Torkia: Olona 1000 Ahiana Ho Faty Nandritra Ny Fihovitry Ny Tany Ao Van

Nahazo ny ilany atsinanan'i Torkia ora vitsivitsy lasa izay ny Fihovitry ny tany nahatratra ny maridrefy 7,2. Ahiana hahatratra 1000, ny be indrindra,  ny isan'ny maty tamin'ny fihovitry ny tany, izay nahazo an'i Ercis, any amin'ny faritra be tandrombohitr'i Van manakaiky sisintany amin'i Iran.

Ao amin'ny Twitter, mifanontany amin'ireo havany sy ny tiany ny mpisera ary toy izany ihany koa ny fifanontaniana amin'ny vaovao farany momba ny isan'ny maty sy ny vonjy taitra ezahina tontosaina.

Mizara sary mivantana avy amin'ny fitantaran'ny televiziona milaza ny fihovitry ny tany ao Van i Selin:

@Selintellect: Live pictures from #Van in Turkey #earthquake

Sary mivantana avy any Van Torkia

Nanaraka avy eo ny fitantarany ny fizotry ny faharavana:


@Selintellect
: CNN TURK is currently showing live pictures of a collapsed 8 storey apartment, estimated 50-90 people stuck in the rubble #Van

Mampiseho ny sarin'ny fianjeran'ny trano manana rihana valo ny CNN TURK, heverina ho 50-90 ny isan'ny olona tafahitsoka ao

Manaraka avy eo:

@Selintellect: Man crying on his knees “My wife and my 4-month baby are there, my wife and baby” – #Van

Lehilahy mitorovoka mandohalika mitomany “Ao ny vadiko sy ny zanako 4-bolana, ny vadiko sy ny zanako

Manohy i Selin:


@Selintellect
: Local men in #Van have organised themselves some with shovels some with bare hands, digging into the rubble to find earthquake victims

Mifandamina ny lehilahy ao Van, ny sasany miaraka amin'ny lapelina, ny hafa ny tanany fotsiny amin'izao mandavaka amin'ny korotam-bato mitady izay tra-boinan'ny fihovitry ny tany

Miakatra hatrany ny isan'ny maty.

@Selintellect: 10 dead, 60 injured so far in 7.3 earthquake, in Ercis district of #Van

10 no maty, 60 no maratra hatramin'izao tamin'ny fihovitry ny tany refy 7,3, tany Ercis ao Van


@Selintellect
: 80 buildings in total have collapsed in Ercis disctrict of #Van, death toll is expected to increase rapidly #Turkey

80 ny fitambaran'ny fanorenana lehibe nianjera tao Ercis distrikan'i Van, heverina hiakatra haingana dia haingana ny isan'ny maty

Nilaza i Ruwayda Mustafah fa tokony ho maro ny isan'ny [maty].

@RuwaydaMustafah: 10 confirmed dead but at least a 1000 are expected to be. Many are stuck inside buildings + dozens injured #earthquake #Turkey

10 no voamarina fa maty nefa tokony ho 1000 raha kely izany. Maro no mihitsoka ambanin'ny fanorenana ary ampolony ny maratra

Nanamarina io tarehimarika io ny sampana mampita vaovao.

Manazava i lay Tiorka Esra Dogramaci:

@EsraD: Van is mostly fine but phones are down. Very few buildings have collapsed. It's Ercis, a district, which has suffered big damage.

Tsy naninona amin'ny ankapobeny i Van fa ny finday no tsy mandeha. Vitsy ny trano nirodana. Ercis, ditrika iray, no tena niharan'ny fahavoazana

Nanampy izy:

@EsraD: Turkish Red crescent sending 1162 tents, 1000 heaters, 4250 blankets, 500 supply kits #deprem #Van #earthquake

Nandefa tranolay 1162, fanafanana 1000, bodofotsy 4250, fitaovam-pahandroan-kanina 500 ny tsinambolana [=vokovoko] mena tiorka

Nisiokantsera indray izy nanatsonga ny fanombatombanana voalohany:

@EsraD: 25-30 building reportedly collapsed including 1 student dormitory #Turkey #earthquake #deprem

fanorenana 25-30 no nirodana araka ny tatitra ka tafiditra amin'izany ny fatorian'ny mpianatra iray

Mampahatsiahy antsika i JYJTurkey:

@JYJTurkey: Unfortunately there aren't enough teams in #van to help people out, so everyone is waiting for help from other city's. #prayforTurkey

Indrisy fa tsy ampy ny ekipa ao Van hamonjy ny olona, hany ka miandry fanampiana avy any amin'ny tanàna hafa ny rehetra

Mandritra izany fotoana izany dia manahy ny momba ny havany avy ny olona manerantany.

Misiokantsera i Andy Carvin avy ao amin'ny NPR:

@acarvin: So worried for my friend in Van RT @richardengelnbc: #Turkey, hearing many dead in quake near van in the east. Hundreds. phones in area out

Manahy ny amin'ny namako aho RT @richardengelnbc: #Torkia, mandre fa maro no maty nandritra ny fihovitry ny tany akaiky an'i Van any atsinanana. Anjatony. Tsy mandeha ny finday 

Ao amin'ny YouTube ny mpisera Onur1301 no mizara lahatsary nandritra ny fihovitry ny tany tao Van:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.