Etazonia: Fanambin'ny Fahasamihafan'ny Hetsika “Fibodoana”

Iray volana taorian'ny fibodoana ny faritra ara-bolan'ny tanànan'i New York, Wall Street, mihamivelatra ny hetsika ary maka toerana malalaka [an'ny fanjakana na kaominina] vaovao ny olona. Mpikatroka sy fikambanana izay niaritra – nandritra ny fotoana maharitra – ny elanelana mampisaraka ara-politika, toekarena ary sosialy no milaza ny fahatafintohinany. Hatramin'izao moa ny ao Bronx, BrooklynWashington HeigthsHarlem atsinanana ary ny manodidina an'i Jamaica ao Queen no niteny hoe : Indreto Izahay!

Malik Rashan, iray amin'ny mpanorina ny hetsika hampiditra vondron'olona samihafa, Occupy the Hood [Bodoy ny Fokontany], nanazava fa nahamarika ny tsy fahitana Afrikana-Amerikana sy Latinos tao amin'ny Kianjan'ny Fahafahana ka nanapa-kevitra ny hiantso azy ireo. Niely any amin'ny tanàna maro any Etazonia ny Hetsika Bodoy ny fokontany (@OccupyTheHood) hikendrena ny hahazoana olona avy amin'ny hafa volonkoditra sy hafa firenena hoditra ao amin'ny hetsika fibodoana.

Ity misy ny tafatafa tamin'i Malik navoakan'i Eliad19606:

People of Color /#OccupyWallStreet koa dia natsangana tamin'ny hevitra mitovy ihany. Mitady ny “hampivelarana ny fahatsapan-tenan'ny tsirairay momba ny hetsika” sy hampiditra olona araka izay tratra ireo olona niharan'ny krizy ekonomika. Ao amin'ny vohikalany dia ahitana ny hetsika efa nataony sy minitra maromaron'ny fihaonana nataony. Iray minitra, ohatra, manambara ny fifanekena teo amin'ny vondrona mpandihy Mexica, izay nanao fampisehoana teo amin'ny Wall Street tamin'ny 10 oktobra, ho fanandratana ny [reny] tany sy ny razana. Azonao vakina moa ny lahatsoratra roa momba ity hetsika ity, “Fandaharam-potoana avy amin'ny Vazimba Teratany Fizarana 1 & 2“, avy amin'i Thanu Yakupitiyage sy i Saara Azadi.

Ao amin'ity Lahatsary navoakan'i Thanuska ity, ahitana ny sombin'ny fotoana:

Tsy isalasalana, rehefa mitohy eny an-dalambe, gazety, aterineto, fahitalavitra ary ao an-tsaintsika ny fanoherana dia hanontany tena ny olona amin'ny fomba hanajana ny tantarany maro samihafa, ny maha-izy azy, ary ny tolona atrehiny ary – mandritra izany fotoana izany- ny fiaraha-mitolona hanova lalina ny fiaraha-monina.  Raha ny marina, nisy ny adihevitra mahaliana amin'ny fampiasana ny fomba fisainana “fibodoana” hamaritana ity hetsika ity. Olona avy amin'ny foko, fiaviana ary kolontsaina samihafa no niady hevitra sy nieritreritra ny dikan'ny  “fibodoana [occupation]” eo amin'ny fiainany sy ny manodidina azy. adihevitra nanaporofo ny fanambin'ny fananganana hetsika mahatafiditra ny rehetra sy mirazotra.

Araka izay fanazavana mety tsara avy amin'ilay mpikatroka sady mpanoratra Harsha Walia ao amin'ny taratasiny ho an'ny hetsika Miaraka Mibodo:

Hampatanjaka ity hetsika ity ny fahafahany mahazo ny karazan'olona rehetra sy fisokafana malalaka mihaino izay mety ho marina manelingelina momba ny rafitra mangeja ambonin'ny ‘fikambanan'ny ratsy sy ny hatendan-kanin'ny banky’. Tsy hampanjavona azy vetivety ny fodiana fanina amin'ny ambaratonga manelanelana antsika. Ny mifanohitra amin'izany ary no hitranga – hampisongadina ny elanelana.

Raha hamaky ny lahatsoratra iray manontolo, tsidiho ny bolongana in front and center: critical voices of the 99% [manatrika sy afovoany: feon'ny 99%] . Manolotra ny feon'ireo fiarahamonina voahilikilika izay ilaina amin'ny adihevitra mandeha amin'izao fotoana izao io sehatra nomerika io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.