Frantsa : Fanalàna Azy Ho an'ny Tontolon'ny Tweet Ny Fampielezan-kevitra Hofidiana ho Filoha

Dia efa tena nanomboka tokoa moa izany ny fampielezan-kevitra ho fidiana ho filoham-pirenena 2012 ao Frantsa ary manaporofo izany ireo tambajotra sosialy toy ny Twitter.

Ireo fifidianana savaranonando ho an'ny kandidà avy amin'ny elatra havia dia nampanonjanonja tokoa ny tontolon'ny fanapariaham-baovao tato anatin'ireo herinandro faramparany teo sady namoaka an'i  François Hollande ho solontenan'ny antoko sosialista (PS).  Marobe ireo lohahevitra tena nifanakalozana niresaka momba ny fifidianana no mipongatra sy miteraka fanehoan-kevitra mahatsikaiky ao amin'ny twitter eo amin'ireo mpampiasa io tambajotra sosialy io.

Ao amin'ny bilaoginy,  Sarkofrance dia miteny amintsika fa taorian'ireo fifidianana savaranonandon'ny antoko sosialista, dia naniry mafy i Nicolas Sarkozy ny mba hiresahana ny momba azy (indray).

Sarkofrance manohy fa mikasika izay indrindra , ny UMP, antokon'ny eo amin'ny fitondrana no sady maro an'isa, dia nanapa-kevitra :

Ny« hiditra an-kianja hifampitaha amin'ny kandidà avy amin'ny sosialista »

Ny Talata tolakandro ary dia nisy ny  ny fifanarahan'ny UMP. Tomponandraikitra efapolo eo ho eo avy amin'ny maro an'isa, ka ny dimiambinifolo minisitra ary ny mpanolotsaina amin'ny fifandraisana an'Atoa Sarkozy, no nivory ny Talata alina mba hiresaka momba ny hiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Tao amin'ny twitter @MehdiYanis avy amin'ny bilaogy Pudding à l’arsenic dia nanapa-kevitra hamaly bontana amin'ny fandefasana ny tenifototra #UMPanique izay tanaty ora vitsy dia efa tafapetraka ho eny antampon'ny tontolon'ny fandefasana bitsika ho an'ireo miteny frantsay noho ny fifandimbiasan'ireo teny tsara sy ireo fanehoan-kevitra maneso. Ohatra:

@Pierre_C_Porter :

Faly mahita ny #UMPanique eo alohan'ny  #toiaussiparticipealaconventionump – #ianaokoamandraisaanjaraaminfifanarahanaump (nalefan'ireo mpiandany amin'ny UMP)

Efa ela tokoa no tsy niàla liana toy izany ny tontolon'ny fandefasana bitsika frantsay araka ny anamafisan'i @mathieulinares azy  :

Tena efa ela tokoa aho no tsy mba nihomehy toy izao teto amin'ny  Twitter !! Misaotra ny #UMPanique sy ny  #conventionUMP

Ireto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra :

@intox2007 :

tsy ho ela eo amin'ny vata fahitalavitrareo #UMPanique

@Isabellegachet :

Andraso kely, tena mpanao hatsikana marina ireto #UMPanique, “Bond, je m'appelleEuro Bond” ireto

@Romain_Pigenel :

“Te-hitsilo” ny làlana ny UMP => tetikasan'i Sarko ho an'ny 2012 : “ny làla-mazava” #UMPanique

 

 

@_brahim_ :

#UMPanique Sahala amin'ny any aminà téléthon izany ny tena miaraka amin'ny milina fanaovana kajin-dry zalahy

@_J_E_A_N_N_E :

Arf, ny fitaovam-panisàna miaraka amin'ny feon'ny vata sarihana fampirimam-bola, sahala amin'ny hoe any amin'ny magazay  Juste Prix. Hiato aho fa tsy vitako intsony. #UMPanique #conventionUMP

@Romain_Pigenel :

Je n'ai pas suivi, le compteur qui s'affiche c'est le montant de la Valise RTL, heu, françafricaine ?

@PierreKanuty :

#UMPanique“tsy azontsika avela ho an'ity fitondrana sosialista ity ny Frantsa-ntsika”. Fifangaroan-teny milaza zavatra betsaka

@nl_green :

Miaraka amin'izay fahalalàna rehetra nahafantarako ny zanak'olombelona, ahoana no hihinana am-bolony izay lazaina ao amin'ny#UMPanique ny mpikambana UMP

@1_rien :

Ny hany fahombiazana tokona hitan'ny UMP tato anatin'ny 5 taona, dia ny olona rehetra nanjary nifantoka bebe kokoa amin'ny PS . #UMPanique #ZéroBonneFoi

@la_question :

‘Zao e, apetratsika amin'ny fianaran-draharaha ny zava-drehetra, esorina amin'ny fanabezana izao rehetra izao. Ny mahantra tsy mila mampiasa saina. #UMPanique

@ZeFML :

Ny zavatra mety hampitokiky ahy, dia i Carlita mety ho teraka androany 🙂 #UMPanique (Carla Bruni-Sarkozy izay antsoin'ny vadiny hoe Carlita dia efa miandry andro hahaterahana sisa)

Ny bitsika enti-mamarana dia azontsika avy amin'i @GillesBonMaury

Mila manao fifanarahana amin'ny PS izao amin'ny fifanarahan'ny UMP momba ny tetikasa PS, mba ho afaka mihetsika amin'ireo fanehoan-kevitra avy amintsika ny UMP. #UMPanique

Nefa, tsy ny tontolon'ny havia ihany no be kiana sy maneso, ilay bilaogera @ZeFML dia nanoratra lahatsoratra iray ao amin'ny bilaoginy izay ny lohateny dia mamaritra tsara ny toe-tsain'ny sasantsasany ao amin'ny elatra havanana :  Ci-git l’UMP

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.