Vaovao mahafaly no re avy any Libya tao anatin'ny minitra vitsivitsy izay, ka nahatonga ny mpisiokantsera Libyana sy Arabo hifaly, amim-pitandremana, manaraka ny fivoaran-draharaha. Honohono milaza fa voasambotra ny mpanao didijadona Libyana Muammar Al Gaddafi. Izao ny domberina hita voalohany.
Sherine Tadros avy ao amin'ny Al Jazeera no misiokantsera:
@SherineT: Mitatitra ny TV Lybiana fa voasambotra i Muammar Gaddafi. mbola tsy voamarina #libya
Mamaly ny Libyana Jeel Ghathub:
@Libyan4life: Notenenin'ny Reuters fa ny manampahefana avy ao amin'ny kongresin'ny tetezamita no nilaza ny nahasamborana ny Kolonely Gaddafi sy ny ratrany amin'ny tongony roa. F[manompa] Reuters. mpitati-baovao diso hatrany.
Nanamarika i Iyad El Baghdadi:
@iyad_elbaghdadi: Tatitra milaza fa voasambotra i Gaddafi, tsy mazava hoe maty sa velona. #Libya
Miarahaba an'i Libya ny Ejipsiana Ahmed Sabry:
Ho an'ilay Yemenita Al3ini, dia ny mpikiky (rongeur) lehibe indrindra eto ambonin'ny tany no azo. Ataon'ny mpanao fihetsiketsehana hoe mpikiky manko i Gaddafi noho ny kabariny lavareny. Hoy ny siokantserany:
الجرذ الكبير في ليبيا تم القبض عليه لم يتبقى الا جرذ اليمن عليه ان يسلم نفسه الى اقرب مركز شرطة
@al3ini: Tratra ny mpikiky lehibe indrindra any Libya. Inona moa ankehitriny no sisa miandry ilay mpikiky Yemenita hitolo-batana ho any amin'ny paositry ny polisy akaiky indrindra.
Ary mananihany, tahaka ny maro, ihany koa i Old Holborn:
@Old_Holborn: Mitaky ny fahafaha-mihetsika i Gadaffi
Manampy koa ilay Ejipsiana Adel Abdel Ghafar:
@dooolism: Raha marina ny tsaho fa voasambotra i #Qadaffi, mieritreritra aho raha naniry volombava tahaka ny nataon'i Sadam fony nandositra?