Okraina: Ny Filoha Yanukovych Ao Anatin'ny The Simpsons?

Nivoaka voalohany tamin'ny trano fijerena sarimihetsika ny andian-tantara faha-telo amby roapolon'ny sarimiaina malaza amin'ny fahitalavitra The Simpsons tamin'ny 25 Septambra 2011. Avy hatrany dia niteraka resa-be teo anivon'ny Okrainiana mpiondana aterineto ny tantara voalohany amin'ity andiany ity , noho izy maneho anaty kisarisary mampihomehy an'ilay Okrainiana jiolahy mafia iray  any Kiev antsoina hoe Victor. Ny zavatra tena nahatalanjona tamin'ilay tantara anefa dia ny fitoviana misy eo amin'ny toetoetran'i Victor sy ny Filoha Okrainiana Viktor Yanukovych, izay navoitran'ny [uk] mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy maro.

Ohatra, ankoatran'ny antontan-taratasim-pitsaràn'i  Yanukovych nofoanana, navoitran'ireo mpisolo tena ny media ny mpilalao sarimiaina malazan'ny The Simpsons, ny toeram-piasana mihaja be ao afovoan-tanànan'i Kiev ary ireo mpiambina maro isa. Misy pitsopitsony hafa amin'ny tantara izay resahana ao amin'ny aterineto, isan'izany ny fomba fitondran'i Victor ny vadiny, izay nalefa “niverina tany an'efitranony” (ny vadin'ny filohan'i Okrainiana dia fantatra amin'ny fomba fiaina tsy tia sehoseho ary mandany ny ankamaroan'ny fotoany any ivelan'i Kiev) sy ny fanomanana fampisehoana hataon'i Beyoncé any Okraina (nanao fampisehoana tany Donetsk ity mpihira ity tamin'ny 2009).

Mafioso Victor, a screenshot from The Simpsons episode set in Kiev

Mafioso Victor, sary nalaina avy amin'ny tantaran'ny The Simpsons izay nitranga tany Kiev

Any Okraina, nieli-patrana ilay tantara ary naparitaky ny mpampiasa Facebook, Twitter ary LiveJournal maro. Betsaka no nahita azy ho mampihomehy, ao koa anefa ny sasany izay tezitra tamin'ny kisarisary ratsy momba ny firenena.

Lesya Orobets (@LesyaOrobets), solombavam-bahoaka sady mpitoraka bilaogy, dia nandefa  tweet [uk]:

Хто б сказав, що сьогодні робочий день почнеться з перегляду мультика про Сімпсонів:(

Iza no nanampo fa ny andro fiasàna androany dia hiantomboka amin'ny fijerena  The Simpsons 🙁

Ny mpampiasa Twitter, Adam Radkowski (@Adamnet21), dia nizara ny rohy ary nanoratra hoe [uk]:

“Сімпсони” зняли серію про Україну. Ба! Знайомі обличчя!http://bit.ly/oa7Gft

Nanao tantara momba an'i Okraina ny The Simpsons. Wow! Tarehy mahazatra! http://bit.ly/oa7Gft

Ny mpampiasa Twitter @dark_vesta dia nizara ilay rohy ary nanontany hoe [uk]:

Сімпсони і бандит Вітя http://life.pravda.com.ua/culture/2011/09/27/86240/ і кого мені так нагадує цей Віктор?)))

The Simpsons sy ilay jiolahy antsoina hoe Vitya http://life.pravda.com.ua/culture/2011/09/27/86240/ ary mampatsiahy ahy an'iza loatra àry i Victor? )))

Ny tranonkala fampahalalam-baovaon'olon-tsotra Dniprograd.org any Dnipropetrovsk  dia nizara ihany koa ilay rohy ao amin'ny kaontiny Twitter (@Dniprograd) ary nanao fanamarihana mifono eso [uk]:

ДНІПРОГРАД Янукович – всесвітньо популярний, про нього зняли “Сімпсони” http://bit.ly/qwGvUT #news #Dnepr

Malaza eran-tany i DNIPROGRAD Yanukovych, [nisy] nanao [tantara] Simpsons momba azy http://bit.ly/qwGvUT #news #Dnepr

@idioteque_2017, mpampiasa Twitter mipetraka any Okraina dia nizara ilay rohy ihany koa ary nametra-panontaniana hoe [uk]:

Напевно тепер Мета Грюнінга чекають трабли???))) http://bit.ly/rhvA2A #Сімпсони #Янукович

Tokony hatahotra amin'izay angamba i Matt Groening [mpamorona ny The Simpsons – GV] fa mety hahita [loza]?))) http://bit.ly/rhvA2A #Сімпсони #Янукович

Ny mpampiasa Twitter Ostap Malashnyak (@stefcjo) dia nizara sary avy amin'ilay tantara ary nanoratra hoe [uk]:

хоч комусь смішно з нашого горя… “Сімпсони” зняли серію про Україну http://myreport.com.ua/fotoreportazh_big/simpsony-znyaly-seriyu-pro-ukrajinu.html pic.twitter.com/GZrFBGoL

fara faharatsiny mba misy mihomehy amin'ny fahoriantsika… Nanao tantara momba an'i Okraina ny The Simpsons.
http://myreport.com.ua/fotoreportazh_big/simpsony-znyaly-seriyu-pro-ukrajinu.html pic.twitter.com/GZrFBGoL

Ny mpampiasa Twitter Kashchuk Ilona (@ScoutGirl19) dia toa tsy gaga intsony raha nandefa tweet hoe [uk]:

Сімпсони теж нашого ‘президента’ висміяли -http://news.bigmir.net/ukraine/455775/#

Nanambany ny ‘filohantsika’ koa ny The Simpsons  -http://news.bigmir.net/ukraine/455775/#

Mbola tsy fantatra aloha hatreto hoe halefa [uk] amin'ny fahitalavitra  Okrainiana ve ilay tantara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.