Kiobà: Fahatsiarovana an'i Laura Pollan

Efatra andro taorian'ny nahafatesany, dia nisy hatrany ny fahatsiarovana an’ aterineto an'i Laura Pollan, mpitarika nalaza sy nohajaina tamin'ny mpanohitra any Kiobà, Las Damas de Blanco. Tranokala maro no mifantoka amin'ny fanapahan-kevitry ny vondrona hanohy ny tolona ho fanajana ny zon'olombelona any an-toerana na dia teo aza ny fahafatesan'i Pollan, ao anatin'ny fanjakana voasazy sokajiana ho mpanao herisetra. Front Line Defenders (Mpiaro an-karihary) naneho ny ahiahiany fa:

Mitohy hatrany sady tsy mijanona ny famoretana ny mpiaro ny zon'olombelona. Porofoin'ny fihetsika nataon'ny mpitandro ny filaminana izany tamin'ny fanakanana ireo mpiaro ny zon'olombelona, mpanao gazety sy ny mpanara-dia rehetra mba tsy hanatrika ny lamesam-pandevenana an'i Laura Pollan. Voalaza fa mpiaro ny zon'olombelona maro no nokapohina sy nosamborina, ary ny sasany kosa nopotehan'ny polisy teny an-tanany ny voninkazo nentiny rehefa nivoaka ny fiangonana.

Babalu nandika lahatsoratra mikasika ny fisamborana mpanao gazety iray, lazaina fa vokatry ny namoahany lahatsoratra iray hoe: “Ny mety ho fifandraisana nisy teo amin'ny aretin'i Laura Pollan sy ny tsindrona nomena azy tamin'ny fotoana farany nampihetsika ny aretiny”, ary lahatsoratra hafa koa nametraka fanontaniana : “ny soatoavin'ny rafi-pitsaboana any Kiobà, sy ny fahasahiana mampihatra fahatafintohinana ara-moraly ho politika hita maso.”

Note from Cuban Exile Quarter mampitaha an'i Laura Pollan amin'i Martin Luther King Jr.:

Samy tamin'ny faran'ny herinandro nanokanan'i Etazonia ny tsangambato nasionaly ho an'ilay mpitolona tsy nanao herisetra ny Pasitera Martin Luther King Jr. sy ny niandrasana ny nofo mangatsiakan'i Laura tany Kiobà. Pasitera Batista i Martin Luther King fa Mpampianatra an-tsekoly kosa i Laura, kanefa nitovy fomba fanao kosa, nanohitra tsy mampiasa herisetra. Ny mampitovy azy koa dia mamela Hetsika mbola hanohy ny asa natombony ry zareo.

Tahaka an'i Martin Luther King, velona mandrakizay ao am-pon'ny tia fahafahana sy mankahala tsy fahamarinana i Laura Pollan. Na dia tsy eo intsony aza ny tenany dia matahotra ny ohatra napetrak'ireto tsy tia herisetra ireto ny mpitondra izay nahomby hatrany tamin'ny fiatrehana ny tsy rariny sy ny tsy fisian'ny fahafahana.

Manamarika ny lahatsoratra fa”nanova an'i Kiobà” i Pollan – ary na dia teo aza ny herisetra nataon'ny polisy nanakanana tsy hanao veloma farany an'i Pollan, “mpanara-dia azy 100 eo ho eo no tafiditra tao am-piangonana Santa Rita ary avy eo nandray anjara tamin'ny diabe namakivaky ny làlana tao Kiobà”:

Nitarika ny diabe i Hector Maseda, vadin'i Pollan sady gadra noho ny falalaha-tsaina avy ao amin'ny Amnesty International, niaraka tamin'ny sarin'ny vadiny nisy soratra teny amin'ny sisiny hoe : “Laura Pollan Toledo, io izy!” izay nolanjainy nataony ambony tsara ho tazan'ny rehetra. Any amin'ny faran'ny filaharana kosa ireo nampiseho hery nihira : Velona i Pollan!

Blaogy marobe no nilaza ny alahelo marina an'ity vehivavy nandona ny fon'ny mpiray tanindrazana aminy sy ny namany akaiky ity. Reinaldo Escobar mahatsiaro ny fitsidihana nataony tany an-tranon'i Laura Pollan tamin'ny 2 oktobra:

Saika hanao resadresaka fanadihadihana tamin'izy roa aho. Antsasakadiny talohan'ny nahatongavako dia niansto ahy i Maseda fa azo atao tsara ilay izy, kanefa rehefa tonga tao an-tranony 963 Neptuno Street ao afovoan'i Havane aho, dia nilaza tamiko izy fa narary ny vadiny vantany vao avy nifampiresaka tamiko tamin'ny telefonina.

Nankany an'efitranony aho izay nahitako azy nangatsiaka be sady nisy fanaviana; namela ahy hanao sangisangy mikasika fanafody ihany izy, ary rehefa avy eo naidiny ny lamba nandrakotra azy ka nahitako azy nitsiky. Nokasihako ny handriny ary norohako. Tsy mbola nahita azy tao anatin'ny vata hazo tsy hay lazaina nametrahana azy ka tsy ahafantarana azy aho. Tehiriziko ho ahy hatrany ny tsiky tsy mety resy nataony.

Without Evasion nanoratra mikasika ny niainany tamin'ny nandrenesany ny fahafatesan'i Pollan:

Tsy nino aho hoe maty i Laura. Nalahelo be daholo izahay, tezitra, nahatsiaro tena ho kamboty; te hanamarina izahay hoe tena marina ve sa tsia izany vaovao izany. angamba mety diso izany, angamba mety ho fandrangitana ataon'ny manam-pahefana indray izany, na nisy nisandoka ho dokotera nihaodihaody nanodidina ny fandriany teny amin'ny hôpitaly.  Ahoana no hahafaty olona matanjaka be sy be hery tahaka azy?

Avy eo tonga ny hafatra maro nanamarina ny zava-misy ka niatrika ny zava-doza izahay : maty ilay Vehivavy tsy nisy firy tahaka azy izay nampangovitry ny hatezerana sy ny tahotra ireo mpanao didy jadona.

Ary ahoana àry no natahotra be ireo tsy mataho-tody ireo? Nahoana no adiny roa ihany ao anatin'ny alina no fotoana avelany hiandrasam-paty? Nahoana no nisy fisamborana maro tany amin'ny faritany rehetra tato Kiobà ary nosakanana ny namany avy lavitra tsy hanatrika ny fanaovam-beloma farany azy?

Regina Coyula no anankiray amin'ireo “namonjy ny tanàna tamin'ny misasak'alina, tapakevitra fa hamonjy ny fiandrasam-paty ao anatin'ny ora roa nofaritan'ny fanjakana hahazoana manao veloma farany an'i Laura”, hoy izy nanoratra:

Nihira ny hiram-pirenena aho ary niezaka nifehy ny fihetseham-poko tao anatin'ny fahanginana tanteraka teny am-panarahana ny vatam-paty narahan'ny mpanara-dia aminy niakanjo fotsy, ary ireo tahaka ahy, tonga marobe noho ny fahamehana sy ny andro efa alina; tsy olona nasaina nankao amin'ny fanaovam-beloma farany aho, kanefa nikasika ny vatam-paty ihany aho rehefa nandalo izany ho mariky ny fanaovako veloma farany azy.

Niverina nody nandeha tongotra aho. Niverina tao an-tsaiko ny zava-nitranga tamin'ny 26 septambra nanoloana ny trano fonenany, hetsika nomanina hanalana baraka azy … kanefa tadidiko mihoatra izany ireo vehivavy nandrahona an'i Laura hiankin-drindrina raha nitabataba kosa ny conga hoe  : “Vitsy ry zareo, kapao amin'ny antsy”. “Matoria araka izay azonareo atao, ry vehivavy, satria ho maro sady hanelingelina anareo ny fahafatesana”.

Miriam Celaya nanohy ny lahatsorany:

Rehefa nanasonia ny boky mirakitra ny teny fampiononana aho, izay natao tany an-tranon'i Laura, dia hitako fa efa olona 300 no nanoratra tao, ary mbola maro ny namany mbola ho avy. Tsy afaka nanampy aho fa nieritreritra ny fandresen'i Laura sy ny fitsanganany ho velona tsy ho ela : na dia eo aza ny famoretana, ny andrimaso sy ny fankahalan'ny manampahefana, dia mbola misokatra ny tranony, mandray ny fiaraha-mientana sy ny fitiavana avy amin'ny olona an-jatony maro. Ao an'efitrano fandraisam-bahiny izay tery, misy alitara nodidinina voninkazo sy labozia, misy sainam-pirenen'i Kiobà, nampiseho ny fanajan'ny mpiara-dia taminy sy ireo namany mahatsiaro azy.

Niala tao aho nionona, natanjaka ary nanana fanantenana… Tsy maty i Laura, ary mbola ho avy izy hanangana Kiobà vaovao… I Laura no manome fanantenana amin'ny fanambarana ny fetran'ny didy jadona : ny fanoheran'ny voninkazo gilaeola.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.