Teny: Phil Cash Cash Sy Ny Teny Nez Perce

Phil Cash Cash dia manombatombana fa eo amin'ny 20-25 amin'ireo mpiteny mahafehy tsara ny teny Nez Perce no sisa tavela. Zavatra iray mampiahiahy azy io  amin'ny maha-mpandalina ny teny azy manomana ‘doctorat’ ao amin'ny Anjerimanontolon'i Arizona, nefa indrindra amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ireo Fokon-janatany Weyiiletpu (Cayuse) sy ny Nuumiipuu (Nez Perce) ao Amerika Avaratra.

Mitazona anjara asa goavana izy amin'ny fanaovana hetsika fihazonana ny teny sy ny famerenana indray ireo tenin-janatany rehetra avy amin'ny alàlan'ny fampiasana ireo fitaovana fampandraisana anjara web 2.0. Amin'izao fotoana izy dia iray amin'ireo mpandraharaha voasoratra ao amin'ny Lisitry ny mpandrindra ny sehatra fiadian-kevitry ny Tenin-janatany Sy Teknolojia, izay manome toerana malalaka ho an'ny adihevitra sy fifanakalozana fahalalana eo amin'ireo “manam-pahaizana amin'ny tenim-poko, ireo mpandalina ny teny, mpikaroka, ary ireo mpianatra.” Manangona lahatsary mifandraika amin'ny ezaka ho fihazonana ny teny ihany koa izy ao amin'ny fantsony YouTube antsoina hoe Weyiiletpu.

Ho fanampin'izay, manana anjara asa mavitrika koa i Phil amin'ny famporisihina ireo namany mpiteny ny teny Nez Perce amin'ny fandraisana anjara ao anaty aterineto. Anatin'ny pejiny Google+ manokana, Manoratra amin'ny teny roa i Phil, tahaka ireo mifandraika amin'ny fandehanany vao haingana tany Quito, Ekoatora izay nandraisany fitenenana nandritra ny Fivorian'ny Fikambanana ho an'ny Teny Tandindonin-doza atao isan-taona:

watíisx wíhnenu’ ’íin koná Quito Ecuador-pa.
kawó’ c’íiqin ’ew’níiyu’ wiwaqititóoqana (kaa linguists).
kaa ‘íin ciklíitoqo’ kinú’ Sept 18th.
páay’s kiyéeyiku’ yóX wéetes hiwe’nikíin “amazon.”

Andeha ho any Quito Ekoatora aho rahampitso.
Handray fitenenana ho an'ireo vahoaka zanatany (sy ireo mpandalina ny teny) aho.
Hiverina eto aho ny faha-18 ny Septambra.
Mety handehandeha any amin'izany tany antsoina hoe “Amazona” izany aho.

Izany asa rehetra izany dia antsoin'i Phil hoe “e-Language 2.0,” izay nandritra ny fandraisany fitenenana dia nosoritany ho:

Ny hevitra amin'ny fianarana teny avy amin'ny alàlan'ireo fifandraisana dizitaly sy fiaraha-miasan'ny mpampiasa aterineto izay tohanan'ireo teknolojia Web 2.0.  Anatina tontolo tahaka izao dia afaka mikaroka, mamorona, ary miara-miasa ireo mpampiasa izany mba hamenoana ireo filàna manokana amin'ny fiatrehana tenin-drazana tandindonin-doza.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.