Iran: Matahora Ry Mpanao Didijadona – Maty i Gaddafi

Khamenei with Gaddafi

Khamenei miaraka amin i Gaddafi nandritra ny fahatanorana kokoa, avy amin ny bolongana Iraniangreenvoice – loharanon-tsary tsy fantatra

Maro koa ny mpamaham-bolongana Iraniana no niara-paly tamin'ny Libyana tamin'ny alakamisy, rehefa maty novonoina ilay mpitondra jadona Libyana nandritra ny fotoana maharitra Moammar Gaddafi. Maniry ny hamaranana ny fitondrana jadona any Iran ny mpamaham-bolongana sasany, raha mifampizara fifaliana amin'ny Libyana noho ny nanafahana firenena iray ry zareo.

Iraniangreenvoice niteny [fa]:

… Hafatra ho an'ny Mpitarika Iraniana, Ayatollah Alik Khamenei, “Maty novonoina i Gaddafi, matahora ry mpanao didijadona… ianao izay mipetraka eo amin'ny fitoeran'Andrimanitra, jereo fa tsy misy na inona nainona tavela ho an'i Gaddafi ankoatra ny sary roa: ny iray ilay sary farany feno ra, aryny iray hafa ilay miaraka aminao… tsy nijery ny vahoakany ihany koa izy [Gaddafi], novonoin-dry zareo teny an-dalambe, nihevitra ny vahoakany ho tsy misy dikany sy tsy misy hajany… eritrereto ny laza ratsy izay havelanao rahatrizay.

Neoliberal nanoratra [fa]:

Mihahaingana ny tantara ary mianjera tsirairay nympanao didijadona. Henontsika ny vaovao, hitantsika ny sary. Manantena aho fa hitan'i Khamenei ny sarin'i Gaddafi… Khamenei fantatrao ve fa tanora kokoa sy mirehareha kokoa noho ianao i Gaddafi?… Nieritreritra ny fiafarana tahaka izao ve izy volana vitsivitsy lasa izay, nahita ny famonoana an'i Saddam Hussein ve izy?… Manantena aho fa mieritreritra ny fiafaran'ny fiainan'i Gaddafi ianao [Khamenei].

Namoaka[fa] ny dikan-tsarin'i Gaddafi i Vision ary niteny hoe, “Niarahaba ny tapitra ny mpanao didijadona iray.”

Khakestar namoaka[fa] sary maromaro ny “toerana niafenan'i Gaddafi” ary nieritreritra hoe nahoana ny mpanao didijadona no niafina any an-dava-boalavo rehefa nahavita ny heloka bevava nataony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.