Mozambika: Fampivondronana Ireo Tantsaha Madinika Mba Hanànana Ho Avy Mamirapiratra

Ny tantarantsika dia miainga any amin'ny faritra anaty ala Avaratr'i Mozambika, firenena mahantra iray ao Afrika izay manana mponina mahatratra hatramin'ny 20 tapitrisa ka ny 70%-n'ny mponina  dia tantsaha madinika avokoa. Ny tantaran'i Mozambika taorian'ny fahaleovan-tenany dia feno ady an-trano sy fiovaovan'ny lasitra ara-toekarena.

Atoa Júlio dos Santos Pêssego, avy any amin'ny faritanin'i Niassa, no hany tafarina. Tao aminà fianakaviana tantsaha madinika iray no nahalehibe azy, teo amoron'ny renirano lavitry ny tanàn-dehibe akaiky indrindra, ary araka ny fitantarany ny fahazazàny dia tena hitany fa “sarotra” tokoa izany. Ankehitriny, dia izy no anisan'ireo mpitarika voalohany ny “hetsiky ny tantsaha” ao amin'ny faritanin'i Niassa, miasa mba hiarovana ny zo amin'ny fananan-tany, hampitomboana ny famokarana sakafo ary hiainan'ny fianakavian'ny tantsaha ao anatin'ny fahampiana.

I Pêssego, etsy ankavia

Tena lavitra ny dia

Tsaroan'i Pêssego ny nahitàny ny fahaleovan-tena ny taona 1975 toy ireny tovolahy vao any amin'ny taona faharoa ireny, rehefa avy niasa tao aminà orinasa mpamokatra irony famonoana bibikely irony izy. Tamin'ireo taona voalohany nahazoan'ny Mozambikana fahaleovan-tena, dia voatery niala tamin'ny fianarany izy ary tsy mba afaka nanatontosa ny sekoly salntsalany akory. Avy teo, dia niteny izy hoe:

Devido a guerra de resistência, abandonei o meu emprego no ex-complexo agro pecuário e refugie me no distrito de Cuamba onde aparentemente era seguro. Dediquei me na produção de hortícolas para a minha sustentabilidade. Com o fim da guerra, circundei as montanhas para uma zona denominada Mutaco.

Nohon’ ny fisian'ny ady, dia nialàko ny asako tao aminà toeram-pambolena sy fiompiana iray ary nitsoaka tany amin'ny distrikan'ny Cuamba aho, toerana  izay hita fa toa nandry fahalemana. Nanolo-tena hamboly legioma aho mba hanavotako ny tenako. Tamin'ny fiafaràn'ny ady, dia nandeha niodidina ireo tendrombohitra ho any amin'ny toerana vaovao izay atao hoe Mutaco aho.

Tany Mutaco, dia niditra tao aminà fikambanana tantsaha iray izy ny taona 1999 ka ny tanjony tamin'izany dia ny hanao fiompiana osy. Tafajoro indray i Pêssego ary nanana ny ampy, kanefa nanana faniriana ihany koa izy hanampy ireo tantsaha mba hiaraka hotafarina aminy, ary nankahery ny olona izy mba hiatrika ireo fanamby manoloana azy rehetra ka hiohoitra bebe kokoa noho ny hoe ho tafavoaka fotsiny.

I Pêssego niaraka tamin'ny namany sady mpiara-miasa aminy ao amin'ny Alifa Aide (eo ankavanany)

Raha niaraka tamin'ireto ekipany tena mafana fo tokoa, dia nanangana fiaraha-miasa tamin'ireo ONG matanjaka iraisam-pirenena izy, nahazo fanampiana avy amin'ireo malala-tànana Eorpeana izy, ary mpifandray akaiky amin'ny governemanta amin'ny anaran'ireo tantsaha. Ho an'ny asany dia nianatra namily fiarakodia ihany koa izy, mba hivezivezena ao amin'ny faritany izay efatra avo eny raha miohatra amin'ny haben'i Angletera. Ka nilaza izy fa:

Mas sublinhar que todo este tempo nunca abandonei a produção de alimentos. Principalmente hortícolas.

Tiako ho tsindriana tsara anefa fa tsy mbola nitsahatra namokatra sakafo aho nandritr'izany fotoana rehetra izany. Indrindra fa ny legioma.

Fananganana hetsika nasiônaly

Ny hetsiky ny tantsaha dia nipongatra tamin'ny fomba ôfisialy avy amin'ireo kaoperativa notohanan'ny fanjakana hatramin'ny nihatahan'ny governemanta Mozambikana tamin'ny sôsialisma ny taona 1980.Tena sarotra tokoa ny nandresy lahatra ireo tantsaha ireo hoe ny fiarahana miasa dia zavatra iray mety hahatonga mankany amin'ny fahavitan-tena rehefa tsy ny any ambony no manery amin'ny fanatanterahana azy.

Ilay fikambanana nasiônaly dia nantsoina hoe UNAC, na ny Fiombonam-be Nasiônalin'ny Tantsaha Mpamokatra, ary ivondronan'ireo vondrona madinika ifanampiana avy any ifoton'ny tanàna any.

Firesahana ny vidin-tsakafo sy ny olana eo anivon'ny fiarahamonina miaraka amin'ireo tantsaha mafana fo

I Pêssego, dia raim-pianakaviana iray manan-janaka fito sady tomady ara-batana ary manana fandresen-dahatra matanjaka, manao teny malefaka ary tsy mba lava resaka, mitantara angano izy sady manao vazivazy rehefa miresaka amin'ireo manodidina azy. Ny dikan'ny anarany amin'ny fiteny Portogey dia “paiso”.

Iray amin'ny teny filamatra mba ankafiziny dia ny angano iray momba ny bitro sy ny leôparda avy any amin'ny faritra : “raha mila zavatra ianao, dia tokony hangataka izany”. Ataony filamatra izany teny izany ary nadikany hoe: ny manana fahefana dia mampiasa ny hakingan-tsaina hifehezana ny tanjak'ireo be sandry mba hitazonana ny tombony efa azo, ary tokony ho fetsy kokoa noho izany ireo marefo mba hahazoany izay ilainy..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.