Kamerona: Tsy Nandray Anjara Tamin'ny Fifidianana Ireo Any Ampielezana

Ity dia amapahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Fifidianana ao Kamerona ny 2011

Kamerone mpifidy miisa fito tapitrisa no nantsoina tamin'ny 9 Oktobra 2011 mba handatsa-bato hifidy izay ho filoham-pirenen-dry zareo manaraka. Na izany aza, ny resaka fanaovana ankivy no toa mpandresy goavana tamin'ity fifidianana ity, indrindra indrindra fa ho an'ireo Kamerona monina any ivelany.

Ny fifidianana tamin'ity taona ity dia niavaka noho ny antony hoe hatramin'ny 8 Aogositra  2011, [fr] ireo olom-pirenena Kamerone any am-pielezana dia voalohany izao no afaka nahazo alàlana nifidy.

Cameroonian Voters in Dakar. Image by George Esunge Fominyen on www.gefominyen.com (CC).

Kamerone mpifidy tao Dakar. Sary avy amin'i George Esunge Fominyen ao amin'ny www.gefominyen.com (CC).

Vinavinaina ho eo anelanelan'ny 2.5 tapitrisa [fr] sy 4 tapitrisa [fr] no isan'ireo Kamerone monina any ivelany. Araka ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny allafrica.com [fr], miovaova io isa io noho ny antony ara-pitantanan-draharaha:

Dans une récente interview, le Minitre des relations extérieures, Henri Eyebe Ayissi, expliquait que « d'une part, la carte consulaire du Cameroun ne couvre pas tous les pays d'émigration. D'autre part, même dans les pays pourvus de postes consulaires, la situation est très contrastée. D'une manière générale, nos compatriotes de la diaspora ne se font pas systématiquement enregistrer auprès des services consulaires. Outre une certaine indifférence, l'explication réside, soit dans l'ignorance de cette formalité, soit dans le fait que ceux qui se trouvent en situation irrégulière hésitent à sortir de l'anonymat.»

Tanaty tafatafa tsy ela akory izay, ny Minisitry ny Fifandraisana Ivelany, , Henri Eyebe Ayissi, dia nanazava fa “amin'ny lafiny iray, ny Carte Consulaire an'ireo Kamerone dia tsy maharakotra ireo firenena rehetra mpampiantrano. Amin'ny lafiny iray hafa, na dia any amin'ireo firenena misy kaonsily aza, tena misavoritaka ihany ny toe-draharaha. Amin'ny ankapobeny, ireo mpiray tanindrazana amintsika any am-pielezana any dia tsy àry tonga dia nanoratra ny anaran'izy ireny tany amin'ny sampan-draharahan'ny Kaonsily daholo akory. Ambonin'ny tsy dia firaharahàna loatra, ny fanazavàna dia mitoetra amin'ny, na tsy fahafantarana izany fepetra izany, na noho izy ireny mivahiny tsy ara-dalàna any ivelany any ka matahotra ny hivoaka amin'ny tsy famborahana ny anarany hatrizay.”

Mety ho antony ara-toekarena no nibaiko ny fanapahan-kevitra hamela ireo Kamerone any am-pielezana ho afaka hifidy. Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena taona 2011, Diaspora For Development in Africa, na ny Zanaka am-pielezana ho Fampandrosoana an'i Afrika, ny tahirin'ireo Kamerone niondrana avy tao Kamerona dia mifanahantsahana amin'ny 3.8% amin'ny harin-karena faobe. Ankoatra izany, ny banky sy ny fomba fandefasam-bola tsy manaraka ny fenitra dia vinavinaina ho eo anelanelan'ny 9 sy 24 % amin'ny harin-karena faobe.
Màna ara-bola iray, izay tsapan'ny Kamerone tsirairay tsara. Hotmongo dia nitondra fanehoan-kevitra maneso tao amin'ny  Twitter :

La participation de la diaspora a l'économie c'est western union. LOL

Ny western union no fandraisana anjaran'ireo ampielezana amin'ny teokarena. TPT

Araka ny Komitim-Pifidianana Kamerone, na ny “Cameroonian Electoral Commission (ELECAM)”, Kamerone 25,578 any ivelany no voasoratra anaty lisi-pifidianana. Tamin'izany fotoana nandaniana ny lalam-pifidianana izany, ny tranonkala Bonaberi.com [fr] dia namoaka lahatsoratra iray izay ny mpanoratra azy dia efa niahiahy sahady momba ny fahafahan'ny ELECAM handrakitra ireo mpifidy any ivelany izay vinavinaina ho eo amin'ny 2.5 tapitrisa :

Une opération dont on doute de sa réalisabilité, à deux mois de la date de l’élection présidentielle.

Ny tsirairay dia afaka miahiahy ny amin'ny mety ho fanatanterahana izany, roa volana mialoha ny androm-pifidianana izay ho filoham-pirenena.

Raha ny marina, ny didim-panjakana navoakan'ny filoha dia vita sonia tamin'ny 8 Aogositra 2011, ary ny fetra farany ho an'ireo mpifidy mba hanoratana anarana dia ny 31 Aogositra 2011. Ny hafohezan'ny fotoana miampy ny fiantsoana ny any ampielezana mba tsy handray anjara amin'ny fifidianana no mety ho antony nitondra ho amin'izao vokatra izao.

Ny CODE (fikambanana iray ivondronan'ireo fikambanana demaokratika sy tia tanindrazana avy amin'ireo Kamerone ampielezana – Collectif des Organisations Démocratiques et Patriotiques de la Diaspora Camerounaise) dia nitarika ho amin'ny hetsika fanaovana ankivy. Ao amin'ny bilaoginy [fr], manazava ilay fikambanana:

- [Nous] Réaffirmons notre farouche opposition à la mascarade électorale qui se déroule
actuellement au Cameroun et en diaspora ;
– Dénonçons par conséquent la poursuite d’un processus électoral mafieux, totalement
illégitime, et qui n’a pour but que de maintenir Paul Biya au pouvoir pour le grand
malheur du peuple camerounais.

- [izahay] manamafy ny fanoherana mafàna vay asetrinay ilay fihetsiketsehana amin'ny fifidianana izay mitranga ankehitriny any Kamerona sy any anivon'ny zanaka ampielezana;
– Melohinay araka izany ny dingam-pifidianan-jiolahy satria tsy lanim-bahoaka tanteraka, izay mikendry fotsiny ny hitazonana an'i Paul Biya eo amin'ny fitondràna ho an'ny fahorian'ny vahoaka Kamerone.

Ao anatin'ny video manaraka etoana, nakarin'i Seumoprisma tao amin'ny YouTube tamin'ny 8  Oktobra, ireo mpikambana ao amin'ny CODE any Belzika dia nanao fihetsiketsehana ho fampahatsiahivana ireo Kamerone ampielezana fa tsy mila mifidy mihitsy izy ireo amin'ny 9 Oktobra ary ho solon'izay dia mangataka ny fialàn'i Paul Biya:

Araka ny lahatsoratra iray navoakan'ny gazety mpiseho isanandro Le Jour, nivoaka tao amin'ny 237online [fr], amin'ireo Kamerone 40.000 voaisa ao Frantsa, 900 monja no nandeha nifidy. Paul Biya, filoha teo aloha vao avy lany daty,  dia nahazo 64.97% tamin'ny vaton'ny mpifidy.

Ebot Tabi dia maneho hevitra ao amin'ny Twitter:

Raha jerenareo ny isa voarakitra ka ampitahaina amin'ny isan'ny mpifidy dia hahita ianareo fa ny olon'i Biya ihany no nandeha nifidy

Ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Fifidianana ao Kamerona ny 2011

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.