Ejipta: Raharaha Fampijaliana Iray Hafa Indray Taorian'ny Revolisiona

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tattra manokana ataonay momba ny Revolisiona any Ejipta 2011.

Ny alina nialoha ilay andro nanapahan'ireo Ejiptiana hevitra fa hiverina any amin'ny Kianja Tahrir ry zareo “hangataka ny revolisiona,” nisy vaovao nanaitra, nampahatsiahy fa mbola ho ela vao ho tapitra ity revolisiona ity.

Ny toby fitaizana ireo niharan'ny herisetra, Al Nadeem, dia nanambara tao amin'ny pejiny Facebook:

ho sazy noho ny nandraisany an-tsokosoko ny “carte SIM” tamin'ny findainy tao amin'ny efitra nisy azy tany amin'ny fonjan'ny Turah, Essam Ali Atta izay voasazy roa taona an-tranomaizina tamin'ny fitsaràna miaramila ny 25 Febroary, dia nanaovana herisetra mahery vaika  tamin'ny fanasisihana fantson-drano tany am-bavany sy tao amin'ny lava-bodiny amin'ny hopitaly Qasr El Eini izay nahafatesany.

Taorian'izay dia namoaka ny sarin'ny vatan'i Atta ny pejy Facebook an'ilay maritiora Ejiptiana malaza Khaled Said, ary namerimberina fa noho ny fampijaliana ara-batana no nahafaty azy.

Niteraka fisahotahana tamin'ireo vohikalan'ny media sosialy, indrindra Twitter, ny momba ny nahafatesan'i Atta, izay nanarahan'ireo mampiasa tamin-tahotra ny fanampim-baovao navoakan'ilay mpisolovava Malek Adly satria izy nanome fanohanana ara-dalàna ho an'ny fianakavian'ity maty.

Nitatitra i Adly tao amin'ny kaontiny fa nahita ny vatan'i Essam Atta izy ka:

أنا شفت جثمان عصام الله يرحمه مفيهوش إصابات بس هدومه متقطعه وبيجيب مياه من فتحات جسمه
@malekadly: Nahita ny vatan'i Essam Atta aho. Tsy naratra izy saingy rovitra ny akanjony ary nisy tsiranoka nivoaka tamin'ny lavaka rehetra amin'ny vatany.

Taorian'izay dia navoakany ny antony ofisialy nahafaty azy:

قئ دموي حاد أدي لهبوط حاد ف الدوره الدمويه وتوقف عضلة القلب نتيجة تسمم غير معروف..دا الثابت ف المحضر 5537 إداري مصر القديمه
@malekadly:  Nando rà ka nitarika fikorontanan'ny fifezivezen'ny ra, ary nijanona tsy nitempo intsony ny fony noho ny poizina tsy fantatra. Izany no voasoratra tao amin'ny tatitra lah. 5537 tany amin'ny polisin'ny disitrikan'ny Misr Al Qadima.

Nahatonga ny mpisiokantsera sasany tahaka an-dry Adel Salib sy Peter Ramzy handeha any amin'ny tranompaty any Zeinhom izay nisy ny faty ireo siokantsera nalefan'i Adly , ho fanohanana ny fianakavian'i Atta.

Ilay mafàna fo Mona Saif, mpandrindra ny vondrona Tsia Ho an'ny Fitsarana Miaramila Atao amin'ny Olon-tsotra, dia nanome fanampim-baovao mmba ny raharahan'i Atta.

“Essam Ali Atta, 23 taona, dia voasazyr oa taona an-tranomaizina teo anoloan'ny fitsarana miaramila. Saika hanohitra izany sazy izany izahay kanefa maty anrdoany izy noho ny fampijaliana.”

Hatezerana sy fisahotahana no ankabeazan'ireo fanehoan-kevitra tamin'ny Twitter; namorona ny tenifototra #EssamAtta ireo mpisiokantsera mba hanehoana ny fahasorenany ny amin'ny mbola fisian'ny fampijaliana mandeha hoazy tahaka izany any Ejipta na dia efa dila aza ny revolisiona.

Nitranga izany roa andro taorian'ny niafaran'ny raharahan'i Khaled Said tamin'ny sazy fito taona an-tranomaizina ho an'ilay mpanome vaovao sy ny kaporaly tompon'andraikitra tamin'ny nahafatesany. Maro ny nahita fa “maivana” loatra izany sazy izany ary nanameloka ny rafi-pitsaràna izany nandray ity raharaha ity tahaka ny raharahana famonoan'olona ambaratonga faharoa noho ny fidarohana mafy, fa tsy famonoan'olona ambaratonga voalohany.

Toa mitombo ny hasorenana amin'ny asan'ny mpanolotsaina miaramila amin'ny fitantanana ny tetezamita any Ejipta, ary ny sasany dia miteny fa efa manangasanga eny ampara-vodilanitra eny ny fifanandrinana.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Revolisiona any Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.