Frantsa: Rantsan-tànana Manga Sy Ranomasom-pifaliana Noho Ireo Toniziana Am-pielezana Afa-Mifidy

Ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Tolona ao Tonizia 2011.

Nandeha nandatsa-bato ireo Toniziana monina ao Frantsa androany (20/10/2011) alohan'ny fifidianana izay hatao any amin'ny firenen-dry zareo ny 23 Oktobra. Diboky ny hafaliana sy nirehareha tokoa ireo mpifidy fa afaka nifidy malalaka sy ara-demaoratika, voalohany tao anatin'ny 50 taona ary sivy volana monja taorian'ny revolisiona Arabo.

Frantsa dia mampiantrano Toniziana vinavinaina ho eo amin'ny 600.000 eo nampiasa ny zon'izy ireo mba hihainoana ny feony amin'ny fananganana ny antenimiera vaovao, izay hamerina hanoratra ny lalam-panorenan'ny firenena. Manakaiky ny 11.000 no isan'ireo mpirotsaka, ny sasany amin'izy ireo dia ireo bilaogera Toniziana mifaninana haka seza 218

A good luck card published by Aly Ben J on Facebook to Tunisians voting abroad ahead of Tunisia

Karatra mahatsara vintana navoakan'i Aly Ben J ao amin'ny Facebook ho an'ireo Toniziana manomboka mifidy any ivelan'i Tonizia

Ny alina nialoha ny fanombohan'ny fifidianana tao Frantsa dia namerina nandefa bitsika ireo tenifototra handrafitra ny tantara i Myriam (@yezzyoufay) : ireo anaran-tanàna Toniziana niantombohan'ny fitroarana tamin'ity taona ity:

@yezzyoufay: Demain je vote. Merci #SidiBouzid #Thala #Rgueb #Kasserine #Kef #Gabes #Gafsa #Sfax #Bizerte La #Tunisie entière, les Tunisiens tous Unis.

@yezzyoufay: Rahampitso, hifidy aho. Isaorana i  #SidiBouzid #Thala #Rgueb #Kasserine #Kef #Gabes #Gafsa #Sfax #Bizerte ary ireo rehetra ao  #Tunisie, Toniziana miray hina

20.000 no fitambaran'ireo mpifidy andrasana hifidy ao amin'ny Kaonsily Toniziana ao Parisy manomboka ny Talata 20 hatramin'ny Sabotsy 22 Oktobra. Vao maraina dia nisinda ny ahiahy ny amin'ny mety hahavitsy ny mpandatsa-bato rehefa nanomboka niforona ireo laharambe nanoloana ny biraom-pifidianana

The crowd in front of the Tunisian consulate in Paris this morning. Image by @__imen on Twitter

Ireo olona marobe nanoloana ny Kaonsily Toniziana tao Parisy io maraina io. Sary avy amin'i @__imen ao amin'ny Twitter

Rabaa Youssef [fr] dia nitondra fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook:

Ca n'arrive pas tous les jours de se dire: “magnifique cette file d'attente” 😀

Tsy isan'andro akory no hahafahana miteny hoe: “Tahaka ny inona moa izany fahafinaretana niandry an'ity fikaharana ity!” 😀

Imen, mpianatra manomana diplaoma ‘doctorat’ sady mpirotsaka ho fidiana amin'ny lisitra tsy miankina Saw Moskatel ao Frantsa, tao anatin'ny lokalokam-pifidianany [fr], dia nanazava toe-javatra iray niraisan'ireo Toniziana any an-tanindrazany mikasika fifidianana tsy madio :

Jusqu’à il y a quelques mois je pouvais me présenter en disant : “Bonjour je m’appelle Imen, j’ai 28 ans et je n’ai jamais voté en Tunisie ” Dur à admettre, mais c’est une réalité.”

Hatramin'ny volana vitsy talohan'izao, afaka nampahafantatra ny tenako aho amin'ny filazana ireto teny ireto : ‘Akory, Imen no anarako, 28 taona aho ary tsy mbola nifidy mihitsy tao Tonizia”. Sarotra inoana nefa dia izay no marina.

Androany, tahaka ireo Toniziana maro sambany vao mba nifidy, dia nampakatra sary fahatsiarovana ahitàna azy sy ny rantsan-tànany misy ranomainty izy, fomba nofinidin'ny Komitim-pifidianana Toniziana hisorohana ny hosoka sy ny fifidianana im-betsaka

"I've voted! I've voted!" Image by @imen_ on Twitter

"Nifidy aho! Nifidy aho!" Sary avy amin'i @imen_ ao amin'ny Twitter

Miravaka rantsan-tànana maro miloko manga ankehitriny ireo kaonty twitter Toniziana ao Frantsa.

"I've voted!" Image by @selim_ on  on Twitter

"Nifidy aho!" Sary avy amin'i @selim_ ao amin'ny Twitter

Tsy mahandry intsony i Maher (@mahertekaya) solotena sendikaly ao Frantsa:

Te-handoko ny tànako ho manga aho, ary izao dieny izao 🙁 #tnelec

Tao Toulouse, ilay mpahay siansa,  @mimouna [fr] dia saiky latsa-dranomaso mihitsy:

Jamais on aura été plus heureux et fiers de voir des doigts bleus 🙂

Tonga amin'ny fara-tampony ny hafalianay ary tena mirehareha tokoa mahita ireo rantsan-tànana miloko manga 🙂

Tafakatra avo tokoa ny fihetsehampo tany amin'ny biraom-pifidianana tany. Ness (@nessryne) [fr] dia nivaky tao amin'ny Twitter, taorian'ny nandahatsahany ny vatony:

J'ai commencé à pleurer, le président du bureau de vote, directeur régional d'une agence onusienne, a commencé à pleurer aussi ! #TneElec

Nanomboka nitomany aho, ary dia nanomboka nitomany koa ilay filohan'ny biraom-pifidianana, izay talem-paritry ny masoivohon'ny Firenena Mikambana! #TneElec

Amal (@AmalHaouet) mpirotsaka an-tsitrapo iray ho mpandrindra ny biraom-pifidianana, dia vavolombelon'ny ranomaso maro nirotsaka nandritra ny fizoran'ny fifidianana

Il faut prévoir des mouchoirs aux sorties des bureaux de vote 🙂 #tnelec

Tokony hanomana lamba famaohana isika eo am-pivoahana ireo birao fandatsaham-bato:) #tnelec

Zendana ireo Toniziana mpandefa bitsika manaraka avy any Tonizia:

@zeineb_ak: les photos prises devant le consulat de Paris me donnent la chair de poule !!! vivement le #23Octobre :))#TnElec

@zeineb_ak: Mampamarin-koditra ahy ny mijery ireo sary nalaina teo anoloan'ny kaonsily Toniziana ao Parisy!!! Tsy andriko ny  #23Octobre :))#TnElec

@HFadhel, injeniera iray amin'ny resaka solosaina dia nankalaza tao amin'ny Twitter, vantany vao tafavoaka ny biraom-pifidianana:

Une journee memorable .. Et une grande pensee a ceux qui ont donne leurs vies pour nous faire vivre ce moment historique #tnelec #tunisie

Andro iray fitadidy…ary nomena tanteraka ho an'ireo namoy ny ainy mba hahafahantsika miaina ity fotoana manan-tantara ity ny eritreritra manontolo #tnelec #tunisie

Ireo Toniziana mpifidy tao Frantsa sy tany ivelany dia hanohy izany hatramin'ny Sabotry 22 Oktobra.

Ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Tolona ao Tonizia 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.