Ejypta: Manaraka Akaiky ny Fifidianana ao Tonizia

Ny revolisiona Toniziana no nialoha ny revolisiona Ejypsiana, ary nanomboka tamin'izany, nanintona ny Ejypsiana ny tolona mankany amin'ny demokrasia nataon'i Tonizia. Ary ankehitriny ny Toniziana – na ao an-toerana na ivelan'i Tunisia – miomankomana amin'ny fifidianana ny mpikambana eo anivon'ny antenimieran-dalampanorenana izay hanendry ny governemanta vaovao ary hamolavola ny lalampanorenana vaovao ihany koa

 

Birao fandatsaham-bato ao amin'ny ambasady Toniziana ao Kairo. Sary nalain'i Nessryne Jelalia

Efa nanomboka nifidy telo andro mialoha ny fifidianana ao Tonizia ireo izay monina ivelan'i Tonizia, anisan'izany ireo monina any Ejypta.

@SoniaElSakka: 20, 21,22 Okt Andeha hifidy manerana izao tontolo izao ny Toniziana monina any ivelany. 3 androm-piravoravoana, nofy izay tsy mba nantenaintsika hotanteraka ta7ya [ela velona] Tunis #TNelec

Nessryne,  Toniziana monina ao Kairo, ni-tweet ny fihetsehampony taorian'ny fifidianana voalohany teo amin'ny fiainany izao.

@nessryne: Amin'izao fotoana maharavo izao! milamina tsara ny birao fandatsaham-bato ao Cairo ary miresaka tsara avokoa ny olona saingy hentitra kosa. #Egypt #TneElec

@nessryne: Mila mangina aho! Tsy maintsy miasa aho anio! Ravoravo tanteraka ary FALY!!! #TneElec

Sonia El Sakka, Toniziana hafa ao Ejypta, nanoratra tao amin'ny bilaoginy:

Nifidy aho tao Tonizia 🙂
Nataoko izany … nifidy ihany aho farany … Vao voalohany teo amin'ny fiainako, lehibe tokoa izany fihetsehampo feno rehareha, hafaliana ary fanantenana goavana ho anao ry fireneko mahafinaritra … Hivavaka ho anao aho mba hahita ny làlana marina, Hivavaka ho an'ny fianakaviako mahatalanjona Toniziana aho, ny rahalahy sy ny anabavy mba hahita ny firenentsika araka izay efa niriantsika hatry ny ela be.
Feno fanantenana tanteraka aho ary tena faly, tsy ahoako izay eritreretin'ny olona.

Tiako ny firenena Tonizia izay nahaterahako, firenena nitsikiako voalohany, nitenenako voalohany ary NIFIDIANAKO voalohany 🙂

Nandritra izany, manaraka akaiky ny fifidianana ny Ejyptiana ary maneho ny hafaliany ihany koa amin'izany.

@esr_slam: مبروك تونس والله ساعدتي بيكم اليوم كأني كنت بصوت معاكم اليوم
@esr_slam: Arahabaina i Tonizia, lazaiko aminareo marina fa tena faly aho androany, ary tena faly tokoa na dia nandeha nifidy ny tenako ihany aza.
@AhmdAlish: في طريقي لسفارة تونس بالقاهرة لتهنئة المصوتين بالانتخابات
@AhmdAlish: Ety an-dàlana ho eny amin'ny ambasady Toniziana ao Cairo aho mba hiarahaba ny Toniziana mifidy eny.

Amin'ireo firenena roa ireo (Tonizia sy Ejypta), mifototra indrindra amin'ny fandrafian'izy ireo amin'ny resaka baolina fandaka ny hevitry ny olona tsirairay manoloana ny hevitry ny hafa nandritra izay 30 taona lasa izay. Ankehitriny kosa, mahafinaritra tokoa ny mahita ny fomba fijerin'ireo Ejyptiana sasany an'i Tonizia, ao koa ny sasany izay niova hevitra vao haingana, ary nanjary nitondra aingam-panahy vaovao ny fitsidihana ireo firenena (Tonizia sy Ejypta).

@btnafas7oria: لسه واخده بالى ان العلم الوحيد الى فى بيتى هو علم تونس …بكل حزم
@btnafas7oria: Vao avy nahafantatra ankehitriny fa ny sainam-pirenena Toniziana ihany no any tokana ao an-tranony … feno hafaliam-po.
@kameldinho81: أنا كنت لا أحب تونس و لكن الآن تونس و مصر أيد واحدهة
@kameldinho81: Tsy mba nitia an'i Tonizia mihitsy aho taloha, ankehitriny kosa anefa Tonizia sy Ejypta mifampitantana.
@gogaegypt: يا تونس باعمل كل جهدي علشان اجيلك انا وبناتي في العيد
@gogaegypt: Oh Tonizia, hanao izay vitako aho mba hitsidika anao miaraka amin'ireo zanako vavy mandritra ny Eid.

Koa satria moa ny roa tonta, Tonizia sy Ejipta,  no zokibe mpirahavavy niandohan'ny  “Lohataona Arabo”, Ejyptiana maro no nanomboka mampitaha ny fomba fandehan'ny taorian'ny revolisiona eo amin'i Tonizia

@AmrKhairi: نجاح تونس التام في الانتقال لنظام محترم سيكون أكبر محفز للثورة في مصر، عشان الناس تفوق وتصحى م النوم
@AmrKhairi: Ho hery mpandrisika ho an'ny revolisiona Ejypta ny fahombiazan'i Tonizia mankany amin'ny fanajana ny rafitra politika, ary ho an'ny vahoaka ihany koa mba hifoha amin'ny torimasony .
@mohamedzezo92: فارق شاسع بين مسار الثورة في تونس ومسارها في مصر شئ مؤسف
@mohamedzezo92: Misy fahasamihafany goavana eo amin'ny làlana nizoran'ny revolisiona Toniziana sy ny làlana nizoran'i Ejypta. Mahamenatra izany.
@mohamedzezo92: كنت أتمني أن مصر تبقي زي تونس وندعو لانتخاب جمعية تأسيسة لسن دستور جديد بس ع كل الأحوال تحية لأهل تونس
@mohamedzezo92: Maniry aho mba hisy antenimieran-dalàmpanorenana eto Ejypta mba hanoratana lalàmpanorenana vaovao tahaka ny ao Tonizia, saingy na dia izany aza dia miarahaba ny vahoakan'i Toniziana aho.
@Abu_gamal: تونس بتنتخب … ربنا يسامح اللي قالوا نعم في الاستفتاء
@Abu_gamal: Mifidy ny Tonizia … Ny Tompo anie Hamela ireo izay mifidy ny “eny” amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka.

@MahmoudAboBakr: الناس اللى بتقول تونس احسن مننا والثورة هناك سبقت ثورة مصر، طيب وهو فيه كتاب او كتالوج بيحدد مراحل الثورة وشكلها

@MahmoudAboBakr: Ireo izay miteny fa tsaratsara kokoa ny toe-draharaha ao Tonizia noho ny aty amintsika (Ejypta), ary nialoha ny revolisiona taty amintsika ny azy ireo, manana boky kely na katalogy ve ianao mamaritra ny atao hoe revolisiona sy ny dingana amin'izany?

Sehatra iray ahafahana manatsoaka lesona ihany koa ny fifidianana any Tonizia, amin'izao fifidianana efa akaiky ao Ejypta izao.

@TravellerW: Moa mba manaraka akaiky tsara ny fifidianana ao #Tunisia ny #Egypt-ians? Manomboka amin'ny hevitra momba ny fampielezan-kevitra ka hatramin'ny dokambarotra tsy misy lanjany, tsy maintsy MIJERY SY MIANATRA isika!!

Farany, na dia samy firenena miteny-Arabo aza izy ireo, matetika sarotra ho an'ireo izay mba te hanaraka ny antsipirihann'ny zava-mitranga ao Tonizia ny sakana amin'ny fahasamihafam-piteny.

@EmanM: مش ممكن يا توانسة! اكتبوا بالعربي شوية وسيبكوا من الفرنساوي دة عشان نفهمكم، دة احنا حتى عرب زي بعض
@EmanM: Tsy mety mino aho, Toniziana! Azafady, manorata amin'ny teny Arabo bebe kokoa ary hajanony ny fampiasana teny frantsay ho anay mba hahazoanay tsara ny tianao ambara. Samy Arabo isika roa tonta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.