Fahatsiarovana ny Rain'ny Fahaleovantena Mozambika, Samora Machel

Hankalaza ny faha 25 taona nahafatesan’ ilay rainy mpanangana dia ny Filoha Samora Machel i Mozambika ny 19 Oktobra 2011, namoy ny ainy tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina tao Mbuzini, ao Afrika Atsimo tamin'ny 19 Oktobra 1986 izy. Nanambara ny governemanta fa “Taonan'i Samora Machel” ity taona 2011 ity.

Lanonana no nanombohana ny herinandro tamin'ny Alatsinainy 17 Oktobra lasa teo, izay notontosaina teo akaikin'ny toerana nisian'ny loza tao Afrika Atsimo, ary natrehin'ireo Filoha marobe, ao anatin'izany i Zuma avy ao Afrika Atsimo sy i Rousseff ao Brezila.

Androany, andro nitsingeranan'ny nahafatesany, no nanambarana fa andro tsy iasana any Mozambika, fanomezam-boninahitra ho azy no nameno ny Twitter avy ao Mozambika, Afrika Atsimo, Brezila sy ny hafa rehetra any ivelany.

@abcuna: Os herois morrem mas as suas obras ficam R.I.P Samora Moises Machel primeiro presidente de Moçambique independente

@abcuna: Maty ny Mahery fo saingy mijanona ny zava-bitany. Mandria am-piadanana Samora Moises Machel Filoha Mozambikana Mahaleotena voalohany
Mozambicans commemorate President Samora Machel. Image from lockerz.com

Mozambikana mankalaza ny Filoha Samora Machel. Sary: lockerz.com

@possesful: Tamin'ny taona 1986 i Samora Moisés Machel, filoha voalohany tao Mozambika no namoy ny ainy tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina, saingy araka ny nambaran'i mama makeba hoe “a luta continua” (mitohy ny tolona) [Miriam Makeba nihira tao amin'ity rohy ity]

@BenjamimNhumaio: Samora Machel foi o presidente e nao um presidente de Mocambique

@BenjamimNhumaio: Samora Machel no Filoha fa tsy “filohan'i ” Mozambika

@AlexMarime: A ToDo psoal da TwitterLandia feliz dia alusivo ao Marechal Samora Machel pai da Republica Mocambicana e defensor da Soberania. Samora VIVE!

@AlexMarime: Andro fifaliana ho an'ny tsirairay ao amin'ny Twitter ny fankalazana ny Jeneraly Samora Machel, rain'ny Repoblika Mozambikana no sady mpiaro ny fiandrianam-pirenena. Samora VELONA!

Mpisera Twitter @SuperCjr mampiasa tenin-jatovo Breziliana (angamba miresaka an-kolaka ny teny mitovitovy nataon'i Obama momba ny filoha Breziliana teo aloha Luiz Inacio Lula da Silva):

@SuperCjr: Samora Machel era o cara. #SamoraMachel

@SuperCjr: Samora Machel no tena lehilahy. #SamoraMachel

Manembona ny lasan'i Machel ny sasany: ny politikany, ny herimpanahiny sy izay rehetra momba azy.

@cydia_buster: R..I..P SAMORA MACHEL. O teu povo hoje precisa de ti

@cydia_buster: MANDRIA AM-PIADANANA SAMORA MACHEL. Mila anao ny vahoakanao ankehitriny

@CelsoDomingos: “A qualidade do moçambicano não se define pela cor. Não há minorias, há povo moçambicano”. Samora Machel 6

@CelsoDomingos: “Tsy voafaritry ny volon-koditra ny toetran'ny Mozambikana. Tsy misy ny vitsy an'isa, fa vahoaka Mozambikana avokoa”. Samora Machel

Nanamarika ny sasany fa nanjavona ny foto-keviny ankehitriny

@WOLKER_MOZ: Samora, samora, samora ideais de samora WTF

Samora, samora, samora foto-kevitry samora WTF

Mahare ny fankalazana ataon'ny taranaka taloha ny Tanora sasany mbola tsy niaina izany sosialisma izany:

@Cle0_Princess: Minha momz ta contar cenas do tempo de Samora. a rir pakas……

@Cle0_Princess: Mitantara zavatra tamin'ny vanim-potoanan'i Samora ny mamanay. Zendana tanteraka……

Tsangambato vaovao

New Samora Machel statue, Maputo. Image from yfrog.

Tsangambato vaovao Samora Machel, ao Maputo. Sary: yfrog.

Sarivongana notokanana androany teo anoloan'ny tanàna ao an-drenivohitr'i Maputo, izay sarivongana vita amin'ny Halimo matevina , vita avy any Korea Avaratra. Maro ireo olona naneho hevitra mikasika ity tsangambato ity. Mpandray anjara Mozambikana voalohany tao amin'ny African Big Brother @DJWizardMZ, ni-tweet ity sary avy eny an-danonana ity  (io ankavia io).

@DonCherinda: Estatua D Samora Moises Machel e LEGEND

@DonCherinda: TANTARA MAHALIANA ny Tsangambaton'i Samora Moises !!!

Mifono misitery ny mikasika ny fahafatesan'i Machel

Misy ireo mbola liana amin'ny antony nampianjera ny fiaramanidina izay nahafaty an'i Machel, izay mbola feno misitery. Inoana amin'ny ankapobeny any Mozambique fa tsy noho ny fahadisoan'ny mpanamory no nahafaty an'i Machel, araka ny valin'ny fanadihadiana nataon'ilay Afrikana Tatsimo nanampy ara-bola tamin'izany fotoana izany. Maro dia maro ny teorian'ny fikasan-dratsy, saingy tsy nisy voatonona tao amin'ny Twitter izany.

@cyrep: Iza no namono ny filohan'i mozambique Samora Machel 25 taona lasa izay? Mahatsapa aho fa ny fitondrana Afrikana Tatsimo teo aloha no mahavaly ny fanontanian'ny vahoakan'i mozambique.

@andradedundas: Querem nos tapar a vista,sabem bem quem matou #SAMORA

@andradedundas: Tadiaviny afenina amintsika izany,fantatr'izy ireo tsara hoe iza no namono azy #SAMORA

@IrioP: Só saberão quem matou Samora, quando todos os intervenientes estiverem mortos, ou não. Ou seja, parem de encher o saco com esse papo.

@IrioP: Ho fantatrareo izay namono an'i Samora, rehefa maty daholo, na tsia, izay tafiditra tao anatin'ny raharaha. Raha lazaina amin'ny teny hafa, aza manelingelina anay amin'ity resaka ity.

Nanambara ny radio tao Afrika Atsimo fa na dia ny vadin'i Machel, Graça aza tsy afa-po:

@amliveonsafm: Graca Machel niantso ny governemanta mba hanokatra indray fanadihadihana mikasika ny fahafatesan'i Samora Machel

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.