Yemen: Vehivavy Yemenita Mandoro Ny Voaliny

Nandoro ny voaliny sy ny folarany androany ny vehivavy Yemenita ho marika fanamelohana ny herisetra sy ny sotasotan'ny fitondrana, izay namono olona 25 nandritra ny alina tany Sanaa sy Taiz ary nikendry vehivavy tamin'ny farany teo. Hetsi-panoherana tsy misy ifandraisany amina zon'ny vehivavy na fanoherana ny voaly islamika io satria mety ho tsy azon'ny olona ilay fihetsika fa hazolava na antso vonjeo, mamely ny fitondrana.

@SupportYemen misiokantsera:

Yemeni women burnt their veils in protest to the regimes violence and crimes, especially the targeting of women… fb.me/AdNY5LTS

Vehivavy Yemenita mandoro ny voaliny ho fanoherana ny herisetra sy ny famonoan'ny fitondrana, indrindra raha atao amin'ny vehivavy izany.

Ny lahatsary manaraka, navoakan'i EyesSemitic ao amin'ny YouTube, mampiseho ireo vehivavy mivory ao anatin'ny fihetsiketsehana eo amin'ny lalana faha-60 ao Sana'a izay andoroan-dry zareo ny voaly:

Namoaka fanambarana mafonja sy fiangaviana amin'ny fiarahamonina (foko) sy amin'ny fiaraha-monim-pirenena ny vehivavy Yemenita hampitsahatra ny herisetran'ny fitondrana. (lahatsary navoakan'i  ainnews1)

@Dory_Eryani nisiokantsera ny foto-kevi-dehiben'ny hafatry ry zareo, nozaraina tao amina trakitra:

“Here we burn our makrama [honour] in front of the world to witness the bloody massacres carried out by the tyrant Saleh,” #Yemen #burningveils

Eto izahay mandoro ny makrama [voninahitray] eo anoloan'izao tontolo izao ho vavolombelon'ny fandripahan'olona ataon'ilay mpitondra tia herisetra Saleh

Ny fandoroana voaly ataon'ny vehivavy ao amin'ny fomban'ny foko dia filazana antso vonjy. Fiaraha-monim-poko ny any Yemen ary henatra lehibe any Yemen sy amin'ny Islam amin'ny ankapobeny izany mamono vehivavy izany, koa hafatra mazava sy mavesatra nataon'ny vehivavy Yemeni amin'ny foko misy azy sy amin'izao tontolo izao amin'ny ankapobeny [io fihetsika io] hidiran'ireo an-tsehatra hampitsaharana ny famonoana ny mpanao fihetsiketsehana.

@SummerNasser:

Women burnt veils today during protests. The burning of the veils are to symbolize that they are calling for tribes to help them. #Yemen #yf

Nandoro voaly ny vehivavy androany nandritra ny hetsika. Ny fandoroana voaly dia marika hita maso fa miantso ny foko ry zareo hamonjy azy ireo

@JamjoomCNN:

Female at veil burning: “Tribes must undrstnd they won't be respected by Yemeni women if they stay quiet while their women..attacked” #Yemen

Vehivavy ao amin'ny fandoroana voaly: “Tokony ho azon'ny foko isan-karazany fa tsy hajain'ny vehivavy Yemenita ry zareo raha tsy mihetsika ry zareo [nefa tafihana] ny vehivavy

Na dia ao anaty fiaraha-monina mandala ny nentin-drazana aza ny vehivavy Yemenita dia nampiseho ny ohatry ny fahasahiana sy ny taletan'ny fahaiza-mitarika nandritra ity revolisiona ity, izay mampirehareha ny Yemenita rehetra, araka ny siokantseran'i @Mo_Alsharafi:

The Yemeni women are really heroines. thanks for all #Yemen's Women Revolutionaries.

Tena mahery fo tokoa ny vehivavy Yemenita. Ankasitrahana ny vehivavy revolisioneran'i Yemen

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.