Arzantina: Fifidianana Ho Filoham-pirenena, Fitetezana Bilaogy

Namoaka vokatra somary efa nampoizina ihany ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tao Arzantina: ny nahavoafidy indray  ny filoha amperinasa, Cristina Fernández de Kirchner. Taorian'ny fandreseny mazava tany amin'ireo fifidianana savaranonando volana vitsy lasa izay, tsy nahataitra intsony an'ireo mpanohitra aza ireo isam-bato 37 nanasaraka ny filoha tamin'ilay laharana faharoa. Ny fandresena midadasika be azony dia nandrisika ireo bilaogera hanadihady ny toe-draharaha politika. Hatramin'ny 2009, ny tontolon'ny bilaogy mpomba an'i Kirchner  dia nampiseho fahavitrihana goavana na dia niezaka mafy ny hahazo laka koa aza ireo antoko politika hafa.

Ity famintinana ity dia atombotsika amin'ireo bilaogy izay manana fijery manakaiky kokoa ny governemanta, atomboka amin'ny Arte Politica [es], izay ilazàn'ireo mpanoratra ao aminy hoe:

Somos un país mejor porque, 28 años después, la democracia argentina está más viva y más vibrante que nunca. Con elecciones limpias, libres, y en donde participa rutinariamente casi el 80% de los electores.

Firenena mendrika isika satria, 28 taona aty aoriana, tena velona sy mihetsika fatratra tsy misy toy izany ny demaokrasia aty Arzantina. Miaraka aminà fifidianana madio, malalaka izay manakaiky ny 80%-n'ny mpifidy no efa zatra manao izany

Mpifidy miandry ny handatsaka ny vatony tao Buenos Aires, Arzantina, tamin'ny 23 Oktobra 2011. Demian Martinez, Copyright Demotix

Tao Bolazos de los medios [es] Ariel Andres Tapia dia mampahatsiahy an'ireo “faminaniana” maro isan-kazarany nataon'ny media tany amin'ny taona 2009 ka hatramin'izao, izay nanindry fa efa voaisa ny andron'ny governemanta kirchnerista. Ny bilaogy El Magma [es] dia miresaka izay olana izay ihany koa.

Mundo Perverso [es] dia manamarika fa:

Ayer fue un día verdaderamente histórico. Luego de 4 años de gobernar contra las cuerdas, con la presión constante y operaciones de prensa permanentes en contra, con un vicepresidente opositor y con una oposición que no tuvo límites ni reparos a la hora del odio y la irracionalidad, ganó Cristina y, con ella, ganó Argentina.

Tena andro manan-tantara marina tokoa ny omaly. Taorian'ny 4 taona nitondràna tanaty fihenjanana, niaraka tamina teritery tsy nitsahatra sy  ny resaka an-gazety maro natao hamelezana azy, ary filoha lefitra iray avy amin'ny fanoherana izay tsy nanisy fetra na fisalasalàna raha resaka fankahalàna sy fanaovan-javatra tsy ampiheverana, dia nandresy i Cristina, ary miaraka aminy koa, nandresy i Argentina.

La Lectora Provisoria [es], bilaogy iray fantatra miaraka amin'ny antoko Coalición Cívica misy an'i Elisa Carrió, miteny hoe:

Ahora, estoicismo. Habrá que digerir la apabullante derrota y no pensar demasiado en los tiempos que tenemos por delante.

Ankehitriny, fahasahiana. Tsy maintsy ekentsika ny faharesena goavana, ary tsy hitaredretra manoloana ny fotoana hoavy.

Izany dia satria ny mpirotsaka naroson'izy ireo ho filoham-pirenena, Carrió, no nitàna ny vodilaharana tamin'ireo mpirotsaka rehetra, miaraka aminà vato latsaky ny 2%, raha any ambonin'ny 20% no nisy azy fony tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena farany. Ao amin'ilay bilaogy mpomba an'i Kirchner, Militancia Kreativa [es], ry zareo ao dia manaraby ilay mpirotsaka natolotry ny antoko Coalicion Civica (CC) ho ao amin'ny kaongresy, Fernando Iglesias, izay tsy nahazo ny vato ilaina mba ho azo fidiana ho ao amin'ny kaongresy. Iglesias dia namoaka lahatsoratra iray ao amin'ny bilaoginy [es] maka arak'heviny ny vokatra tamin'ny 23 Oktobra.

Ao amin'ny bilaoginy, i Hernán Haines [es] milaza hoe

Hubo un 45 por ciento del electorado que no la votó [se refiere a la presidenta] y, por lo tanto, no merece ser descalificado ni subestimado (…) Sra. de Kirchner, por favor, tome nota de lo que sucede en el resto del mundo. En las naciones en donde los gobiernos se vienen abajo es, justamente, porque sus líderes, electos por grandes mayorías, luego se olvidan de su pueblo y éste, más tarde o más temprano, reacciona.

Nisy  mpifidy 45 isan-jato tsy nifidy an-dramatoa [filoha] io, noho izany, tsy mendrika ny ho tsinontsinoavina sy hohamaivanina ireny mpifidy ireny (…) Mrs. Kirchner, miangavy anao mba hijery izay zava-mitranga any amin'ny faritra sasany manerana izao tontolo izao. Any amin'ireo firenena izay nirodana ny governemanta, ny antony dia satria ireo mpitondra azy, voafidin'ny maro an'isa, dia nanadino ny vahoakany nony taty aoriana kely, ka ry zareo ireny, na ho ela na ho haingana,  no hihetsika.

Ao amin'ny bilaogin'ny Comuna 12 [es] avy amin'ny Unión Cívica Radical, iray amin'ireo antoko politika fatra-pandàla ny nentin-drazana ao Arzantina, izay nahazo ny laharana fahatelo tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, i Ernesto Sanz dia manadihady ny fifidianana sy ireo fanamby tsy maintsy hatrehan'ny antoko amin'ny hoavy.

Farany, i Fabio [es] dia mijery ny fahasamihafan'ireo isam-bato azon'ny mpirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena tany amin'ny fifidianana savaranonando ary ny fifidianana farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.