Global Voices Podcast: Fihaonambe Fahatelon'ireo Bilaogera Arabo – Ampahany 1

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Akory aby!

Ho fanampin'ny podcast fametrakay isam-bolana, manana feo manokana ho anareo izahay, avy any amin'ny Fihaonambe fahatelon'ireo Bilaogera Arabo, izay vao nifarana tao Tonizia

Manodidina ny 100 ireo bilaogera avy amin'ny firenena Arabo tonga nifamotoana tao Tonis ny 3-6 Oktobra 2011, tamin'ny fihaonambe iray nampiantranoin'ny  Global Voices, Nawaat ary ny Heinrich Böll Foundation mba hiresaka momba ny Fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, ny antoka eo anivon'ny aterineto, ireo hevitra taorian'ny revolisiona, ary mazava loatra fa mba hifanatri-tava mivantana koa ny tsirairay – fotoana tena vao voalohany indrindra ho an'ny sasany. Tanaty resadresaka miisa 12 ao anatin'ireto podcast ireto (jereo koa ny ampahany faha-2) dia ho henonao ny mikasika ny tsy fanononana anarana ampiasàna ny Tor, revolisiona anatin'ny vanim-potoana manan-tantara iray, ireo fifidianana atsy ho atsy any  amin'ireo Arabo, ny famokarana horonantsary, fitorahana bilaogy sy fanantenana. Ary zavatra maro, tena maro

Fihaonamben'ny Biloagera Arabo, 2011: Ampahany 1

Mandeha ho azy fa dia ny lohahevitra momba ny fitroaran'ireo Arabo no tena ampahany goavana tamin'ny fifanakalozan-dresaka. Ny anjara toeran'ny olon-tsotra mpitati-baovao dia tena goavana tokoa tamin'ny famariparitana ny ireo zava-nitranga mba ho ren'ireo mpanatrika maro. Nitafatafa tamin'iay  bilaogera ejiptiana sady mpanoratra ho an'ny Global Voices, Lilian Wagdy, aho mikasika ny antony nahatonga ny tombontsoa ho nahazo toerana miohatra amin'ny fanamby tamin'ity asa sarotra ity

Na ny akaiky na  ny avy any lavitra dia samy tonga hanatrika ilay fihaonana avokoa ireo bolaogera sy mafàna fo anaty aterineto. i Yazan Badran dia bilaogera Siriana sady mpanoratra ho an'ny Global Voices ary monina any Japana amin'izao fotoana. Nambarany taminay ny nandrisika azy hamakivaky ny elanelan-tany lavitra mba hanatrika ilay fihaonana.

Na dia lohahevitra mitoetra eny foana aza ireo fitroarana teo aloha, ny fihaonamben'ireo bilaogera Arabo tamin'ity taona ity dia vovonana iray ho fanosehana ny raharaha hiroso hatrany. i Nasser Weddady koa, bilaogera iray avy any Maoritania,  Talen'ny  Civil Rights Outreach ao amin'ny Kaongresy Islamika Amerikana manana ny foibeny ao  Boston, Etazonia. Niresaka momba ny olana fototra tamin'iny andro iny izahay.

Maromaro ireo kabary sy fampahafantarana nandritra ilay fihaonambe no nitondra fanazavana mikasika ny zava-mitranga amin'izao fotoana, hatramin'ny fanomezana fiofanana sy hevi-baovao. i Marek Tuszynski,  mpiara-manangana sady tale mpiara-mitantana ny Tactical Technology Collective dia nanao vela-kevitra momba ny fahitàna mazava tsara ho an'ireo mafàna fo eo anivon'ny aterineto.

Maro ny mpanjay anjara no efa nanatrika ny Fihaonamben'ny Bilaogera Arabo teo aloha. Miaraka amin'i Jillian C. York, Talen'ny Fahalalahana Maneho Hevitra Iraisam-pirenena  Electronic Frontier Foundation (EFF) any Etazonia ( sady mpanoratra ho an'ny Global Voices no mpikambana ao amin'ny fitantànana), hiresaka isika mikasika ny traikefany sy ny antony anomezan'ny EFF lanja ny fahalalahana maneho hevitra iraisam-pirenena.

Tanatin'ny resaka nifanaovana tamin'i Jillian, voaresakay ny hoe ahoana  ireo bilaogera Palestiniana no tsy nahazoa fahazoan-dàlana avy amin'ny governemanta Toniziana mba hanatrehany  ny fihaonambe. Nisy fomba fanao, safidy hafa nampiasaina, mba hifandraisana tamin'ireny bilaogera ireny ary nampidirana azy ireo tao anatin'ilay fihaonambe (Avy amin'ny mpandika: fampidirana azy ireny tamin'ny alalan'ny resaka fifandraisan-davitra). Niresaka tamin'i Saed Karzoun aho momba ilay olan'ny visas, ary izay nantenainy ho entina tao amin'ilay hetsika.

Tena ao tsara ny nanaovana ny Fihaonamben'ny bilaogera Arabo ho eto Tunis mifandraika amin’ ireo lohahevitra fototra noresahana. Nahita ny revolisionany i Tonizia ary lasa aingam-panahin'ireo hetsika hafa rehetra tao amin'ny faritra. Malek Khadraoui dia mpiara-mandrindra ny tranonkala Toniziana Naawat, vondrona bilaogy mahaleotena.  Noresahanay ny fomba ahafahan'ny tambajotranà bilaogera manerana ireo firenena Arabo sady manome fanantenana no mitondra toro-hevitra mahasoa sy sarobidy ihany koa.

Betsaka olona voky traikefa, nahaliana, manampahaizana sy mahafinaritra tao amin'ilay Fihaonamben'ny Bilaogera Arabo, Tsy vitako  ny hametraka azy ireny ho anatinà famoahana iray monja amin'ny podcast eto amin'ny  Global Voices. Azonao atao ny mandre misimisy kokoa amin'ireny tafatafa manana ny maha-izy azy ireny ao amin'ny  Ampahany faha-2.

Isaorana ireo nanokana fotoana hiresahana tamiko, ny mpikarakara tamin'ny famoronana sehatra mahafinaritra toy itony mba ho  fifanakalozan-dresaka, ary ho an'i  Mark Cotton izay nandrindra ny feon-kiran'ny  Global Voices ho amin'ity andiany ity manokana..

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.