HiperBarrio: Fanaovana Sarintany Avy Amin'ny Alalan'ny Balaonina Ny Manodidina An'i La Loma

Olona notohanan'ny Rising Voices fahiny tamin'ny HiperBarrio any Medellín, Kolombia no manohy ny fandraisan'anjarany amin'ny asan'ny media mirotsaka an-tsehatra ao amin'ny manodidina an'i La Loma. Ho fanabeazam-boho ny asa vitan'izy ireo tany aloha nandrakitra an-tsarintany ny vondrom-piarahamoniny niaraka tamin'ny  Open Street Maps, ny tariky ny ConVerGentes dia nanapa-kevitra ny hitrandraka ny tontolon'ny fanaovana sarintany avy amin'ny alalan'ny balaonina. Miaraka amin'i Fredy Rivera, iray tena mankafy ny fanaovana sarintany, mpikambana maro avy ao amin'ny tarika no nandray anjara tamin'ity andrana vaovao ity, ho toy ny làlana iray hahafahana manana fomba fijery hafa ny vondrom-piarahamonin-dry zareo. Gabriel Vanegas, mpandrindra ilay tetikasa, dia nanoratra hoe::

Lo más divertido fue tomar las fotos aéreas y lo más delicado recuperarlas. Debemos reconocer que estas imágenes nos aportan para tener un mejor reconocimiento del territorio y aportar al ejercicio de mapeo en esto de hacer cartografía social.

Ny isan'ny tena mahaliana indrindra dia ny fakàna sary avy eny ambony eny ary ny tena saropady indrindra dia ny fanangonana azy ireny avy eo. Tsara ny anekentsika fa manampy antsika ireny sary ireny mba hahafantarana misimisy kokoa ny faritra misy antsika sy handraisana anjara amin'ny fananganana sarintany momba ny resaka sosialy.

Ireto misy sary avy amin'ny hetsika nataony tamin'io andro io. An'ny HiperBarrio ny sary rehetra ary nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-SA 2.0.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.