Kolombia: Nidina an-Dalambe Ny Mpiasa Sy Ny Mpianatra

Volana Nisiana fifanenjanana tao Kolombia ny oktobra 2011. Nampisy fihetsiketsehana an-dalambe avokoa ny fifidianam-paritra ho avy amin'ny Alahady 30 Oktobra, ny Fifanekena Ara-barotra Malalaka miaraka amin'i Etazonia, ary ny fanavaozana ny rafi-pampianarana ambony.

Tamin'ny 7 Oktobra, niantso fitokonana nanerana ny firenena ny sendikà noho ny mety ho fisiana hitsivolana maromaro tapaka izay mety hanova zavatra betsaka amin'ny fiaimpiainan'ny mpiasam-panjakana.

Ny bolongan'ny Estudiantes de la Universidad de Pereira [es] (“Mpianatry ny Anjerimanontolon'i Pereira”) sy ny vohikala [es] hafa no namoaka fanambarana an-gazety milaza fa lazain'ny sendikàn'ny mpiasa [es] mampisy olona maro ho tsy an'asa ny sasantsasany amin'izany fanovana izany:

 Public worker's demonstrations in Bogota. Image by Luis Gómez, copyright Demotix (7/10/2011).

Mpiasam-panjakana nanao filaharam-be tao Bogota. Saripika Luis Gómez, copyright Demotix (7/10/2011).

En cuanto al Paro Nacional Estatal, sus organizadores aducen como razón principal el incumplimiento del Gobierno en la expedición del decreto sobre negociación colectiva en el sector Estatal, que reforma el Decreto 535 sobre la materia. El texto del nuevo decreto fue acordado hace 4 meses por el Gobierno, las centrales y los sindicatos estatales, pero aún no ha sido firmado por el Presidente Santos.

Las otras razones del paro estatal tienen que ver con otras disposiciones del Gobierno. Una es que la Comisión Nacional del Servicio Civil se niega a aplicar el Acto Legislativo 04 de 2011, con perjuicio para cerca de 120 mil funcionarios provisionales; otra es la poca voluntad política para erradicar la tercerización laboral en el sector público; y una cuarta es el proceso de reestructuración de entidades estatales, que según los sindicatos implicará la pérdida de empleos para miles de empleados públicos.

Raha jerena ny fitokonana nasionaly, mino ny mpikarakara ny fitokonana fa ny antony voalohany nahatonga izany dia ny naneken'ny fitondrana avy hatrany ny didy hitsivolana, manova ny hitsivolana 535, nefa tsy nisy fifampiresahana tamin'ny sehatry ny asam-panjakana. Efa nifanarahan'ny governemanta, ny sendikan'ny mpiasa sy ny mpiasam-panjakana ny didy hitsivolana vaovao efa-bolana lasa izay na dia mbola tsy nosoniavin'ny Filoha Santos aza.

Mifandraika amin'ny lalàna hafa napetraky ny fitondrana ny antony hafa nampisy ny fitokonana. Antony iray ny nandavan'ny Comision Nacional del Servicio Civil (Vaomieram-Pirenena Misahana ny Asam-panjakana) hametraka ny Lalàna lanin'ny Antenimiera faha-04 tamin'ity 2011 ity, izay mifantoka amin'ny mpiasa an-tselika mahatratra 120.000; ny antony hafa dia mifandraika amin'ny tsy fahasahiana politika hanafoana ny fampanaovana olona hafa ny asa sahanin'ny Fanjakana; ny antony fahaefatra dia fandrafetana indray ny asam-panjakana, izay araka ny lazain'ny sendikàn'ny mpiasa fa hanafoana asam-panjakana an'arivony.

Daniel Echeverry, avy amin'ny bolongana Cosas que se deben cambiar (“Tsy maintsy miova ny zavatra maro”), manambara fa tsy ny mpiasam-panjakana ihany no nandray anjara tamin'ny fidinana an-dalambe, fa ny mpianatry ny Anjerimanontolo ihany koa [es]. Ankoatra izany, manahy izy fa tsy mahalala ny antony ambadik'itony fihetsiketsehana itony ny olona:

Con tristeza nos dimos cuenta de que hay más fuerza pública contratada, que profesores, la gente está más a la expectativa de los conflictos o disturbios que se puedan presentar, y no tiene idea de lo que se está pidiendo ni por qué se está protestando..

Indrisy, hitantsika fa maro kokoa ny mpitandro ny filaminana mifampiraharaha amin'ny fanjakana noho ny isan'ny mpampianatra, mora mirona amin'ny fifandirana sy ny tabataba ny olona, tsy fantany akory ny takian'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny antony mahatonga azy ireo hanao fihetsiketsehana.

Julio Roberto Gomez, mpitarika sendikaly, mametraka fa tsy nanatontosa izay efa nifanarahana hametraka Fifanarahana arak'asa iraisana ho an'ny mpiasam-panjakana 800.000 [es] ny fitondrana. Fifanarahana vonjimaika ihany no ananan'ny sasany amin'ireo mpiasa ireo.

Voafehy ao anaty andininy valo ny antony nahatonga ny fitokonana izay ahitana “Fahasarotana mahazo ny mpiasan'ny fahasalamana na miankina na tsia amin'ny fanjakana sy ny zo hahazo fanabeazana ary ny Anjerimanontolo miankina amin'ny fanjakana” [es].

Momba ity raharaha ity ihany, nanao filaharambe tany amin'ny faritra maro nanerana ny firenena ny mpianatry ny anjerimanontolo tamin'ny 12 Oktobra. Nanatsonga izao lahatsoratra manaraka izao [es] ny bolongana Fosforito ary navoakan'ny mpamham-bolongana hafa ihany koa:

En Colombia más de 250.000 estudiantes dijeron NO a la privatización de la educación; la única respuesta del gobierno son encarcelamientos arbitrarios, heridos y un estudiante asesinado por las habituales fuerzas oscuras del estado colombiano.

Mandà ny hanomezana ho an'ny tsy miankina ny fampianarana ny mpianatra mihoatra ny 250.000; fanagadrana tsy amin'antony, olona maratra sy mpianatra darohan'ny tafika miafin'ny fanjakana Kolombiana no setrin'izany.

Mbola namoaka fanambarana an-gazety [es] navoakan'ny Mesa Amplia Nacional Estudiantil (“Foibe Nasionalin'ny Mpianatra”) [es] tamin'ny 12 oktobra ihany koa ny bolongana Fosforito:

En el marco de la Movilización Nacional en contra de la Ley 30 y su respectiva reforma, y por la construcción de un modelo educativo mas justo e incluyente, los estudiantes organizados a nivel nacional en la Mesa Amplia Nacional Estudiantil, MANE, acordamos realizar un paro nacional universitario de carácter indefinido tras la radicación del proyecto de ley, el cual se mantendrá hasta que el gobierno nacional lo retire y dé garantías para la construcción de una reforma realmente democrática y que responda a las necesidades de la universidad y del país, estableciendo para ello como hora cero, el 12 de octubre del presente año; dicha jornada se venia desarrollando de manera exitosa, durante el día de hoy con la participación de más de 200.000 personas entre estudiantes, trabajadores, profesores y padres de familia quienes se movilizaron a lo largo y ancho del territorio colombiano.

Ao anatin'ny fanetsiketsehana nasionaly hanoherana ny lalàna 30 sy ny fanitsiana aterany, sy ho fanohanana ny fametrahana modelim-panabeazana iraisana sy mirazotra dia nifanaiky ny mpianatra manerana ny firenena mivondrona ao amin'ny Mesa Amplia Nacional Estudiantil, MANE, fa hanao fitokonana faobe sy lavareny mandra-panaisotry ny fitondrana ilay lalàna sy hiantoka fanitsiana demokratika tena izy izay mifanojo amin'ny ilain'ny anjerimanontolo sy ny firenena. Hanomboka amin'ny sasakalin'ny 12 Oktobra amin'ity taona ity ny fitokonana; nahomby ny [fitokonana] tamin'ity andro ity izay nahitana mpandray anjara mihoatra ny 200.000 ahitana mpianatra, mpampianatra sy ray aman-dreny izay nanao fihetsiketsehana nanerana ny firenena Kolombiana.

Ao amin'ny Twitter, hita rehefa mampiasa ny tenifototra #NoReformaLey30 (“Tsia amin'ny fanitsiana ny Lalàna 30) sy #NoLey30 (“Tsia amin'ny Lalàna 30″) ny adihevitra. Manoratra i Juan D. Barreto R (@Jdbarretor) [es]:

Quiero tu propuesta! quiero tu PROTESTA!!! #NoReformaley30!

Te-hahare ny soso-kevitrareo aho! mitady ny FANOHERANAreo! #NoReformaley30!

Misaotra ireo nisiokantsera tamin'ny fampiasana io tenifototra io i Vida Torres (@LaVidaTorres) [es]:

Infinitas gracias a Tod@s los chicos q han hecho esta protesta virtual #NoreformaLey30 en su TL. Sí a la educación de calidad!!!!

Mankasitraka anareo tamin'ny fanehoam-pihetsiketsehana an-tserasera niaraka tamin'ny #NoreformaLey30 tao amin'ny riakan-tsehony. Eny amin'ny fanabeazana misy kalitao!!!!

Miresaka momba ny fampindramam-bola atolotra ao amin'ny fanitsiana ny fampianarana ambony i Porfirio Gaia (@idealibertaria)[es]:

Estudiando, 5 años. Pagando 20 años. #NoReformaLey30

5 taona mianatra, 20 taona mandoa vola #NoReformaLey30

Manitrikitrika i Sharito Otero (@Sharito_O_P) [es]:

#NoreformaLey30#NoLey30 !! Vivaa El #ParoNacional Universitario!!

#NoreformaLey30#NoLey30!! Ho ela velona ny #ParoNacional [Fitokonan'ny Anjerimanontolo Nasionaly]!!

Manamafy i Katherine Galvan [es]:

Jajaja hoy me preguntaron cuando me iba a graduar, y no estoy segura quizas en el 2089 o 3000 pero todo por una buena causa #NoLey30

Hahaha nanontaniana aho androany raha handray diploma, tsy fantatro loatra an, mety ho amin'ny 2089 na 3000, saingy tsy maninona e, ho amin'ny antony tsara ny zava-drehetra #NoLey30

Todo lo que hay (“Ity izany”) namoaka ny lahatsarim-pihetsiketseham-panoherana tao Medellin [es]:

Heverina ho nahomby ny fitokonan'ny mpiasa [es] noho ny hamaroan'ny olona nandray anjara, sady tsy nisy ny olana teo amin'ny fitandroana ny filaminana ary tsy nisy ny fifandonana tamin'ny polisy. Saingy nandritra ny fanoheran'ny mpianatra no nisy fifandonana tamin'ny ESMAD (Vondrona Misahana ny Fifehezana ny Fanakorontanana) arympianatra iray maty nandritra ny fanapoahana baomba ovy tao Cali.

Araho ny tenifototra #Ley30 raha te-hanaraka ny tohin'ny raharaha momba ny fanavaozana ny fampianarana any Kolombia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.