Bolivia: Tonga Ao La Paz Ireo Vazimba Teratany Mpanao Diabe Avy Amin'ny TIPNIS

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Zon'ireo Vazimba Teratany.

Tamin'ny 19 Oktobra 2011 dia tonga tamin'ny tanjona farany nokinasany ny diaben'ireo vazimba teratany ho fiarovana ny Faritanin'ireo Vazimba Teratany sy ny Valanjavaboarim-Pirenena ao Isiboro Sécuro (TIPNIS no fanafohezana ny anarany amin'ny teny Espaniola), rehefa nahatratra ny lapan'ny governemanta ao La Paz, Bolivia.

Na dia tratra aza ny tanjony voalohany, mbola manantena ny hifanatri-tava amin'ny Filoha Evo Morales ireo mpanao diabe mba hiresaka ireo teboka 16 anisan'ny fangatahan-dry zareo, ahitàna ny fampiatoana tanteraka ny fametrahana ampahanà lalambe migodana izay tokony hamakivaky eo afovoan'ny faritanin-dry zareo.

Rehefa nandeha ny feo fa hoe efa tena akaiky ny renivohitra ilay diabe, niomana tamin'ny fandraisana makotrona ny tao an-tanàna. Ny sasany aza nahavita nanao dia lavitr'ezaka mba hihaona tamin'ireo mpanao diabe tany amin'ireo tanàna any  amin'ny faritr'i Yungas, toa an'i  Tonny Lopez, izay nampakatra sary vitsivitsy avy amin'ilay diabe naka aina kely tao  Coroico. Rehefa avy namakivaky an'i  “La Cumbre” ny diabe, tanàna izay avo indrindra nandritra ity diabe ity, any amin'ny 4700 metatra miala amin'ny haavon'ny ranomasina, maro tamin'ireo vazimba teratany izay avy amin'ny faritra ambany ao Bolivia, no nànana olana nanoloana ny haavon'ny toerana.

Vehivavy valopolo avy any akaikin'ny tsenan'i Urujara no tonga tao amin'ity tendrombohitra ity haneho ny firaisankinany sy hitondra lasopim-bary ho sakafo ary mofo voasesika ho an'ireo mpanao diabe. Ao anatin'ity fanadihadiana anaty lahatsary nataon'ny mpampiasa ny  En la UPEA ity, ny iray amin'ireo vehivavy dia maneho ny fitserany an'ireo mpanao diabe noho ny halavitry ny làlana; hanome sakafo roa andro ireto vehivavy avy ao an-tsena ireto.

Efa hatrany amin'ny famoretana nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao diabe tany an-tanànan'i Yucumo tamin'ny 25 Septambra, nihabetsaka kokoa ny fanohanan'ny vahoaka ny diabe sy ny fangatahan-dry zareo. Nivoitra tamin'ireny famoretana nataon'ny polisy ireny, ary ny fanambaràna ho an'ny vahoaka nataon'i Morales sy ireo minisitra miaraka aminy, nilazany an'ireo mpanao diabe tamin'izao filazàn-javatra rehetra isan-karazany izao, niainga tamin'ny hoe voavidin'ireo ONG ka hatramin'ny hoe “mpizahatany”,  maro ny olona no nanomboka nanontany tena hoe mba hanao ahoana ny fomba handraisan'ny governemanta azy ireo rehefa tonga any?

Manuel Alfaro (@_rogermanuel) manontany hoe [es]:

Despues de decirles traficantes, maleantes, pagados, en fin haberlos descalificado a diario, como recibira evo a los indigenas del #TIPNIS ?

Rehefa avy nanondro azy ireo ho mpanao afera maloto, mpanao heloka bevava, olona voavidy, nanao tsinontsinona azy ireo isan'andro vaky, fomba ahoana no handraisan'i Evo an'ireo vazimba teratany avy amin'ny  TIPNIS?

Raha tsy nampisalasala ny fomba nandraisan'ny filohan'ny tanànam-bazimba voalohany eto amin'ny firenena an'ireo mpanao diabe, tsy iadian-kevitra ny fomba fandraisan'ny tanànan'i La Paz ilay vondron'olona maro matanjaka izay namakivaky 600 kilometatra efa ho 60 andro mahery

Hatramin'ny maraina vao mangiran-dratsy, nanomboka efa namorona laharana teny an'arabe ny mponina ka nanomana rano sy sakafo, hatramin'ny sainam-pirenena Boliviana sy sora-baventy fankaherezana. Tena fandraisana maherifo no natao. Jose Luis Chuquimia (@chuquijosel) dia teny an'arabe teny ary nitantara izay natrehany [es]:

las calles pacenhas….quedaron flores, mixtura, banderas de papel…lagrimas, abrazos…sonrisas..pasos que calan historias #TIPNIS ES VIDA

ireo araben'i La Paz….feno voninkazo, confetti (Avy amin'ny mpandika: poti-taratasy maro loko fanipy rehefa misy lanonam-piravoravoana toy ny mariazy), saina vita taratasy… ranomaso. fifamihinana……tsiky, dingana ho fananganana ny tantara #TIPNIS dia FIAINANA.

Maro hafa avy ao amin'ny tontolon'ny Twitter Boliviana koa no tsy niala vehana tamin'izany andro izany ka nitatitra avy eny an-dalamben'ny tanàna. Ny sasany nàka sary ary nampakatra azy ireny tao amin'ny Twitter. Nicole Gerke (@nicolegerke) nampakatra sarin'ireo olona marobe nanatevin-daharana ny diabe sy ny fanohananan'ireo olona avy amin'ny vondrom-piarahamonina Afro-Boliviana.

Ny hafa toa an'i Mariana (@ama1607) dia nampakatra ity sarinà vehivavy mitàna voninkazo miandry ny mpanao diabe ity :

Photo by @ama1607 and used with permission.

Sary avy amin'i @ama1607 ary nampiasaina rehefa nahazoana alàlana.

Boris Miranda (@ivanbor), mpanao gazety sady bilaogera, dia nanaraka ihany koa an'ilay diabe sy naka sary ny sasany tamin'ireo fiarahabàna firariantsoa nanerana ny làlana:

"Welcome home brothers from the TIPNIS. We support you. Long live Nature" Photo by @ivanbor and used with permission.

"Tonga soa eto an-tanàna ry rahalahy avy amin'ny TIPNIS. Manohana anareo izahay. Ho ela velona ny Natiora" Sary avy amin'i @ivanbor ary nampiasaina rehefa nahazoana alàlana..

Photo by @ivanbor and used with permission.

Sary avy amin'i @ivanbor ary nampiasaina rehefa nahazoana alàlana.

Ity dia sary iray salain'i Centa Rek, Loholona iray avy amin'ny antoko mpanohitra, izay niteraka fanehoan-kevitra mavitrika avy amin'ireo mpampiasa Twitter. Nandritra ny andro manontolo, maro ireo nametraka fanamarihana mikasika ny fitsofohan'ireo mpanararaotra izay naka tombony tamin'ny firaradrarak'ireo fanohanana mba ho toy ny làlana iray hahazoan'izy ireo tombony ho azy ihany koa. I @AndreaMiCaHe, mpampiasa Twitter, dia nanome teny vitsivitsy ho toro-hevitra [es]:

Politicos oportunistas respeten marcha dl #TIPNIS no vayan a la marcha a solo aparecer n la foto, oposicion inutil xfavor manter distancia!!

Ry mpanao politika mpanararao-paty, mba hajao ny diaben'ny #TIPNIS . Aza mandeha akory mankeny amin'ilay diabe mba ho azo sary. Ry mpanohitra tsy misy ilàna azy, miangavy anareo mba hihataka!!

Alexis Argüello (@alexisarguello), mpampiasa Twitter, dia nampiasa tsilalaonteny [es] mba hamaritana ireo mpijapy fiaran-dalamby, amin'ny fiantsoana azy ireny ho “OporTIPNIStas” ho solon'ny teny Espaniola hoe “oportunistas” (mpanararao-paty).

Tonga tao amin'ny Plaza Murillo ireo vazimba teratany mpanao diabe, ary mipetraka manoloana ny Lapan'ny Filoham-pirenena sy ny Kaongresy, eo ampiandrasana ny mety ho fihaonana amin'ny Filoha. Tsy mbola misy mahalala izay mety hiseho manaraka eo, na iza na iza, ary mampanantena ireo mpanao diabe fa tsy handao an'i La Paz raha tsy misy làlana raisina handraràna ny fanaovana ilay lalambe migodana hamakivaky ny ampahan-tanin-dry zareo

Ana Rosa López Villegas ao amin'ny bilaogy Mi Voz, Mi Palabra na Ny Feoko, ny Teniko dia mamintina ireo fanantenan-dry zareo mpanao diabe sy ny olona amin'ny ankapobeny manohana azy ireo [es]:

Hace dos meses que caminan y que claman, hace dos meses que quieren ser escuchados. Hace más de dos meses que buscan en las pupilas oscuras y la piel cobriza de su “hermano” Presidente, el respaldo que los acoja en su legítima demanda.

Roa volana izao no nanombohan-dry zareo ny diabe sy ny antsoantsony, roa volana nanirian-dry zareo mba hihainoana azy. Maherin'ny roa volana no nitodihan-dry zareo tamin'ilay “rahalahiny”, ny Filoha, mba hanohana ny fangatahana ara-drariny ataon-dry zareo.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Zon'ireo Vazimba Teratany.

Hajiantsary maneho ireo olona marobe mitoetra ao amin'ny Kianjan'i Murillo, La Paz, hiarahaba ireo mpanao diabe, avy amin'i Fernando Miranda, copyright Demotix (19/10/11).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.