Yemen: Azizah Abdo Othman, Vehivavy Voalohany Maritioran'i Yemen

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona any Yemen 2011.

Mitohy ny herisetra ataon'ny fitondràna amin'ireo mpitolona am-pilaminana any Yemen. Ny diaben'ny mpomba ny demokrasia natao tamin'ny Sabotsy tany Sanaa dia nahafaty olona 12 ary naharatràna maro. Omaly (16 Oktobra) nisy diabe iray hafa tany Sanaa ary iray tany Taiz izay notafihana ka mpitolona 14 no maty. Nisy fanazavàna izany famoizana aina izay nalefan'i Khaled Hammadi:

@KhaledHammadi: Nahatratra 14 ny isan'ireo maty tany #Yemen: mpitolona enina tany #Sanaa, miaramila 7 avy amin'ny tafika manohana ny revolisiona tany Sanaa & vehivavy mpitolona iray tany #Taiz

Vaovao nafàna tao amin'ny Twitter ny vaovao momba ilay vehivavy maty tany Taiz, satria hay izy no vehivavy voalohany namoy ny ainy nandritra ny diabe am-pilaminana ho an'ny fahalalahan'ny fireneny.

@alguneid: #Breaking #Breaking amin'ny finday #Taiz #Vehivavy Maritiora, any Wadi Madam izao. Voatifitry ny jiolahimboton'i Saleh tamin'ny basy lehibe 12.7, tany amin'ny fihetsiketsehana tao #Yemen #Breaking.

@alguneid: #Taiz Maritiora iray #Vehivavy, 4 Naratran'ny jiolahimboton'i Saleh. Wadi al-Madam, Tanàna antitra, #Yemen

@JamjoomCNN:  Milaza i Atiaf Alwazir, “tsy atahorana izao dia ny..fanafihan'ny mpitifitra androany ka nahafaty vehivavy tany Taiz–tena miharatsy ny tantara” #Yemen

@alguneid: Maritiora #Vehivavy tany #Taiz. Azizah Othman Al-Mohageri no Maritiora voalohany mpitolona ary mafàna fo maty voatifitry ny jiolahimboton'i Saleh, tany amin'ny fihetsiketsehana

@YusraAlA: Lahatsary mahatohina misy an'i Azezah Abdo Othman, nisy nitifitra teo amin'ny lohany tany #Taiz androany http://youtu.be/E9vtnjSAJ3w #yemen #yf [TANDREMO: Ity lahatsary ity dia navoakan'i FreeDomTaiz mampiseho ny maritiora vehivavy voalohany tany Taiz, Aziza maty voatifitra teo amin'ny lohany]

Na dia maro aza ireo vehivavy efa naratra sy maty nandritra ireo fanapoahana baomba nataon'ny herin'i Saleh tamin'ireo faritra fonenana tany Taiz, fa Yemen manontolo no nihetsika sy romotra raha nahare fa nisy vehivavy maty voatifitra nandritra ny diabe. Nivoaka hanao hetsi-panoherana i Taiz tamin'iny tolakandro iny ihany.

@YusraAlA: Diabe fanamelohana tao #Taiz androany http://youtu.be/cDbMYqaIJE8 manameloka ireo zava-bitan'i #Saleh tamin'ireo mpitolona #yemen #yf

(Lahatsary navoakan'i: ahmed201120121994)

@alguneid: Mahafinaritra, lehibe izao ny #Vehivavy ao  #Taiz amin'ny fihetsiketsehana, any Wadi Al-Madam izay nitifiran'ireo jiolahimboton'i Saleh an'i Azizah Maritiora #Yemen

@alguneid: Malahelo, tezitra #Taiz #Vehivavy, izay namoy an'i Azizah Maritiora, vao niverina tany amin'ny Kianjan'ny fahalalahana, sady tara no kotsan'ny orana. Nitsangana teo amin'ny nahavoatifitra azy ry zareo #Yemen

@alguneid:
#AI #HRW #UN #HCHR Mila porofo tsaratsara kokoa ve ianao fa hoe mitifitra ny mpitolona am-pilaminana ireo jiolahimboton'i Saleh? #Taiz #Yemen Lahatsary http://bit.ly/nsElPF

Ity lahatsary ity dia navoakan'i BassemTaiz ary mampiseho mpitifitra iray mikendry mivantana ireo mpitolona akaiky azy:

Nilaza ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh rehefa tafaverina tao Yemen avy tany Arabia Saodita, izay nitsaboana azy nandritra ny telo volana noho ny ratra sy fahamaizana taorian'ny fanafihana ny lapa tamin'ny volana Jona, fa nitondra voromailalan'ny fandriampahalemana sy sampan'oliva izy. Nefa olona 100 izao no maty hatramin'izay niverenany.

Tsy misy mandry am-pilaminana any Yemen, na ny vehivavy aza tsy avelan'ny herin'i Saleh sy ny mpitifitra ary ny jiolahimboto izay mamono tsy misy antra  ireo mpitolona am-pilaminana. Mety hoe Azizah Othman no vehivavy voalohany maty tamin'ny revolisiona, nefa be ny ahiahy fa tsy izy no ho farany.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona any Yemen 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.