamin Netanyahu, ny filohan'ny antoko Islamika Toniziana Al-Nehdeh Rached Ghannouchi , Hanibal TV izay voampanga ho niray tendro tamin'ny fitondrana teo aloha sy nahazo famatsiambola avy amin'ny Libyana Moamer Al-Gaddafi, ary Al-Jazeera Mubashar satria nampangain'ny Toniziana ho nitsabaka tamin'ny raharaha anatiny tao amin'ny fireneny i Qatar , Ejypta, ary Lybia, indrindra tamin'ny fanohanany ny Islamista. Amin'ity sary nalaina ity, afaka vakiana eto ny fanehoan-kevitra avy amin'ny rindrin'ny Islamista Toniziana Rached Ghannouchi. Ny sasany manoratra hoe “Mialà” izay teny frantsay malaza nampiasaina nandritra ny fihetsiketseham-panoherana mitaky ny fialan'ny Filoha Toniziana efa voahongana Zeine Al Abedine Ben Ali. Ny hafa kosa miaro an'i Habib Bourgiba, filoha Toniziana talohan'i Ben Ali, izay notsikerain'i Ghannouchi. Fanehoan-kevitra iray nanoratra fehezanteny nalain-tahaka sady maneso fa mody nanoratra i Ghannouchi mba hiampanga ny herisetran'ny polisy manoloana ny mpanao fihetsiketsehana “Bodoy i Wall Street”:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.