Meksika: Miadihevitra Momba Ny Famerenana ny Fifidianana

Tao anatin'ny herinandro, niadihevitra momba ny fanavaozana politika ny Antenimieram-pirenena, izay araka ny hevitr'ireo mankatò izany fepetra izany, fa hanova ny fitsipika momba ny fanaovana politika Meksikana ary hampisy fifandanjam-pahefana bebe kokoa hanome vahana ny olom-pirenena.

Tamin'ny 25 Oktobra 2011, taorian'ny fandalovan'izany tao amin'ny vaomieran'ny Antenimierampirenana Iray, dia niadian-kevitra tanteraka ny volavolan-kevitra. Na dia izany aza, fantatr'ireo mpanohana ny tolo-kevitra fa tsy mafonja araka izay tadiavina ny singa ahafahana mandresy lahatra, tahaka ny famerenana ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanao lalàna, ary ny “fanapahana ny fotoam-piasana”, fantatry ny maro kokoa amin'ny hoe famerenana ny fifidianana.

Ity hevitra farany ity no niadian-kevitra mafana tao amin'ny Antenimiera sy tamin'ny valantserasera tamin'ny 25 Oktobra.

Misy akony lehibe eo amin'ny fiarahamonina ny mety hanatontosana ny famerenana ny fifidianana, fiarahamonina izay mahatsiaro voatohitohina avy etsy sy eroa hatrany ary mahatsiaro ho tsy mba manana solontena, araka ny nolazain'i Omar Bello (@Think_Omy):

Pido #RevocaciondeMandato para #JavierDuarte el peor inicio de un gobierno estatal en #Mexico #VerFollow #InfoVeracruz

Nanontany ny amin'ny #FamerenanaFifidianana an'i #JavierDuarte aho, ny fanombohana goveremantam-panjakana ratsy indrindra ao #Mexico #VerFollow #InfoVeracruz

Tsy nankatoavin'ireo vondrona solombavambahoaka avy amin'ny Antoko Revolisioneram-panjakana (Parti Révolutionnaire Institutionnel) (PRI), ny Antoko Mpiaro ny Tontolo Iainana Maitso ao Meksika (PVEM), ary ny Antokom-Piarahana Vaovao (PANAL) ny tolo-kevitra. Noraisin'ny maro ho toy ny esoeso izany, satria efa nisy ny dokambarotra nataon'ny PRI mba hiantsony azy hoe “Ny PRI vaovao” ka miara-dalana amin'ny hevi-baovao sy fitantanana vaovao, Jorge Arturo Aguilar (@Jorge_GuitarP) nanoratra hoe:

En el #nuevoPRI no queremos #cosasnuevas que afecten nuestros viejos intereses aunque beneficien los de ustedes” #RevocacionDeMandato

Amin'ny#PANALvaovao, tsy mila #zavabaovao manimba ny tombontsoa  anatin'ny fotoana lavitr'ezaka izahay, nefa manome vahana anareo amin'ny  #FamerenanaFifidianana

Sandra GLG (@sandybell08) nametraka fanontaniana izay manitikitika ihany koa ireo Meksikana maromaro:

Si no tienen miedo de los ciudadanos y están seguros de su “buen” trabajo xq no aprueban #RevocacionDeMandato ?? #YoMePregunto

Raha tsy matahotra ny olom-pirenena izy ireo ary mahatoky ny asa “tsara” ataon'izy ireo, nahoana no tsy mankasitraka ny #FamerenanaFifidianana?? #ManontanytenaAho

Ary nofaranan'i Doctora (@doctora) toy izao izany:

¿Cómo hemos podido mantener una clase política tan podrida, tan cínica y tan insensible por tanto tiempo? #RevocacionDeMandato

Ahoana no nahafahantsika hitazona mpanao politika mpanao kolikoly, tsy mahalala menatra ary tsy mba manana fo mangoraka hatramin'izay? #RecallElections

Nanomboka mitriatra ny firaisana nananan'ny antoko PRI nandritra ny adihevitra teo aloha raha manomboka misintaka amin'ny hevitra ijoroan'ny antoko ny solombavambahoaka sasantsasany araka izay asongadin'i Maite Azuela (@maiteazuela) hoe:

3 diputados #PRI votaron a favor de revocación de mandato Miguel García Granados, Manuel García Corpus y Ricardo Abued cc @salcamarena

Solombavambahoaka 3 ao amin'ny #PRI no nifidy ny famerenana ny fifidianana Miguel García Granados, Manuel García Corpus sy  Ricardo Abued cc @salcamarena

Nofehezin'i José Merino (@PPMerino) tamim-bazivazy ny toe-draharaha:

Querid@s votantes, les negamos tener una democracia representativa en la que uds importen. Voten por nosotros en 2012. Atte, PRI-PVEM-PANAL

Ry mpifidy namana, tsy hamela anareo hahazo ny demokrasia mahasolotena izay tadiavinareo izany. Fidio izahay amin'ny taona 2012. Amim-pahatsorana, PRI-PVEM-PANAL.

Jesús Robles Maloof (@roblesmaloof), nanasongadina, tamin'ity fanamarihany nataony ity :

Podemos apoyar a un partido, a otro o a ninguno, lo que no podemos permitir es que sigan concentrando tanto poder. #RevocaciondeMandato

Afaka mifidy antoko iray isika, na antoko hafa, na tsy mifidy ny iray amin'izy ireo akory aza, ny tsy azontsika ekena dia ny fanohizan'izy ireo mitazona fahefana marobe. #FamerenanaFifidianana

YONOFUI (@Yonofui) iray amin'ireo mpiserasera manohana ity fanovana ity, taorian'ny adihevitra mafana tao amin'ny Antenimieram-pirenena, nandefa hafatra ho an'ny tsirairay izy mialoha ny hatoriany:

Creo que lograremos que MX de ese paso hacia adelante, nos va a costar trabajo, pero es muy posible

Inoako fa handroso i Meksika aorian'izao, tsy maintsy hiasa mafy isika, afaka tanterahina tokoa izany.
Sarin'ny Antenimieram-pirenena avy amin'i Tracy Wong (CC BY-NC-SA 2.0)

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.