Korea Atsimo : Tsy Nampihemotra Ireo Mpifidy Ny Fampitandremana Natao Tamin'ireo Mpanentana Ao Amin'ny Twitter

Ny renivohitr'i Korea Atsimo, Seola, ny 26 oktobra 2011 dia nifidy ny ben'ny tanànany vaovao. Ny fiadiana ny toerana maha ben'ny tanàna dia tena ady goavana be teo amin'ilay vehivavy mpilatsaka ho fidiana avy amin'ny antokon'ny fitondrana sy ilay tsy mbola fantatra loatra izay avy amin'ny antoko demokratika izay tena tohanan'ireo mafàna fo sy ireo mpampiasa Twitter.

Na dia eo aza ny fampitandremana avy amin'ny manam-pahefana amin'ny fanehoana fiangàrana amin'ny kandidà iray, ireo mpampiasa Twitter anefa dia haingana dia haingana amin'ny fandrisihana ny mpifidy, indrindra ireo tanora, mba handray anjara amin'ny fandatsaham-bato. Vokatr'izany, io fifidianana io dia nahitàna ny taham-pifidianana ambony dia ambony[ko] tsy mbola nisy toy izany, nahatratra 46 isan-jato ary i Park Won-soon, ilay kandidà demokratika izay matetika hàlan'ireo mpanankarena avy ao Korea atsimo, no nandresy.

Ny fandraisan'anjaran'ny Twitter tamin'ilay fifidianana

Vote confirmation photo. Posted by Twitter User @mizry, in May 2011 election.

Sary fanamafisana ny ifidianana. Nampiakarinà mpampiasa Twitter @mizry, Tamin'ny volana May 2011 .

Ny fiadiana ny toerana maha ben'ny tanàna tao Seola dia fotoana iray nanan-tantara teo amin'ny sehatra ara-politika tao Korea Atsimo ary ireo kandidà dia matetika novinavinaina fa mety hilatsaka ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy mahagaga izany raha toa ka nahery vaika ilay fampielezan-kevitra, nahitàna fanambaràna manala baraka sy ny fiahiahiana ny maha izy azy ireo kandidà.
Ankoatra ireo zavatra niantraika tamin'ilay fampielezan-kevitra, Twitter dia nandray anjara toerana lehibe indray teo amin'ny valim-pifidianana. Ny manam-pahefana Koreana Tatsimo dia nahita mihitsy ny herin'ny Twitter tamin'ny fiantombohan'ity taona ity (jereo ny ‘lahatsoratry ny Global Voices’ Korea Atsimo : Fifidianana mahazendana, satria nitarika ny olona handatsa-bato ny Twitter’.)

Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, ny Kaomisiona nasionaly misahana ny fifidianana ao Korea Atsimo dia nampitandrina ireo mpanentana ao amin'ny Twitter, isan'izany ireo mpanao sarimihetsika, mpanao hatsikana, mpanoratra, mpanao gazety ary ireo bilaogera izay nandrisika be ny olona hifidy, izay manohitra ny fanehoana fiangarana ara-politika. Ilay sampan-draharaha koa dia nampahatsiahy ny mponina mikasika ny toromarika hentitra ao amin'ny firenena momba ny fakàna sary; afaka maka sary ny toeram-pifidianana ny olona iray, fa kosa voarara ny maka sary ilay taratasim-pifidianana, na ny ao anaty tranokely fandatsaham-bato.

Niteraka resabe avy hatrany ilay fanapahan-kevitry ny Kaomisiona  nasionaly misahana ny fifidianana hanjakazaka amin'ireo mpampiasa Twitter.  Ilay Kaomisiona dia  nanazava [ko] fa hatramin'izay nanohanan'ireo mpampiasa matanjaka am-bava sy am-pahibemaso an'i Park, tamin'ny fandrisihana ny olona hifidy ny olona sahaza io toerana io dia sahala amin'ny manosika ny olona hifidy an'i Park raha ny marina. Ny fampielezan-kevitra anaty aterineto dia naneho [ko] fa arakaraky ny fiakaran'ny tahan'ny mpifidy, no anakaikezan'i Park ny fandresena.

Famoretana atao amin'ny mpanentana eo amin'ny filazam-baovao ara-tsosialy.

Toy ny hoe tsy manisy hasiny ilay fanapahan-kevitry ny kaomisiona nasionaly misahana ny fifidianana, maro amin'ireo olona malaza eo amin'ny sehatra politika no nanohy nandrisika hatrany ny olona handeha handatsa-bato tamin'ny fomba maro samy hafa. Kim Yeo-jin, mpilalao sarimihetsika mafana fo (@yohjini), dia nandefa bitsika an-tsary iray mampiseho azy manao fihetsika amin'ny tànany maneho ny fampanantenany hifidy.

Lee Oi-soo (@oisoo), mpanoratra tantara malaza ary tafiditra ao amin'ireo mpandefa bitsika dimy voalohany be mpanaraka indrindra ao an-toerana, dia nandefa bitsika hoe [ko] :

Nanamarika aho fa maro ny bitsika milaza fa hanoratra anarana hifidy. Nanomboka teo dia tsy maintsy nipetraka tao anatin'ilay kaomisiona nasionaly misahana ny fifidianana aho, mety hangina ny vavako ary handefa fotsiny izay mitranga [ao amin'ny tontolon'ny Twitter, raha toa ka tokony hilaza ny heviny manokana], kanefa izao no zavatra azo antoka : tsy ho viravirain'izy ireo aho.

Kim Jae-dong (@keumkangkyung), mpanao hatsikana malaza ary mpampihomehy, dia nandefa bitsika hoe [ko]:

Raha toa ka mihoatra ny 50 isan-jato ny taham-pifidianana, dia ho esoriko eny amin'ny tendrombohitry Samgak ny ambonin'akanjoko [ho mariky ny fankalazàna].

Mpanao gazety iray ao aminà gazety mpandàla fiovàna (progresista) sy iray hafa avy amin'ireo mpandefa bitsika dimy voalohany be mpanaraka ao an-toerana, Huh Jae-hyun (@welovehani), dia nanakiana [ko] ny tsy fiheveran’ ilay kaomisiona tamin'ny fametrahana teitery ho an'ireo mpampiasa Twitter :

선관위. 지난 주민투표 때는 투표인증샷에 대한 제한기준 발표 안하더니 이번에는 갖가지 규제. 투표율 높으면 선관위한테 좋을텐데. 대체 이유가 뭘까.

Ireo olona ao amin'ny kaomisiona nasionaly misahana ny fifidianana ireo – dia tsy nanambara toromarika mikasika ny sary fanamafisana ny fidianana tamin'ny fitsapan-kevibahoaka farany teo. Kanefa ankehitriny, tonga izy miaraka amin'izao fandraràna rehetra izao. Raha ara-teknika, tsara ho azy ireo ve ny hiakaran'ny taham-pifidianana ? Maninona izy ireo no manao tahaka izao?

Mpampiasa Twitter mahafatra-po iray, Doa (@doax), no nanakiana[ko] ilay kaomisiona noho ny fandrindràna ny bitsika :

선관위. 정말 악질인 듯. 오늘 투표 독려도 안되는 것으로 아는 사람이 많다. 박원순 멘토단 투표독려를 금지한 때문. 여러 분 투표독려는 상관없습니다. 유명인도 안철수씨는 독려하면 안되지만 김연아는 됩니다.

Tena devoly mihitsy ilay kaomisiona nasionaly misahana ny fifidianana . Maro ny olona mahatakatra ny lalàna satria ny olona tsy avela mandefa bitsika fandrisihana hifidy na dia amin'izao fotoana izao aza.[Naoty : ny fameperana ny bitsika fandrisihana hifidy dia nivoaka hanan-kery roa volana nialoha ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra ary nanomboka tamin'ny fanombohan'ny fifidianana] Izany dia satria noraràn-dry zareo  ny mpanohana an'i Park tsy handefa bitsika handrisihana ny olona hifidy. O rey olona a, afaka ny hifandrisika ny olona tsirairay avy mba handeha hifidy.  Izany koa dia [hafahafa hoe manàna lalàna isan-karazany izy ireo ] ho an'ireo olo-malaza.  Tsy mety amin'i Ahn Chul-soo ny mandrisika ny mpifidy, raha toa i Kim Yuna kosa afaka nanao izany tsy nisy teritery. [Naoty : Ahn dia mpandraharaha manan-kaja sy ambony izay nanorina ny orinasa iray mpanao “antivirus” ary profesora amin'izao fotoana izao , raha toa ka tompon-daka eran-tanin'ny fikorisàna amin'ny skate kosa i Kim].

Myung Seung-Kwon (@DrMyung), fizisiana mpikambana sady mpahay siansa sangany ao amin'ny  Foibem-Pirenena Miady amin'ny Homamiadana ao Seola, dia nandefa bitsika [ko] niaraka tamin'ny fampihomehezana :

본인이 유명인인지 확인할 수 있는 절호의 찬스! 투표 독려 트윗을 날렸을 때 선관위에서 연락오면 유명인 맞음

Vintana iray faran'izay tsara io hanamarinanao hoe malaza ianao sa tsia. Mandefàsa fotsiny bitsika mandrisika ny olona hifidy. Raha mamaly anao ilay kaomisiona [miaraka amin'ny teny fampitandremana] dia midika izany fa tena olona malaza [mpitarika] ianao.

Han Hak-soo (@Mbcpdhan), mpamokatra iray miaraka amin'ny MBC, tambajotranà fahitalavitra ao Korea Atsimo, dia nibitsika [ko] sary fanamafisana ny hifidianany niaraka tamin'izao fanamarihany mihantsy izao : “indro ny sary fanamafisana ny hifidianako! Tsy te-handiso fanantenana ny zanakolahy aho izay mihevitra ahy ho olo-malaza. Noho izany ry kaomisiona nasionaly misahana ny fifidianana, miangavy, sazio aho !”

Posted by Twitter User @Mbcpdhan, taken at one of the voting stations.

Nakarin'ilay mpampiasa Twitter @Mbcpdhan, nalaina tany amin'ny toeram-pifidianana iray.

Na izany aza, maro ireo mpampiasa Twitter milaza fa i Park sy ny mpanohana an'i Park dia ‘havia’ miaraka amin'ny ‘fandaharan'asa sosialista’ ary firehana miandàny amin'i Korea Avaratra’

Tato aoriana i Lee Hyo-ri (@frog799), mpihira vehivavy avy ao Korea Atsimo ary olo-malaza iray manintona , dia nandefa bitsika [ko] ny amin'ny fanekeny hifidy, Storyboardher  (@storyboard7), mpampiasa Twitter iray, dia nanendrikendrika [ko] azy ho lasa any amin'ny hery ankavia :

좌파 연예인들 방송은 보지도 듣지도 맙시다. 이효리양도 좌파 선언을 했군요.

Izahay aza tsy mijery sy mihaino fandaharana amin'ny fahitalavitra mampiseho ireny mpanao hatsikan'ny avy amin'ny hery ankavia ireny. Ramatoakely Lee Hyo-ri dia nanambara sady nanamarina ny tenany mihitsy ho iray isan'ireny avy amin'ny ankavia ireny.

Lee Hyori (@frog799) namaly hoe [ko] “Hmm. Inona no atao hoe avy amin'ny ankavia?”, nahatonga valinteny mampisalasala maro hafa mikasika io fanasokajiana io. Chun Dong-hwan (@jdhkyh) nandefa bitsika hoe [ko] :

투표하러 가면 좌파인가요? 참나…. 그럼 투표하러 간다는 이효리씨에게 좌파라 하시는 분은 낼 투표 안하실껀가 보네요. 투표하면 좌파? 안하면 우파? 뇌구조 참 웃기는 분이네. 단순해서 좋겠소

Moa ve isika avy amin'ny hery ankavia satria mandeha mandatsa-bato? Tsy mampino…Ary ianao, izay miantso an'i Hyo-ri hoe avy amin'ny ankavia,  tsy hifidy ianareo izany rahampitso ? Rehefa mifidy ny olona, midika izany fa avy amin'ny ankavia ry zareo ary rehefa tsy mifidy izy ireo, dia elatra havanana? Manana atitodoha hafa firafitra ianareo. Koa, mety ho tsara kokoa raha tsotra ny sainareo.

Ny olona sasany naneho hevitra ampy fiheverana kokoa.  Haksoo Bae (@way_Tao) nilaza [ko] fa ny mpampiasa Twitter be mpihaino toy izany no mandrisika ny olona hahay hisafidy ny olona ho fidiany:

이효리, 박중훈, 김제동의 투표권유는 순수하지않다. 그들은 8월 무상급식투표에도 시민에게 투표참여를 독려했는가? 그들은 투표 불참이 한나라당에 타격을 줄때에는 투표방해를 방관하고, 투표참여가 한나라당을 불리하게 한다고 판단할때는 투표를 독려한다.

Ny fandrisihan'i Lee Hyo-ri, Park Jung-hoon, ary Kim Jae-dong mba hifidy dia tsy afa-misaraka amin'ny resaka politika. Tsy amporisihan'izy ireo hifidy amin'ny nahim-pony ny olona amin'ny fitsapan-kevibahoaka amin'ny volana Aogositra. Rehefa mamela takaitra ho an'ny Grand National Party ny fahambanian'ny tahan'ny mpifidy, tsy mba mandrisika ny olona hifidy izy ireo. Rehefa miasa ho amin'ny fanoherana ny antokon'ny fitondrana ny fiakaran'ny tahan'ny mpifidy, eo izy ireo vao mandrisika ny olona hifidy.

Niezaka mafy hanao izay handehanana hifidy ny olona na dia tery dia tery aza ny fandaharam-potoanan'izy ireo. Profesora ao amin'ny Anjerimanontolom-Panjakana ao Seoul i Cho Guk (@patriamea), nampiditra [ko] bitsika maro nanehoana fa tena matotra ny olona.

Bitsika iray [ko] avy amin'ilay mpampiasa Twitter@urgood1109 no mivaky toy izao :

Profesora Cho. Mila tonga eny amin'ny seranam-piara-manidina aho rahampitso amin'ny 7:30 maraina- ho an'ny asako izany. Fa alohan'ny hahatongavako eny, dia andeha eny amin'ny toeram-pifidianana aho aloha amin'ny 6 maraina. ary mety ho izaho no mpifidy handatsa-bato voalohany amin'io toeram-pifidianana io. Fa tsy maninona izany, tsy hitsahatra ny hifidy mihitsy aho.

Niaraka tamin'izay, Oh Jin-ah (@dodani90) dia nandefa bitsika [ko] hoe:

상암동 주민 한분이 전화로 “깜짝놀랐어요.이제까지 선거하면서 출근시간에 젊은사람들 이렇게까지 줄서서 기다린건 처음이네요” 하시네요.

Olona iray mipetraka ao Sang-Am Dong no niantso ahy ary nilaza hoe “Tena gaga be aho. Tsy mbola nahita tanora nilahatra hifidy aho hatramin'izay amin'ny ora maha-be atao toy izao.”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.